Madagasikara FSAM: Mazava ny tetika sy tanjon’i Jimmy Rakotofiringa

Samedi, 18 Novembre 2017 08:26 Communauté Malagasy
Imprimer

ETO NY VIDÉO MAHAZENDANA

Sandy, Solo, Yachine sy Teddy ary ny mpisolovavany (farany an-kavia eo amin'ny sary). Tsy fantatra intsony hoe voapanga nanao inona kanefa dia «audit»n'ny kaontin'ny FSAM tarihin'ingahy Jimmy Rakotofiringa no nangatahin-dry zareo ireo. «Audit» izay tsy misy tohiny mihitsy hatramin'ny androany fa modiana tsy resahina mihitsy. Volan'ny FIA («Fédération Internationale de l'Automobile » ) amina arivo euros anie no tsy fantatra ny nampiasana azy e!

Ny zoma 15 Novambra 2017 dia nisy ny atao hoe «Tribunal d’appel sportif» na TAS (Jereo «La Gazette de la Grande île» tamin’io 15 Novambra io ihany, fa amin’ny teny frantsay). Izany hoe tribonaly mba ahafahan’ireo mpikambana ao amin’ny Federasiona Malagasy momban’ny Spaoro Aotomobilina (FSAM) miaro tena raha toa ka misy tranga ampangaina azy.

Io tribonaly io dia azon’ny be sy ny maro natrehina ary natao tao amin’ny foiben’ny FSAM ao Analakely. Fa tsy nisy fampilazana velively avy amin’ingahy Jimmy Rakotofiringa sy ny ekipany na ho an’ny olon-tsotra na ho an’ny mpikambana ary indrindra indrindra na ho an’ny mpanao gazety mpanome sy mpampita vaovao.

Ny marina dia vao natsangana tamin’ny 21 Oktobra 2017 io TAS io no ny «hamehana» («urgence»). Izany hoe noravan’ingahy Jimmy ilay tribonaly natsangana tamin’ny 25 Jolay 2015 izay tokony hiasa hatramin’ny faran’ity taona 2017 ity. Efa tsy ara-dalàna izany fa izany angaha ny hoe manam-pahefana eto Madagasikara: manao izay tiany atao…


Io ilay mpisolovava tena mahay mianjaika sady mahay miteny frantsay be... Tsy tazana ny tarehiny araky ny faniriany...

Tokony hisy mpitsara telo io TAS io: ny filoha sy mpanampy maharitra roa («titulaires») na farafaratsiny mpanampy mpisolo toerana tsy maharitra roa («suppléants»). Ilay filoha ihany nefa no tonga tamin’io 15 novambra 2017 io, nifanatrika tamin-dry Sandy, Solo, Yachine sy Teddy -ireo «voampanga» hiaro tena- ary ny mpisolovavany. Nangataka tsy ho alaina sary ingahy filohan’ny TAS satria tonga tao ny ekipan’ny madagate.org naka sary, feo ary vidéo. Ny mpisolovavan’ny FSAM koa tonga tao, ary niangavy ihany koa tsy alaina sary ilay rangahy tena mihaja fiakanjo be («élégant»). Nohajaina izany «fangatahana» izany, na dia tsy tany amin’ny tribonaly ao Anosy akory no niseho io TAS io ary azon’ny be sy ny maro natrehina.


Tsy nisy nanakana ahy kosa hijery sary ao amin’ny facebook. Ka dia i Lanto Andrianantenaina Rajaonarison avy ao amin’ny SRK (Serana Racing Kart) kay io filoha toa tsy mahalala mihitsy ny tena anton’ity TAS ity, fa dia niala tsiny ny tsy fahatongavan’ireo mpanampy roa no nataony avy hatrany. Inona moa fa nivadika toa seho an-tsehatra mampihomehy («théâtre comique») mihitsy ilay raharaha! Nefa anie hoe «hamehana» e! Ireo efatra «nampangaina» aza, 15 andro mialoha dia nanaterana fiantsoana vao maraim-be tany an-tranon’ny tsirairay amin’izy ireo. Nilaza ary ingahy Lanto fa tsy afaka manapaka n’inona n’inona irery izy. Kanefa dia afaka manapaka irery ihany fa hahemotra ho amin’ny 18 Desambra 2017 io TAS io. Izay, hono, ny anton’ilay TAS tamin’io andro io: hampilaza izany fanemorana izany. Ka aiza ho aiza amin’izany aloha ny fanajana zon’olombelona («respect des droits de l’homme») sy ny zo ananan’ny tsirairay miaro tena («droit à la défense»)? Satria na dia bonaika be aza ny fijery an’ingahy Lanto ivelany dia tsy norarahiny mihitsy ny fangatahan’izy efatra mianadahy ny fanalana vonjy maika («suspension provisoire») ilay fampilazana fanesorana ny fahazoany mandray anjara amin’ny fifaninanana («Notification de retrait à titre préventif de licence») tamin’ny 18 May 2017. Tsy afaka manapaka izany irery, hono, ingahy Lanto.

Niangaviana ary izy hiantso tamina telefaonina na ireo «titulaires» na ireo «suppléants» mba ho avy na amin’ny firy na amin’ny firy, fa tsy nety izy. Dia nijanona tamin’ny hoe: aminy 18 Desambra 2017 indray ity TAS ity. F’inona marina ny tena antony? Mazava ny an’ingahy Jimmy. Tena ataony taona fotsy («année blanche») ity taona ity ho an’izy efatra mianadahy. Satria tokoa mbola misy fifaninanana roa ny mamarana ny taom-pilalaovana 2017 («saison 2017») izay tafiditra ao amin’ny fifaninanana ho tompon-dakan’i Madagasikara. Dia ny «Run» karakarain’ny AMA, ny 2 sy 3 Desambra ary ny «Slalom» karakarain’ny ACCT, ny 9 sy 10 Desambra 2017.

Inona marina anefa ny mahatonga izao sarimihetsika ataon’ingahy Jimmy Rakotofiringa izao? Tsotra ho an’ny rehetra fa sarotra ho azy izay fatra tsy manara-dalàna: nangataka ny fanamarinana («audit») ny kaontim-bolan’ny FSAM izay misy telo be izao ry Sandy, Solo, Yachine sy Teddy. Fanasaziana ny setrin’izany kanefa mandrak’ity ny androany mbola tsy mety vita foana izany «audit» izany. Nisy ny « Cabinet d’audit Apex » nanao izany. Kanefa dia nilaza fa tsy afaka manohy satria tsy misy mihitsy tarehimarika manaporofo ara-drariny fa madio ireo kaonty ireo («impossibilité de mettre en œuvre les procédures nécessaires pour obtenir l’assurance raisonnable qu’il n’existe pas d’inexactitudes ou d’anomalies importantes»), ary dia nasain’ny tribonaly ao Anosy, najanona. Zavatra hafa no nandraisan’ingahy Jimmy izany fa avelao ho any izany fa azy ny azy…

Ny tsikaritra aloha dia vola euros amin’ny arivony, avy any amin’ny FIA («Fédération internationale de l’automobile») izay manampy be dia be ara-bola sy fitaovana ary fiofanana ny FSAM, no tsy fantatra izay nalehany. Ary tsy afaka manome fanazavana tena mazava ingahy Jimmy fa tonga dia sazy ihany, sazy hatrany. Izao indray dia mandany fotoana nefa ny atao rehetra tsy misy mitombona fa vao mainka aza manaratsy ny fomba fitantanany. Jereo fotsiny ny tranga tetsy Mahamasina tafiditra tamin’ny RIM faha-38 («Rallye international de Madagascar» izay tsy nisy vahiny na ny iray aza): mbola tsy nisy mihitsy izany hoe valina «rallye» ka tsy mivoaka eo no eo, fa mbola miatrika… tribonaly dia ny TAS ihany. Ka hatramin’ny oviana ingahy Jimmy le Chinois no hiodinkodina eo satria ny fotoana anie tsy mamafa velively ny heloka vita e! Sao dia tsy ho zaka atsy ho atsy izany enta-mavesatra izany leiroa a! Marina moa.

Jeannot Ramambazafy – Nivoaka tao amin’ny gazety «La Gazette de la Grande île», Sabotsy 18 Novambra 2017

Mis à jour ( Samedi, 18 Novembre 2017 10:09 )