Madagasikara andramena. Ilay didin'ny tribonaly tsy nahomby tany Singapour

Vendredi, 26 Février 2016 17:19 Communauté Malagasy
Imprimer

Asa iombonana ity fanaovan-gazety ity, fa ambonin’izany dia Tanindrazana iombonana ihany koa i Madagasikara. Mila mahafantatra ny Malagasy rehetra, na ny eto an-toerana, na ny any ivelany (ka mbola mahay mamaky teny malagasy) fa misy tsy milamina mihitsy « ao ambony ao », nanomboka taminy nitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Izao mantsy: tamin’ny Filan-kevitry ny minisitra voalohany notarihiny, ny 05 Febroary 2014, dia enjana tokoa izy nilaza fa: « tena hiady mafy amin’ny trafikan’andramena ». Navelom-bolo ny rehetra. Saingy, indrisy... Io ambany io ny nosoratan’ny namana ao amin'ny Midi Madagasikara, amin’ny teny frantsay, ny ampitsony 06 Febroary.


Roa taona mahery katroka ary dia nipoitra ny didim-pitsaranan'ny tribonaly mikasika io andramena io. Ny marina kokoa dia haverina ilay fitsarana any Singapour efa natao ny 25 Oktobra 2015. Nanantena ny sasany fa ho tafavoaka ny ala. Kinanjo. Nadikan’ny gazety namana « Ao Raha » amin’ny teny malagasy ny ampahany be an’ilay didim-pitsarana navoakan’ilay tribonaly tany Singapour, ny volana Oktobra 2014 iny.

Nataonay adidy eto aminy madagate.org ny mamoaka azy eto koa satria, averiko: Tanindrana iombonana ity Madagasikara ity. Tsy resaka « copié-collé » akory izy ity fa fampitàna vaova ("relais d'information") fiarovana ny tany hilevenana. Ary tsy maintsy sarotiny. Ka dia ireo ary ka mahaiza mamaky tsara fa mbola tsy vita amin’io akory ny ady amin’ny fandrobana ataon’ny olona sasany «ao ambony ao » izay sahy milaza fa «fahavalon’ny fandrosoana ny tia tanindrazana sy ny mpanohitra». Odoie e!

Mitohy ary hitohy foana ny tolonay mpanao gazety -tena mpanao gazety an!- rehefa mbola tsy manàja ny lalàna sy izahay vahoaka sy olom-pirenena ianareo izay mandalo fotsiny ihany. Satria izahay koa no mandoa ny karamanareo, aoka hazava ny resaka! Mpiasanay ianareo fa adala izay miseho manompo anareo. Hafa ny fanajàna sy ny fifanajàna ary hafa ny manao olona ho andriamanitra kely. Ny olona tsy mahay manaja ny tenany -na iza na iza- tsy mendrika hajaina.

Jeannot Ramambazafy – 26 février 2016

Mis à jour ( Vendredi, 26 Février 2016 17:54 )