]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antsakabary. Prezidà Hery sy ny Hvm: dokotera aorian’ny fahafatesana foana

Antsakabary. Prezidà Hery sy ny Hvm: dokotera aorian’ny fahafatesana foana

Sabotsy 04 Marsa 2017. Noho ny haitrano nitranga ny alin’ny 03 martsa 2017 teny 67 ha afovoany andrefana dia tonga nanatanteraka ny voin-kava mahatratra ka nitondra izay voatsirambin’ny tanana, amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana, izay avy amin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny delegasiona notarihin’ny Praiminisitra Lehibe ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Tamin’ny firesahany tamin’ny mpanao gazety mikasika ny hafatra nataon’ny sojabe avy any Sofia no nilazany fa « henoko ny feo avy amin’ny sojabe avy amin’ny faritra Sofia fa tsy hiteny zavatra firy ny tenako fa Ray aman-dreny izy ireo ary Ray aman-dreny koa ny tenako, ary tsy hamaly na dia teny iray aza fa amiko ny sojabe dia Ray aman-dreny natao hananatra, natao hampihavana fa tsy Ray aman-dreny natao hampisara-bazana”.


Ho an’ny resaka Befandriana kosa dia nanambara ny Praiminisitra fa na tsy teto an-tanindrazana aza izy tamin’ireny fotoana ireny dia misy hatrany ny firaisankina eo anivon’ny governemanta. Nifandray tsy tapaka tamin’ny minisitra mpisolo toerana ny tenany ka niarahana avokoa ny ezaka natao mikasika an’ny Befandriana avaratra. (Ttf: raha ny marina izany, tokony izy Olivier Mahafaly no noroahin'ny Prezidà Hery fa tsy ny minisitra Anandra Norbert. Saingy izy Filoha no nanendry ity PM miseho anjely tampoka ity). Efa nisy ny fidinana tany an-toerana nitondrana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana toa ny lay, ny vary sy ny maro hafa izay efa nentina tany Antsohihy.

Niarahana nanapaka koa ny “commission mixte” izay nanao ny fanadihadiana tany an-toerana. Raha araka ny tatitra nomen’ny minisitry ny filaminana anatiny vaovao tamin’ny Praiminisitra dia efa azo ny vokatry ny fanadihadiana natao fa mbola tsy azo avoaka noho ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana. Ampahafantarina miandalana ihany ny vokatra azo. Nanamafy hatrany ny Praiminisitra fa “tsy manavaka faritra aiza na aiza ny fitondram-panjakana. Nisy ny ezaka natao tamin’ny faritra Sofia. Amin’ny maha praiminisitra ahy dia tsy praiminisitra amin’ny toerana iray fa an’ny Madagasikara ka izay toerana misy ny voina dia vonona ny tenako miaraka amin’ny governemanta hitondra ny voatsirambin’ny tànana”.

Nomarihin’ny Praiminisitra koa fa tokony hitandrina ny tsirairay amin’ny feo miely tamin’ny fidinan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany Antsakabary. Ireny feo ireny dia entina hanaratsiana ny fitondrana. Misy ny fanambarana ofisialy hatrany amin’ny dia ataony rehefa misy fidinana.

Nanambara moa ny tenany fa “efa mieritreritra ny hidina any Antsakabary ny Filoham-pirenena amin’ny herinandro ambony hijery ifotony ny zava-misy sy hankahery ireo olona. Hijery izay fotoana mety araka izany ny Filoham-pirenena na ny tenako amin’izany fidinana ifotony izany. Nandray andraikitra ny fitondrana tamin’ny resaka Antsakabary ary nisy ny firaisankina tamin’ny fandrindrana ny asa natao fa tsy natao an-kilabao”, hoy ny Lehibe ny Governemanta Mahafaly Olivier.

Loharanom-baovao:

Sampana serasera

Primatiora

Telo herinandro ato aoriana izany ny Prezidà Hery vao taitra? Ary tsy mahay voambolana afa-tsy ny mitandrina ve ity fitondrana ity e? “Tokony hitandrina ny tsirairay amin’ny feo miely tamin’ny fidinan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany Antsakabary”. Ianareo tsy misy fangaraharahana eo amin’ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana no mahatonga tsao sy honohono fa aza ailika any amin’ny hafa foana ny tsy fahombiazanareo e!

Ary avy ao aminareo ihany ny resaka no miala ary marina foana aorina kely ao. Impiry nivoaka any ivelany moa ny filoha Hery hajaina nefa taiza intsony no nisy izany “fanambarana ofisialy hatrany amin’ny dia ataony” izany? Tsy efa any izy vao fantatra amin’ny alalàn’ny Internet? Rehefa mody indray izy tsy re tsaika fa ny ampitsony vao hoe “tonga omaly eto an-tanindrazana”. Fa maninona ianareo ao ambony ao r’ingahy Praiministra no mihevitra ny vahoaka ho dondrona sy nandra foana e?

Dia ianao tsy mahafehy tena (ETO NY POROFO) sy mpanao kolikoly bevata indray ve (ETO NY POROFON’NY 5 TAPITRISA ARIARY RANGAHY A!) no miseho mananatra sy manome lesona izao, satria notendren’i Prezidà Hery ho Praiministra? SSSssss. Rehefa ianareo izany no tratra ambodiomby dia sahalan’ny tsy misy?

Mahavariana koa ilay resaka “mbola tsy azo avoaka noho ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana”. Raha izany no izy dia maty momoka toa ireo fanadihadiana rehetra izay mahakasika sy mahavaorohitohy mpitandro filaminana izany: kidnapping, baomba tamin’ny 26 Jona, famonoana mpanao gazetin’ny Free News, sns.

Tsara ho fantatra ihany koa ny tarehimarika:


67 ha afovoany andrefana, 03 Marsa 2017: 129 ny traboina, 8 ny trano hazo kila ary 11 kosa ny trano biriky. Tsy misy ny aina nafoy na ny naratra.


Antsakabary sy ny manodidina, tapaky ny volana Febroary 2017: trano 507 nodoran’ny polisy nalefa tany an-toerana, tamin'ireto tanàna ireto: Ambalamanga (trano 80 kila forehitra); Ambohitranivo (trano 22 kila forehitra); Ambodinifesy (trano 75 kila forehitra); Antanimenalava (trano 20 kila forehitra); Antanamba (trano 80 kila forehitra). Ambinanindrano (Trano miisa 230 be izao no lasa lavenona)/

Vehivavy 70 taona jamba maty kilan’ny afo; olona miisa 1435 traboina rava trano sy very fananàna tanteraka ankoatr’ireo naratra.

No comment, hoy ny teny anglisy…

Jeannot Ramambazafy – 05 Marsa 2017

Mis à jour ( Dimanche, 05 Mars 2017 04:10 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety