]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Anjozorobe. Raharaha Matthieu Rajaonarimampianina. Mbola tsy vita akory…

Anjozorobe. Raharaha Matthieu Rajaonarimampianina. Mbola tsy vita akory…

 

Tsimiondra Tomasy sy ny havany hafa tao aminy "La Rotonde" Besarety

Tamin’iny volana marsa 2016 lasa iny dia nivoaka an-gazety ny havan’i Mandignisoa, ilay tsy hita maty, tsy hita velona, nilaza fa "tomponandraikitra izay minia mbola miresaka io raharahan'i TOMPOKOLAHY Mandignisoa io", ary ho voasazy izay mbola miresaka momba iny raharaha mahavoarohirohy an’i Matthieu zanaky ny Filoha Hary Rajaonarimampianina sy Claudia vadiny talohan’i Voahangy. Ka asa izay hanjo an’i Tsimiondra Tomasy izay tsy iza fa dadatoan’ilay tovolahy tsy fantatra ny niafarany. Ary ireo fanambarana ireo dia tsy iza fa i Jean Yrmand, izay hita ny anarany etsy ambany. Fa nisy inona ry itony a!? Mazava fa nisy resaka volabe tao avy any amin'ny fitondrana, mba tsy ho lazaina hoe tany amin'ny filoha mihitsy fa aza ny vahoaka no hivarotana saka beloha isaky ny mipoitra ny masoandro.


Ka asa na nisy "zara-vilana" na nisy fahatsapana tao fa sady tsy ampy no tsy mety mihitsy izany eo anatrehan'ny razana fa dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 05 Avrily 2016, tao aminy « La Rotonde » etsy Besarety mantsy i Tsimiondra Tomasy. Tsy ho asiako resaka fa indro ireo taratasy mirakitra ny famelabelarany sy nozaraina an’ny mpanao gazety rehetra nanatrika. N’inona n’inona izano tenenina dia mbola tsy vita mihitsy akory ity, indrindra fa tsy afaka nilaza hoe taiza marina ny zanany tamin’io fotoana io, ny filoha Rajaonarimampianina fa ain’olona no nanjavona ka tsy vitan’ny hoe « tsy mpanao magie izy ka tsy afaka sady eto no ary ». Ka taiza marina ilay ETO?

Ny marina amin'ireto taratasy manaraka ireto dia toa ho tohizin'ny fianakaviana ny fitoriana izay nataony fa naato no ilay resaka "fampiantonana" ny raharaha... Ka asa aloha fa eto moa matetika miova loko daholo izay jerena, nanomboka tamin'ity fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina ity izay hahenoina fizarana vola ("mallettes") matetika loatra ihany koa...

Jeannot Ramambazafy – 06 Avrily 2016

***********************



Mis à jour ( Mercredi, 06 Avril 2016 02:54 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety