]
Les quotidiens du 20 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagascar. CRAM: rivo-doza Enawo sy trafikana andremana

Madagascar. CRAM: rivo-doza Enawo sy trafikana andremana

Izahay mpikambana ato amin’ny Birao Nasionalin’ny « Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM) », dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza Enawo teto amintsika, mirary fahasitranana sy fahasalamana haingana ho an’ireo izay naratra, hiverina any an-tokan-tranony avy tsy ho ela ireo tra-boina nohon’ny fiakaran’ny renirano, tsy hanaraotra ny fahasahiran’ny hafa ireo mpivarotra sy mpamongady zatra manafina entana amin’ny vanim-potoana toy izao. Mankahery hatrany ny mpiray tanindrazana izahay ary hoy no voalaza ao amin’ny Soratra Masina manao hoe: “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo. Ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah” (Isaia 55.8).

NY RIVO-DOZA ENAWO SY FAMPIERITRERETANA

Niteraka fahafatesana, faharavana sekoly sasany sy ny fananana ho an’ny mpiray tanindrazana, fiakaran’ny renirano izay nahatondraka faritra samihafa, maro ireo fianakavina mpiray tanàna no lasa traboina tsy fidiny, fahatapahanan’ny lalana any amin’ny Faritra ka singanina manokana amin’izany ny tany mihotsaka ao Mandraka sy ny fiakaranan’ny renirano ao Brickaville izay miteraka ny fiverenan’ny “délestage” indray satria tsy afaka mihazo an’i Mandroseza ireo fiarabe mpitatitra solika sy ny fisian’ny fako manentsina an’Andrekaleka, ireo no azo lazaina fa tena voka-dratsy naterak’iny rivo-doza iny. Mitaky fanarenana mandritra ny taona maro avokoa ireo takaitra ireo ka mila manana “paik’ady mazava sy kitapom-bola nasionaly iombonana” isika hiatrehana ny loza ara-boajanahary isan-taona. Saingy raha tsy nisy iny rivo-doza iny dia tena nandalo fasahirana goavana ny firenentsika tamin’ity taona 2017.

Efa madiva hifarana ny fotoam-pahavaratra. Tsy ampy ny rotsak’orana manerana ny Nosy. Niverina indray mantsy ny main-tany tao anatin’ny tapa-bolana talohan’iny rivo-doza iny ka tena natahorana ny tahirin-drano raha tsy hiteny afa-tsy Tsiazompaniry. Nitondra orana ny rivo-doza Enawo ka velom-bolo ireo tantsaha mpamokatra satria nahazo rano sahaza ny voly vary an-tanety sy ny voly vary vao noketsaina, indrindra fa ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Mety mbola tsy ampy izany satria ny tena fototry ny olana dia “maina ny atin’ny nofon-tany ka mampihena ny rano mivoaka amin’ireo loharano” noho ny fandoroana ny tanety, ny fandripahana ny ala sy ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany tsy ampiheverana manerana an’i Madagasikara.

Mbola nomen’Andriamanitra herintaona indray izany isika hanarenana izany. Mila paik’ady isam-paritra faran’izay mahomby i Madagasikara amin’ny fampandraisana anjara ireo tanora manao fanompoam-pirenena isam-paritra, ny fokonolona eny ifotony amin’ny tetik’asa hiadiana amin’ny fihovahovan’ny toetran’andro, ny fametrahana ny «Caisse nationale de solidarité pour le changement climatique »…. Laharam-pahamehana izany satria tsy mbola ho fantatra indray izay hitranga amin’ny fotoam-pahavaratra manaraka.

Ny rivo-doza Enawo dia tena nahery vaika tokoa ka tsy maintsy niteraka fahatapahin’ny hazo sarobidy any amin’ireo faritra voaaharo ao amin’ny Faritra SAVA. Inona no hitranga?

FEPETRA FARAN’IZAY HENTITRA


Taorian’ny rivo-doza Elita sy Gafilo tamin’ny taona 2004 izay nandrava velaran-tany feno hazo sarobidy tany amin’ny faritra SAVA no nanomboka ny resaka « bois de rose » sy ny fanondranana azy nakany ivelany. Ny volana oktobra 2004 dia namoaka didim-panjakana izay nitondra ny laharana 17939/2004 (*) ny governemanta Jacques Sylla izay manome alalana mpandraharaha vitsivitsy hanondrana « bois de rose ». Tapitra ny 30 marsa 2005 tamin’ny fomba ofisialy izany fahazoan-dalana nanondrana « bois de rose » izany. Taorian’izay no nanomboka ny fanondranana antsokosoko ny « bois de rose » (trafic illicite dans la filière bois de rose) izay mbola nahazo faka hatramin’izao ary nampanan-karena tampoka olona vitsivitsy tamin’izany harem-pirenena izany.


Nitovy hery tamin’ireo rivo-doza ireo ny rivo-doza Enawo ary miteny ho azy ny sary nalefan’ny Ben’ny Tanàna any Antalaha ao amin’ny « facebook ». Tsy maintsy misy hazo sarobidy tapaka any anaty ala na hisy hanao fanahiniana hanapaka hazo sarobidy mihitsy dia « ambara fa tapaka nandritra ny rivo-doza » ka hanararotra izany indray ireo « mpanao bizina ny harem-pirenena » satria tsy azo havela any anaty ala fotsiny amin’izao ireo hazo sarobidy ireo. Mety efa « mifaly sy mitotorebika » indray izy ireo amin’izao fotoana izao.

Tokony hijery akaiky izany tranga izany ny tompon’andraikitra ary handray an-tanana feno miaraka amin’ireo Fiaraha-monim-pirenena sy ny Fikambanana iraisam-pirenena izay hiantsehatra amin’ny fanaraha-maso ny famarotana amin’ny fomba ofisialy ireo hazo sarobidy ireo miampy ireo tahiry mipetra-potsiny efa ho an-taonany maro mba ho entina hanarenana ireo Faritra ravan’ny rivo-doza Enawo, izany dia hatao ao anatin’ny mangarahara tanteraka sy ny fanjakana tan-dalàna. Ekena fa misy ny « sazy » fa saingy mitaky « tompon’andraikitra tena kinga amin’ny fampiraharahana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena » izany. Tsy voatery hiandry sy hangataka fanampiana avy ivelany lava izao isika malagasy raha vonona amin’ny fanovana ny toe-tsaina ny rehetra manoloana ny fahavoazanan’ny firenena toy izao.

Natao teto Alasora androany, faha 09 marsa 2017

JOEL HARISON Marie René

Président Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM)

Secrétaire Exécutif « VOVONANA MAMPIRAY »

Siège: Résidence FENOSOA TSILEONDRIAKA I - Lot: A 109 Androka Alasora 103 ANTANANARIVO MADAGASCAR

Email: Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir.

__________________

(*) Le gouvernement de Jacques Sylla a promulgué un arrêté ministériel (n°17939/2004, du 21 septembre 2004 portant réorganisation des exportations de bois stipule dans son article premier que " sont autorisés à l’exportation, les produits principaux de forêts d’essence de 2e, 3e, 4e et 5e catégories sous forme de bois semi travaillé ou travaillé”. On entend par “bois semi travaillé ” tout bois avivé raboté sur les quatre faces pour les bois de 2e catégorie, dont le palissandre, le bois de rose et le bois d’ébène, d’une part, et tout produit de sciage et de façonnage pour ceux des autres catégories (3e, 4e, 5e), d’autre part. On qualifie “de bois travaillé” tout bois façonné, transformé pour une utilisation définitive ne pouvant plus subir de modification (meubles, objets d’art, portes et fenêtres, parquets modernes), autorisant quelques opérateurs économiques du secteur à collecter, commercialiser et exporter le bois arraché lors des deux cataclysmes.


AMPAMOAKA BOADEROZY: Minisitra, depiote, sinoa no tena atidoha


Hatramin’izay dia nanjavozavo hatrany ny manodidina ity raharahan’andramena ity.

Ankehitriny dia misy lisitra tonga eny am-pelatanan’ny masoivoho vahiny iray eto Madagasikara, ary azon’ny mpanao gazety ihany koa izay mitanisa ny anaran’ireo mpanondrana an-tsokosoko ny andramena eto Madagasikara.

Vola be

Efa manodidina ny 1.960.200.000.000 Ar (690 tapitrisa dolara) hatramin’izay (mety mbola ambony noho izany aza) ny vola azo avy amin’ity trafika goavambe ity, araka ny tatitra ao anatin’ilay antontan-taratasy. Azo nanamboarana lalana vita tara 1 960 km manerana an’i Madagasikara io vola be io, mbola nisy fameriny betsaka raha nikarakarana ny fifidianana filoha sy solombavambahoaka ary ben’ny tanàna, ary nahafahana nampiditra an-tsekoly mpianatra fanabeazana fototra zaza malagasy 2 741 538 hianatra maimaimpoana sady mahazo sakafo 3 000 Ar isan’andro mandritra ny 9 volana. Ary raha raisina hoe 17 tapitrisa ny Malagasy, tena sahirana fadiranovana ny 92%-n’ireo, izany hoe olona miisa 15 640 000, dia mbola mahazo 125 332 Ar isanisany ireo olona ireo raha zaraina aminy io volabe nihodina tamin’ny aferana boaderozy io. Olom-bitsy ihany anefa no mahazo tombontsoa sy miha manankarena isan’andro amin’ny fitrandrahana tsy am-piheverana ity harem-pirenena ity.

Depiote sy minisitra

Anaran’olona miisa 20 mahery no voatonona ao amin’ity antontan-taratasy ity. Solombavambahoaka am-perinasa ny iray izay voatondro fa manana boaderozy 81 kaontenera ary efa nahazo vola hatrany amin’ny 16,2 tapitrisa dolara ; eo ihany koa solombavambahoaka teo aloha izay voalaza fa nanondrana boaderozy hatrany amin’ny 151 kaontenera ka nahazo vola be manodidina ny 30,4 tapitrisa dolara. Misy minisitra iray sy teratany sinoa iray izay tena mpandraharaha lehibe eto Madagasikara voatondro fa efa nahavita nanondrana boaderozy hatramin’ny 300 kaontenera koa voaresaka ao anatin’ity antontan-taratasy ity. Etsy an-kilan’izay dia saika mpandraharaha sy mpitantana trano fandraisam-bahiny any Vohemar sy Sambava ary Antalaha avokoa no tena voatonontonona.

Miray petsapetsa

Tsara homarihina ihany koa fa misy amin’ireo anarana nomen’ny praiminisitra teo aloha Omer Beriziky no tafiditra ao anatin’ity antontan-taratasy ity. Ny tale jeneralin’ny Bianco nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny hotely Ibis dia efa nanambara fa sarotra ny manao io fanadihadiana andramena io satria mila famatsiam-bola hanaovana ny fivezevezena. Rehefa ampidirina eny anivon’ny fitsarana anefa ny antontan-taratasy, hoy izy dia tsy misy tohiny intsony. Azo antoka anefa fa ny tsy fahafehezan’ny fanjakana malagasy ity resaka risorison’andramena ity dia tsy hanomezan’ny vahiny fitokisana antsika Malagasy mihitsy. Tamin’ny fanombohan’ny krizy ny volana febroary 2009 no nanomboka tena niroborobo ny trafikana boaderozy na andramena tany amin’iny tapany avaratra atsinanan’ny nosy iny. Efa fantatra ihany ireo manao azy sy ny toerana hanondranana ny hazo sarobidy, saingy toa mikatso foana ny fanadihadiana sy ny fitsarana. Io no mahatonga ny olona hilaza fa misy ny manampahefana tafiditra ao anatin’ity afera ity ka izy ireo mihitsy no manao ny fomba rehetra tsy hivoahan’ny marina momba ny boaderozy ary mety resaka fotsiny ny fianianana nataoan’ny filoha Rajaonarimampianina hiady amin’ny fandripahana ny harem-pirenena tamin’ny 25 janoary 2014 fa tsy hisy asa mivaingana mihitsy.

Andry Ratovo – Gazety « Tia Tanindrazana »

Mis Ă  jour ( Lundi, 13 Mars 2017 04:20 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety