Anjozorobe. Halatra kariera aminy anaran’i Rajaonarimampianina

Jeudi, 07 Janvier 2016 07:47 Communauté Malagasy
Imprimer

Vao manomboka ny taom-baovao 2016 dia mbola voatonotonona foana ny anaran’ity zanak’i Hery sy Claudia (vady voalohany) ity, izay toa tena mibaiko miaramila toa izy mihitsy no « Chef suprême des armées » Ho avy ny porofo hafa

Kariera iray any amin’ny kaominina Marotsipoy distrikan’Anjozorobe no isehoan’ny olàna. Kariera iray no tadiavin’ny kolonely miisa telo, mitono-tena ho iraky ny zanaka sy ny zandrin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, halaina an-keriny. Ity kariera ity izay marihina fa hofain’olona iray amin’ny tompon’ny tany izay manana taratasy ara-dalàna, ara-dalàna tahaka izany ihany koa ny fandoavan’io olona mpanofa io ny hofan’ny tany ary tsy mbola tara na indray andro aza.

Nisy fotoana tonga tany an-toerana ireto manamboninahitra telo ireto niresaka tamin’ny mpanofa ary efa nomeny halalana hiady lavaka eo amin’ny manodidina ilay toerana saingy tsy nanaiky izy ireo fa ilay kariera efa an’olona no tadiaviny hidirana an-keriny.

Efa maro ny antsojay nahazo io olona mpanofa kariera io satria isaky ny mamoaka vato ilay kariera dia misy manakana foana. Raha tsiahivina dia nosakanan’ny polisy tetsy Sabotsy Namehana vao haingana ny 4x4 iray mpitondra ny vaton’io olona io. Vato izay misy taratasy ara-dalàna tsara avokoa ny fitaterana azy.

Vao haingana ihany koa dia nisy ny fitoriana voalaza fa napetraky ny tompon’ny tany mitory io olona manofa ny taniny io. Rehefa tonga teny anivon’ny “police des mines” anefa ny raharaha dia nilaza ilay tompon’ny tany fa tsy nasaina novakiany akory io taratasy io fa noterena an-kolaka ho soniaviny, fa nolazain’ireo olona mitonona ho
iraky ny zandrin’ny filoha ireo fa maika ny olona hanaterana azy ka tsy mila mamaky izy fa manasonia fotsiny.

Santionany tamin’ny antsojay efa nahazo ity olona mpanofa kariera ity ireo tranga notanisaina fa ataon’ireo olona milaza ho iraky ny zandriny filoha ireo fa ho hitantsika miandalana ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Loharanom-baovao: Mponina maro ao Anjozorobe leo ny fanampara-pahefana

Mis à jour ( Jeudi, 07 Janvier 2016 10:07 )