Hery Rajaonarimampianina: Paoly niova Saoly tanteraka

Jeudi, 07 Janvier 2016 12:28 Communauté Malagasy
Imprimer

Araky ny voalazako ao anatin’ny fandaharana tao amin’ny radio Viva (06 Janoary 2016) dia nisy fotoana niarahako tamin’i Hery Rajaonarimampianina, olo-tsotra, mpiasa ben’Andriamanitra, miresaka ary mora resahina.

Saingy indrisy, fa ny tantarany dia tsy mba Saoly niova ho Paoly (ETO) fa dia i Paoly nivadika ho Saoly tanteraka, rehefa injay izy lasa Filoham-pirenena. Hafa tokoa ve izany i Martial Rakotoarimanana sy Hery Rajaonarimampianina ?...


N'inona n'inona ny mety disadisa nisy tamin'ireo izay naha minisitry ny Vola azy nandritra ny dimy taona be izao, tao anatin'ny fony ny "vali-faty" ka nalehony natakalo voninahitra sy vola ny fihavanana ary niditra tao anaty maizina tanteraka ilay toe-tsaina mazava nanànany. Raha aminy samy irery moa maninona, fa ny firenena malagasy iray manontolo no arendriny. Firenena iray manontolo koa anie no ho tantànana e!. Avy aiza io tranga fotsy lasa mainty io? Avy any amin’ny manodidina azy aloha -izay namporisika tsy nisy toa izany ka mbola mitohy- ary tsy voafehiny intsony izy ireo ankehitriny. Mampanahy, no izany ny ho aviny, atsy ho atsy…

Jeannot Ramambazafy


Mis à jour ( Jeudi, 07 Janvier 2016 20:59 )