Fetison Andrianirina. Fifidianana 2018: «Mandehana mijery ny anaranao eny amin’ny fokontany»

Jeudi, 02 Novembre 2017 03:22 Communauté Malagasy
Imprimer

OMEO HASINA NY MALAGASY

Hifarana sahady ny taona 2017. Toa tsy mety ny hangina eo anoloan’ny zava-misy iainan’ny vahoaka hatramin’izao.

Endrika isehoan’ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny vahoaka, ny fandeferany, ny filofosany miasa, ny faharetany… Tsy nataony hamono ilay afom-pitiavan-tanindrazana ao aminy ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahasalamana, fa vao mainka najoalajoalany amin’ny fanandratana avo ny hasin’ny tanindrazana ka nioitra hatrany izy ary tsy nilavo lefona ireo vahoaka tamin’izay zava-nitranga rehetra.

Mitodika aminao Mpitondra kosa ankehitriny : mba nomenao hasina ve ny vahoaka nifidy anao? Fotoana mantsy izao hamaritana ny dingana vitan'izao fitondrana izao sy handrefesana ny mbola tsy vita tamin'ireo fampanantenana natao teny ampiandohana.

Ekena tokoa fa ny omby miara-mandry tsy hiara-mifoha, ny tany raofina tsy ho mby an-tsobika avokoa, ny Ray aman-dReny dia nitera-batana ihany fa tsy nitera-panahy, ary ny saonjo iray lohasaha rahateo tsy ilaozan'izay mamarara, koa iaraha-mahita fa misy amin'ireo Mpitondra antsika ny malahelo hava-manana, tia kely, saribakolin'ny fitiavan-tena sy ny fiarovan-tombotsoan-tsamirery, fianakaviana, fikambanana ary firenena mihitsy aza.

Moa hiraviravy tànana na sanatria hihemotra ny amin'izany ve isika ?

Tsia !

Andeha hiara-handray ny andraikitra isika ka hiara-hanomana ny fifidianana ho amin'ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika amin'ny taona 2018, satria ny Lalàna Fototra mifehy antsika dia mametra ny fe-potoana iasan'izao fitondrana misy ankehitriny izao ho dimy taona, azo havaozina indray mandeha, raha toa ka sitraky ny vahoaka Malagasy.

Ampy izay taona maro nifandimby tsy nanomezana hasina ny vahoaka Malagasy izay ka hanajana ny safidiny sy hanomezana azy ny zavatra hevereny fa hanatsarana ny fiainany ary hiarovana azy amin'ny ainy sy amin'izay mety ho fahavalo mandroba ireo fananana nilofosany.

Ndeha ho resena ny hakanosana ka hijoro am-pahasahiana na inona na inona tsy fahombiazana miteraka famoizam-po.

Mendrika ho an’ny vahoaka ny hanana ho avy sahaza azy, koa andeha isika rehetra hifanindran-dàlana ny amin'izany.

Ireto misy dingana tsy maintsy izorana :

a) Mandehana mijery ny anaranao eny amin’ny fokontany misy anao raha toa ka tafiditra ao anaty lisi-pifidianana ianao, mialohan’ny faran’ny taona,

b) Aza avela ho ny hafa no hamaritra ny ho avinareo, koa rehefa ho tonga ny fifidianana dia handray anjara ianareo satria fahefana eo am-pelantananareo izany,

d) Takio ny fampiharana ny fampihavanam-pirenena mialohan’ny fifidianana, hisian’ny fitoniana sy handehanan’ny fifidianana araka izay tokony ho izy : madio, handraisan’izay afaka manao izany anjara, mangarahara, marina ary tsy mitanila,

e) Aza manaiky atao fitaovana hanovàna ny Lalàna Fototra ho amin’ny tombon-tsoa manokana, fa hanao izany amin’ny fotoana maha-mety azy ka hahatonga antsika Malagasy hitsangan-ko tena firenena marina,

f) Mahaiza mandà ny fanalavàna tsy amin’ny antony ny fe-potoana iasan’izao fitondrana izao ka hitaky ny hisian’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018, ho fanajana ny Lalàna Fototra,

g) Mahaiza misafidy izay hanomezanao ny fahefana hitondra izao firenena izao sy miaro izany safidy izany.

Matoky anareo izahay amin’izao antsom-panantenana sy fitokisana alefa aminareo izao, satria ny fahendrena sy ny fihavanana malagasy dia làlana sy antoka mitondra antsika mankany amin’ny demokrasia ; tsy nindrana na manao tompony mangataka ny atiny isika amin’izany fa zaza nateraky ny Ray sy Reny Malagasy ka mendrika ny hiriaria sy hivelona ary handova ny tanindrazany !

Ho ela velona anie ny vahoaka malagasy !

Antananarivo, faha 01 Novambra 2017

Amin’ny anaran’ny Antoko RDS

Rakoto Andrianirina Fetison

Filoha Nasionaly

Mis à jour ( Jeudi, 02 Novembre 2017 04:31 )