]
Les quotidiens du 29 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. Ho mpanefoefo daholo ny ao ambony dia ahoana avy eo?

Madagasikara. Ho mpanefoefo daholo ny ao ambony dia ahoana avy eo?

Firy taona avy isika amin’izao volana Avrily 2016 izao? Mandinihy tena daholo fa izaho 18 taona tamin’ny volana May 1972. Efa hitako daholo ny fitondrana ara-dalàna (filoha voafidy) nanomboka tamin’i Philibert Tsiranana. 62 taona aho izao fa mbola tsy niaina teo ambanina mpitondra tena hamarina an-kady ny firenena iray manontolo. Inona ny antony?

Mihevitra ingahy Hery Rajaonarimampianina hoe: efa voafidim-bahoaka izy dia afaka manao izay tiany. Raha mahay sy matsilo moa naninona? Saingy indrisy. Mpandainga sy mpamadika ny tanindrazana satria lasa vorona azon’adala ilay fahefana nampindramin’ny vahoaka azy ka dia io: isan-kerinandro misy zavatra mamoan-tsampona foana ataon’ireo mpitondra sy ny manodidina azy. Izany porofo tsy azo ivalozana izany dia tsy miteny aminy. Voavidiny daholo ny tompon’andraikitra adàlam-bola rehetra izay izy ihany no manendry azy ireny. Ary na ireo hoe « namana » tsy fohy aza dia vadiana daholo.


Ohatra io Jean Ravelonarivo io. Namana tao aminy Rotary Club izy io. Nitsahina ny lalampanorenena hahatonga azy Praiminisitra. Talohan’izany dia nakarina Jeneraly. Ary vonona ny lehilahy satria roa ny zavatra nibaiko azy: « Servir d’abord » sy ny « Ho an’ny Tanindrazana ». Indrisy. Vao nikitikitika ny afera afera nataon’i Claudine Razaimamony -sakaiza akaikin’i Voahangy X.- dia vita ny aminy. Tsy maintsy nanao izay nanilihina azy ilay mpikaoty volan’olona. Mafy anie ry zareo izany manambady vady tanora -nandimby an’i Claudia renin’i Matthieu- tsy dia fantatra loatra ny fiainany teo aloha e! Ka na izany « afa-baraka » izany tsy fantany satria izy no « rôle », miseho ho tompon’ny fahefana nefa mpiasam-bahoaka izay mandoa ny karamany. Adinony koa fa firenena no entina fa tsy fokontany e!

Dia io mbola nanao tsinontsinona ny olon-drehetra tamin’ny nosafidianana ny Praiminisitra hanoloana an’i Jean Ravelonarivo. Nanatitra lisitra ingahy Jean Max Rakotomamonjy, izay nanitsaka ny andiny faha-94 ao anatin’ny Lalampanorenana ihany koa (tsy azon’ny fahefana mpanao lalàna ny mifandray mivantana amin’ny fahefana mpanatanteraka) ny atoandro. Olona eo aminy 14 no voarakitra ao. Tsy nisy adin’ny telo akory taorian’io fanaterana lisitra io anefa dia iny fa nipoitra any ny anaran’i Olivier Mahafaly, minisitry ny Ati-tany miaro ny afera fanodikodiana mbolam-bahoaka ataon’i Claudine Razaimamonjy. Voaporofo daholo izany.


Tsy nahalala niatsara ivelan-tsihy akory nihaona tamin’ireo olona natolotra ireo (« consultation »). Fomba fanao eran-tany izany. Natao amboletra fotsiny. Tsy te-hahalala i Hery Rajaonarimampianina hoe ahoana moa ny teo-pahasalaman’io olona nosafidiny io? Fa io aloha no itokisany fa tsy hivadika amin’ny vadiny. Izay ilay izy. Izany hoe ity Madagasikara ity dia entina vehivavy sendra nanambady minisitra lasa filoham-pirenena dia io ny vokany.

Roa taona mahery izay no lasa. Ny eo ihany no eo saingy ny vahoaka malagasy mia-mahantra ary ry zareo lasa mpanefoefo daholo. Saingy ny fanontaniana goavana dia hoe: dia ahoana avy eo? Tsy hiaro azy mihitsy akory ireo notendrena tsy ampiheverena ireo amin’ny fahatezeram-bahoaka sy ireo volam-bahoaka nangalariny ary mbola hangalarina. Ho ratsy fiafarana foana satria na hifoana (efa be dia be no nanao izany teo alohany) dia ho tsapany izany hoe niditra makarakara tsy maintsy hivoaka amina kilaodaoka.

Dia ahoana ny ho tohiny? Ho tafintohana ho azy eo ireo satria kanosa iray trano ary eo amin’ny fotoana tsy ampoiziny mihitsy no hidaboka sahala aminy tsy teo. Amiko manokana aloha dia avelao aloha hanampatra ny saim-pantany fa hifoha maraina isika indray andro dia haheno hoe: lasa nitsoaka ingahy Hery Rajaonarimampianina. Ho aiza anefa? Ho any Antsofinondry? Tsy ho fantatr’ireo atao hoe «Communauté internationale» akory izy rehefa tonga izany fotoana izany. «Communauté internationale» izay efa kivy aminy tanteraka saingy mbola manana tombontsoa eto Madagasikara ka zarany aloha olona mora vidiam-bola no mitantana. Ary Andriamanitra dia Fitiavana. Ataony hitan’izao tontolo izao ny adalàna natao, atao sy mbola hataon’ireo tsy vanona ireo. 75 andro izay no lasa. 24 andro sisa dia ilay farany maha 100 andro azy an’Andriamanitra. Mihevitra ry Hvm aloha fa mety izao firenena tsy misy mpanohitra izao.


Nanao ahoana ny fiafaran-dry Tsiranana, Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana? Natnjaka anie ireo e! Teo am-pelatànany daholo ny fahefana rehetra e! Fa ny zatra mamadika dia tsy maintsy hisy hamadika. Lalàlan’ny taranak’i Jodasy izany ary tsy hivoana mihitsy. Tsy hiaro azy ireo izany Jeneraly Florens Rakotomahanina izany rehefa ho tratry ny patsa tsy omby vava ry zalahy Hvm isany mpamadika palitao iray trano. Mahay zavatra Andriamanitra ry zareo a! Ary mino aho fa mbola ho velona rehefa hipitika sahala amin’ny tsy teo ireo fanetry ben’ny firenena malagasy ireo. Izany hoe atsy ho atsy… Amin’izao fotana izao aloha tsy omen-tsiny ny vahoaka malagasy. Fa tsarovy: inona ny ataon’ny saka rehefa sotominao foana ny volombavany?... Ny fantatra aloha dia tsy milamina ny tori-mason’ireo olona ireo satria mafy anie izany enjehin’ny eritreritra izany e! Isao anie ny isan’ny mpiambina azy e!

Ny zava-misy zany izao dia tsotra : tsy mahatoky ireo mpitondra ireo intsony ny vahoaka malagasy, n’inoninona teneniny, n’inoninona ataony. Hamoritra? Hameno ny fonja manerana ny Nosy izany, na hamono ny mpiray tanindrazana afahan'ireo tsy valahara hitazona ny sezany? Tairo ary! Dia aza misy gaga isika raha toa ka voafidy ho Filoham-pirenena Lefitra ny iray amin-dry Claudine, Nicole na i Voahangy. Azy ireo ny haja, vonanihatra, vatosoa sy volamena. Fa tsy ho mandrakizay kosa aloha e! Ka dia ho mpanefoefo daholo tokoa ry zareo ao ambony ao: dia ahoana avy eo? Sa misy paosy ny lambamenan-dry zareo ireo? Sa koa tsy mety maty ireo olona ireo satria efa any « ambony » any? Tsy ozona izany fa lalànan’ny fiainana manambara fa ho avy toa ny mpangalatra Rafahafatesana amin’ny ora tsy ampoizina sy amina fomba tsy eritreretina. Dia samia ho ela velona mandra-maty e! Any vao ho tonga saina hoe: ay ve mitovy daholo any amin’ny farany e! Adinon’ireo olo-olo-poana ireo fa zava-poana daholo ny ety ambany masoandro, fa e e e! Sa koa hanangatra? Tsy tahotra tsy henatra fa raha vao voasafidy ingahy Olivier Mahafaly, olona vao avy nanary, dia indro nanao lanonam-be ry zalahy Hvm ka i Claudine Razaimamonjy no niantoka ny rehetra. Inona moa no raharahian’ny fahoriam-bahoaka any?

Jeannot Ramambazafy – 12 Aprily 2016

Mis Ă  jour ( Mardi, 12 Avril 2016 12:39 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO