Antananarivo. CJD sy ny Raharahampirenena. Adihevitra arahin-tsakafo

Vendredi, 17 Novembre 2017 01:34 Communauté Malagasy
Imprimer

Ny Filoha SOLO NORBERT ANDRIAMORASATA eo faran'ankavia eo amin'ny sary


VONDRON’NY MPANAO GAZETY ZOKIOLONA

FANASANA

Voninahitra ho an’ny Vondron’ny Mpanao Gazety Zokiolona na Club des Journalistes Doyens izay tarihin’ny Filoha SOLO NORBERT ANDRIAMORASATA ny manasa antsika rehetra hanatrika ny Adihevitra arahin-tsakafo ao amin’ny INPF Mahamasina ny atoandron’ny Sabotsy 25 Novambra 2017.

Hifantohan’ny Adihevitra ny Raharahampirenena amin’ny alalan’ny fifanakalozankevitra hiainga amin’ireto fanontaniana ireto :

- Inona no andrasan’ny Vahoaka amin’ny Mpitondra Fanjakana ?

- Inona no andrasan’ny Mpitondra Fanjakana  amin’ny Vahoaka ?

Hanafana ny fotoana ombieny ombieny ny Tarika TAFASIRY KOLO KANTO izay vao nanamarika ny fahadimy taonany.

Koa tongava maro fa miandry antsika ny Firenena.


SOLO NORBERT ANDRIAMORASATA

FILOHAN'NY VONDRON’NY MPANAO GAZETY ZOKIOLONA

ANTANANARIVO faha - 14 Novambra 2017

Mis à jour ( Vendredi, 17 Novembre 2017 01:48 )