]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Nosy Malagasy. Taratasy misokatra ho an’ny Filoha Rajaonarimampianina

Nosy Malagasy. Taratasy misokatra ho an’ny Filoha Rajaonarimampianina

Antananarivo, faha 14 aogositra 2017

Ho an’Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA

Filoham-pirenena Malagasy

Lapam-panjakana Iavoloha

ANTONY: FITAKIANA IREO NOSY MALAGASY SY NY FANOMEZAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA FRANTSAY TAMBINY HO AN’NY FIANAKAVIAN’IREO MPANJONO MALAGASY NIHARAM-BOINA

Andriamatoa Filoham-pirenena,

Afaka iray volana katroka ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana any New York ka raisinay voninahitra no mandefa ity taratasy ity aminao nohon’ny antony voalaza etsy ambony.

Araka ny efa fantatrao dia nisy ny « Symposium national pour la restitution des Iles Malagasy » (Iles Eparses) tamin’ny 23 jolay 2016 tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra izay nandraisan’ny solontenan’ny olom-boafidy, ny Antoko politika sy ny fiaraha-monim-pirenena, ny mpitondra fivahanana, ireo Ray aman-dreny ara-drazana, ny avara-pianarana, ny tanora, ny vehivavy avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara.

Raha fintinina ny fehin-kevitra tapaky ny mpizaika izay tsy nisy nitsipaka dia ny famerenan’ny fitondram-panjakana frantsay tsy misy hatak’andro ireo nosy malagasy (Iles Glorieuses, Juan de Nova, Europa et Bassas da India), tsy ekena ny fiaraha-mitantana (cogestion) ireo nosy malagasy ireo, ny fanomezan’ny fitondram-panjakana frantsay tambiny ho an’ny fianakavian’ireo mpanjono malagasy nodimandry tany an-dranomasina nohon’ny fehitsiky ny tafika an-dranomasina frantsay tamin’ny 29 mas 2014 sy ny toe-draharaha hafa taty aoriana.

Miangavy anao izahay, Andriamatoa Filoham-pirenena, hitondra izany hetahetam-bahoaka izany manoloana ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana amin’ny volana septambra 2017 mandritra ny fandraisanao fitenenana mba ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena Malagasy.

Maneho fisaorana anao mialoha izahay amin’ny fiaraha-miasa.

Marihina fa vonona handray anjara feno amin’ny fivoriana momban’ny famerenana ireo nosy malagasy izay hataon’ny firenena roa tonta ny ANM ary maneho fisaorana sy mankahery an-dRamatoa Dr RANDRIANARISOA Ylénia Léonide – Sekreteram-panjakana miandraikitra ny ranomasina izay nijery ifotony ireo mpanjono nentim-paharazana, manao ny ezaka rehetra amin’ny famerenana ireo nosy malagasy miaraka amin’ireo « Fikambanana mitaky ireo nosy malagasy » amin’ny alalan’ny adi-hevitra eo amin’ny firenena roa tonta ao anatin’ilay vaomiera « iles éparses » eo anivon’io Sekretariam-panjakana io. Miray feo sy miara-mientana ny vahoaka malagasy amin’ny fialana amin’ny fanjanahan-tany ara-politika satria nalan’ny fitondram-panjakana frantsay tamintsika an-kolaka sady tsy mifanaraka amin’ny Lalàna iraisam-pirenena sy ny Fehin-kevitry ny Firenena Mikambana 1514 (XV) tamin’ny 14 desambra 1960 momban’ny fanomezana ny fahaleovantenan’ny tany voazanaka ireo nosy malagasy ireo tamin’ny alalan’ny fampiharany samy irery ny didim-panjakana n°60-555 du 01 aprily 1960, izany hoe 80 andro talohan’ny fanambarana ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny 26 jona 1960.

Raiso, Andriamatoa Filoham-pirenena, ny haja ambony indrindra atolotray anao.

Arlette RAMAROSON

Filohan’ny ANM

Mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha

Nandefasana kopia mitovy:

Ramatoa Sekreteram-panjakana miandraikitra ny ranomasina

Mis à jour ( Lundi, 14 Août 2017 10:58 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety