]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Marolambo. Paradisa lavitry ny fandrosoana, ho gejain’ny Hvm mpandainga

Marolambo. Paradisa lavitry ny fandrosoana, ho gejain’ny Hvm mpandainga

Sahabo eo aminy 130 kilometatra ny manelanelana azy an’i Mahanaro, amin’iny Lalam-pirenena 11A iny. Fa no ny aratsian’ny lalàna dia telo andro be izao no lany any am-pandianana ary raha tsy « camions » tsy tafavoaka. Mazava fa vitsy ny fiara mpitatitra olona ary raha misy aza dia midangana ny sarany ary miovaova ka manomboka eo aminy 60.000 ariary. Misy koa làlana hafa miala avy ao Anosibe Anala, Fandriana, Ambatofotsy fa tsy maintsy dia-tongotra fa tsy misy izany hoe làlana ho ana fiara izany.


Fandriana, 21 Janoary 2016. Ny minisitra Ralava Beboarimisa sy Ramangason Guy Suzon, Tale jeneralin’ny Madagascar National Park (MNP)

Taminy 21 janoary 2016 no notokànana ny valan-java-boary any Marolambo. Ary tany amin’ny distrikan’i Fandriana no natao ny lanonana… Mahavariana. Ny marina dia tsy tongan’ny fiara 4X4 intsony ny any fa « camions » ihany… Nefa tonga tany mihitsy ny minisitry ny Tontolo iainana, Ralava Beboarimisa.Mbola sahin’ity minisitra ity ihany no milaza fa «fanamby nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina io, tamin’izy tany niatrika ny Kongresy iraisam-pirenena faha-6 momban’ny valan-java-boary nasionaly, tany Sydney, Australia, ny volana Novambra 2014». Ny marina dia efa fito taona io drafitr’asa io no noketrehin’ny MNP sy ny Vondrona europeana (UE) izay nanome famatsiam-bola mitentina 6 hetsy sy 1 tapitrisa euros UE. Fa maninona no mandainga foana toa izany e ? Misalotra ny zava-bitan’ny hafa foana.


Mirefy 95.063 hektara io valan-java-boary io. Tsy hita pesipesenina ny harena nomen’Andriamanitra ho an’ny Malagasy.


« Espoir » na fanantenana ho an'iza? Tadidido fa ny andramena ahondrana any ivelany anie dia any anaty faritra voaara no angalarina e! Seho ivelany daholo ireo ambony ireo

"Misy volamena sy zircon ao Marolambo ao"

Mety misy koa izany ny diamondra

Làlana izany, làlana izany!

Nefa anie toa paradisa eto an-tany mihitsy izany tanànan'i Marolambo izany. Saingy...

Niezaka nanatona ny tena mponina any ny iraky madagate.org mikasika ny zava-misy marina ka toa izao ny « vaovao » voaray.Marihina fa tsy nety nalaina sary ry zareo. Tsy omen-tsiny satria efa fantatra ny fomba ataon'ny mpitondra amin'izao fotoana izao sy ny manodidina azy... Dia hisy indray izany ny raharaha maloto hitsikafona atsy ho atsy? Azy ny fahefana, ny vola, ny fitaovana sy ny hery... mpamoretana. Tany lavitr'andriana tokoa e. Fa azo itokisana ve ireo "andriana" ireo sy ny ny fitsarany?

« Marolambo? Distrika iray tena mamokatra eo amin’ny lafiny ara-pambolena indrindra fa ny kafe, akondro, ary ny vary ihany koa. Matanjaka, ary anisany malaza manerana i Madagascar ihany koa io distrika io eo amin'ny resaka harena ankibon'ny tany, toy ny volamena, zircon sy ny sisa.

Raha eo amin'ny lafiny fampandrosoana anefa dia toa lasa ankilabao ary tsy jerena mihitsy aza io distrika io satria tato anatin'ny 50 taona mahery, dia tsy afaka mifanerasera malaka amin'ireo distrika

manodidina azy ireo mponina ao nohon’io resaka làlana ratsy io. Na dia ireo distrika ao amin’ny Faritany (« province ») misy azy aza dia sahirana amin’ny fifaneraserana.

Rehefa tonga anefa ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra dia mirodorodo mankaty avokoa ny rehetra mampanantena ireo rivotra fanovàna mahery vaika rehetra izao. Marihina fa ity filoha ankehitriny ity dia anisany nahazo vato betsaka indrindra tany amin’io distrikan’i Marolambo io nohon'ny fanohanan'ny MAPAR azy.

Nefa ny mampalahelo dia miaraka voadaka avokoa na ny MAPAR na ny vahoaka. Ankehitriny, dia mbola mitohy ny fanitsakitsahana ireo vahoaka aty, amin’ny alalan'ny famotehana ny safidiny amin'ireo fifidianana rehetra izay nandalo teto amin’ny tany sy ny firenena mba ho fametrahana ny rantsan'ny antoko HVM izay hataon'ny solontenan'ny HVM any: ny hala-bato sy ny famadihana ny safidim-bahoaka no nanjaka taty fa ireo fampandrosoana izay nampanantenaina sy handrasan'ireo vahoaka dia tsy misy tanteraka ankehitriny. Noho izany dia miaina ao anaty jaly, jadona, fitoka-monina... ny vahoaka aty. Ny fitsaboana dia tsizarizary nohon'ny tsy fahampian'ny fanafody sy ny fitaovana. Ny fampianarana moa efa tsy tenenina intsony.

Koa tokony mba handinika sy hieritreritra tsara ny mponina sy zanaka ampielezana eto Marolambo satria tena fanosehosena sy fanaovana tsinontsinona ny distrika mihitsy izao zava-misy izao. Manentana antsika aho mba tsy hanaiky hanaovan’ny olona resabe intsony amin'ny manaraka fa soa lavo ahay hamindra, ary soa kenda ahay hitsako ».

Ny tena marina ihany koa dia ity: raha tsy HVM 1000% (arivo isan-jato) dia tavela eo tokoa ny vahoakan'i Marolambo. Toa tamin'ny andron'ny Pisodian'i Tsiranana e.

Nandrafitra ny sary sy ny soratra: Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Jeudi, 17 Mars 2016 18:20 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO