]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara Frankofonia. Fianakaviam-be tokoa…

Madagasikara Frankofonia. Fianakaviam-be tokoa…

Ny fikarakarana ny Fivoriam-ben’ny Frankofonia dia resaka fianakaviana tokoa e!

Izao aloha ny voalazan’io Tale jeneralin’ny Seimad (société d’équipement immobilier de Madagascar) io, mikasika ilay « village de la Francophonie » etsy Andohatapenaka, tamin’ny volana Janoary, talohan’ny fandalovan’i ramatoa Michaëlle Jean (22-23 Marsa 2016) izay hiverina aminy volana Jolay:


« Tsara ho fantatry ny olona rehetra fa fiaingana amin’ny fampandrosoana ny firenena, endrika iray ho fampandrosoana ny firenena ity « village » ity, nangatahin’ny Frankofonia ny fiariana ny fiarian-karena malagasy. Manitikitika ny maro hoe : manomboka ve ny « village »-ny Frankofonia ; ho vita ve ? Ho vita ny « village »-ny Frankofonia. Efa manomboka ny « fondations » izay izao dia ny « gros œuvres », « fin juillet » no ho vita ; dia ny « finitions » amin’ny voalohan’ny volana avril.


Ity zavatra rehetra hitanareo ity, ny Seimad no mikarakara azy, ny fanamboarana sy ny tompon’ity toerana ity. Dia hapetraka eo ampela-tànan’ny fanjakana manditra ny fotoana izay hisy ny « évènement » eto Madagasikara, dia izahay ihany no hikarakara azy. Izay ny zava-dehibe mila fantatry ny vahoaka malagasy rehetra. Tsy ho an’ny vahiny akory ny zavatra amboarina eto fa ny Malagasy ihany no ho tompony. Ny « appartements » atao eto dia hamidy amin’ny olona rehetra eto Madagasikara « Ttf : ay fa tsy ny Malagasy rehetra? Samihafa mantsy izany).

Olivia Ratsiferana

Fa iza moa i ramatoa Olivia Ratsiferana? Ekena fa mànana ny «Master en administration des affaires, Gestion des Entreprises» avy tao amin’ny «Université Paris 1 Panthéon-Sorbonne» izy. Fa anabavin’ingahy Hugues Ratsiferana, Tale Jeneralin’ny Air Madagascar, tsy nahomby fa lasa mpanolo-tsaina manokana ny filoha Rajaonarimampianina ary, indrindra indrindra, filohan’ny filan-kevitry ny fanarahana ny fivoriam-ben’ny Frankofonia (« Président du Comité National d’Orientation du Sommet de la Francophonie »).
Ity koa anie no tokony ho fantatry ny vahoaka malagasy e! Manana izany orinasa « SAKAF’O SARL » izany ingahy Hugues Ratsiferana. Mazava angamba ny antom-piveloman’io orinasa io. Fa tsy sakafo ho an’ny vahoaka malagasy mihitsy ny vokariny ao… Ho lasa lova tsy mifindra ho an-dry zareo mpitondra Hvm lahy ity Madagasikara ity. Marina moa.


Rivo Rakotovao, andriamatoa « projets présidentiels » sady Filoha nasionalin’ny antoko Hvm

Ny Seimad izany no handray tanteraka ny asa rehetra. Seimad izay eo amban’ny fiahian’ny ministera tarihin’ingahy Guy Rakotovao misahana ireo antsoina hoe « projets présidentiels ». Dia fianakaviam-be tokoa ity resaka Frankofonia ity eto Madagasikara e! Ny indro be dia ity : tsy misy mahalala, hatreto, hoe ohatrinona ny vola ho lany ary avy aiza. Ny an’i Ramatoa Michaëlle Jean, Sekretera jeneralin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia (OIF) dia tsotra ny teniny, izay lasa litania mihitsy: «Madagasikara no nangataka io fivoriam-be io; Madagasikara no nahazo azy...». Ny tohiny dia manasa tanàna izy ary tsy te-hahalala amin’ny fomba ahoana no hanatanterahin’ny fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina azy. Ka raha « je m’en lave des mains » ny azy, ny an’ny mpitondra indray dia « la fin justifie les moyens ». Ny porofo dia tsy nitsidika akory ny tao Andohatapenaka i ramatoa Jean tamin’ny fandalovany teto, satria fotaka no tena mbola mandrakotra ilay toerana.


07 septambra 2015. Mbola tsy tafatsangana akory ireo trano amin'ity "Résidence Ainga" ity dia efa voafandrika daholo, ka manomboka eo amin'ny 120 tapitrisa ariary (na 38.000 euros) ny vidin'ny trano iray. Iza ny Malagasy "rehetra" hatakatra izany e!? Eo afovoany, ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo, efa Tale jeneralin'ny Seimad...

Na izany aza dia ho tontosa -ary tsy maintsy ho tontosa- tokoa izany io fivoriam-be io ary hitsangana ireo trano handraisana ireo vahiny ireo amin’io volana Jolay io. Ny fiainana anefa mitohy ary hitohy. Aoriana kely fotsiny isika Malagasy no hijinja ny ratsy rehetra haterak’ireo peta-toko sy fisehoana ivelany ireo. Ny any mazava aloha dia mandainga i ramatoa Olivia Ratsiferana fa tsy ho an’ny Malagasy rehetra velively ireo trano ireo. Ohatra mivaingana izay efa nitranga: iza izao ny mibahana ao amin’ireo trano namboarina tamin’ny Lalaon’ny Nosy ao Ankorondrano, ny taona 1990? Malagasy « rehetra »?... Asa koa raha tena hampandroso ny fiarian-karenan’ny Malagasy tokoa io. Ny zava-misy hatreto aloha dia mia-mahantra velona ny ankamaroan’ny Malagasy ary tsy hisy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro izany « Sommet de la Francophonie » izany. Na izao, na afaka folo taona. Ry Hvm mianakavy foana no hibahana ao. Ka raha vao tsy miditra ao amin’io antoko io ianao dia tsy kaonty. Eisy e!

Toa vao omaly izany hoe « Pisodia izahay mandrapahafatinay » izany…


Izao ny zava-misy marina raha ny eto Antananarivo aloha no resahina. Asaivo mandalo any ny mpiara-miasa amin'i Michaëlle Jean, fa miadana tokoa ny Malagasy

Jeannot Ramambazafy – 28 Marsa 2016

*****************

Dia resaka fianakaviam-be tokoa... ary aminy teny frantsay

Catégorie : Politique
Publication : 30 mars 2016


*****************


297 logements de type F4, F3, F2

Studios étalés sur 7 étages

Espace commun en rez-de-chaussée pour accueillir une galerie d’expositions et des pavillons

Complexe comportant un centre commercial

Espace vert et de loisir

Hôtel  4 étoiles de 100 chambres

Salle de cinéma

Mis à jour ( Vendredi, 01 Avril 2016 06:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety