]
Les quotidiens du 16 Jan 2018
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. Fiandrianam-pirenena tokoa ve ny misambotra tanora maneho hevitra e?

Madagasikara. Fiandrianam-pirenena tokoa ve ny misambotra tanora maneho hevitra e?

Dia mitohy izany ny antsonjay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ireo tsy mitovy hevitra aminy indrindra amin’ireo mpitsikera ny fitantanàna mampijaly vahoaka misy amin’izao fotoana izao. Tsy manana zo haneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena ny vahoaka malagasy fa voatampim-bava tanteraka.

Ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay efa nilaza fa zon’ny olom-pirenena no maneho hevitra. Izy ireo izay nanindry mafy fa tokony nasiam-panitsiana manaja ny fahalalahana ny lalàna mifehy ny serasera mba hifanaraka amin’ny fanajana ny zon’ny olom-pirenena. Tsy ny famahàna ny olan’ny fidangan’ny vidim-piainana anefa fa indrindra ny fiakaran’ny vidim-bary izay tsy zakan’ny vahoaka intsony no himasoan’ny fitondràna, ny tsy fandriam-pahalemana etsy an-kilany toa zary an-kilabao.

Tsy ny famahàna izany olana rehetra izany no imatimatesana ankehitriny fa ny fanenjehana an’ireo mpitsikera, indrindra ireo mpitsikera amin’ny tambazotran-tserasera «facebook». Efa zary miteraka laza ratsy ho an’i Madagasikara manerana an’izao tontolo izao tao anatin’ity fitondràna ity io fanenjehana ny mpitsikera io. Vao tamin’ny 10 jolay teo ny fikambanana « Amnesty international » no vaky vava fa mila mandray fepetra ny fitondràna malagasy amin’ny fampanajàna ny zon’olombelona sy ny fanajàna ny fahalalahana maneho hevitra. Vao tsy ela ihany koa fa tsy nisy iray volana izay, ny Parlemantan’ny Vondrona europeana indray no nitaky ary mitaky ny ampitsaharana ny fanenjehana ny mpanohitra sy ny mpitsikera ary ny mpanao gazety.

Nitaky ihany koa ny fampanajàna ny zo sy fahalalahan’ny tsirairay sy ny daholobe ary ny fahalalahana maneho hevitra ry zareo. Nangatahan’ireo Parlemantera europeana mihitsy aza ny hanafoanana tanteraka an’ireo andinin-dalàna manakantsakana ny fahalalahana maneho hevitra ao amin’ny lalàna mifehy ny serasera eto amintsika. Ankoatra izay rehetra izay, vao tamin’ny 24 novambra teo ihany koa ny Vondrona afrikana no namporisika amin’ny fifanantonana ahafahana manafoana an’ireo disadisa politika marobe eto Madagasikara ka hahatongavana amin’ny fitoniana.

Ary ny Firenena mikambana mihitsy aza no efa niloa-bava ihany koa tamin’ny faha 3 aogositra tamin’ity taona ity tamin’ny alalan’ny mpanara-maso momba ny zon’olomba ao aminy ary nanamafy ny tokony handraisan’ny fitondràna ny fepetra rehetra hahafahan’ny vahoaka matoky ny fanjakàna ary nitaky ny hisian’ny fahalalahana maneho hevitra. Fanampin’izay rehetra izay, raha ny teto Madagasikara no resahina, dia tsy nitsahatra ny namporisika ny hisian’ny Fihavanana ireo raiamandrenim-piangonana avy ao amin’ny FFKM sy avy ao amin’ny Fiangonana katolika teto amintsika.

Setrin’izay rehetra izay anefa ny fitondram-panjakàna etsy an-kilany toa tsy mandraharaha izany rehetra izany fa vao mainka manenjika an’ireo tsy mitovy hevitra aminy sy ireo misolo tena ny vahoaka milaza ny marary azy. Manenjika an’ireo mpitsikera ny fitantanana tsy mahomby. Anisan’ny tsy afa-bela amin’ny antsonjay mafy ataon’ny mpitondra ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy. Ankoatra ny fanenjehana ireo Ben’ny tanàna sy Parlemantera niara-dia tamin’ny Filoha Rajoelina, dia henjehina ihany koa ireo tompon’andraikitra ao amin’ny vondrona politikany. Tamin’ny volana desambra 2016 izao no nisamborana an’Andriamatoa Augustin Andriamananoro teny am-pandevenana, tsy nisy taratasy momba izany nefa tonga dia nampidirina am-ponja. Izao volana desambra 2017 izao indray dia mpiandraikitra hafa, mpiara-miasa amin’Andriamatoa Andry Rajoelina no nosamborina, mpiandraikitra momban’ny serasera amin’ny tambazotra «facebook» io.

Noho ny fahatahorana vahoaka manoloana ny tsy fahombiazany dia ny manenjika ny hafa, indrindra ireo izay hatahorany no ataon’ny fitondràna satria maneho sy mampita ny hevi-bahoaka izy ireny. Ny sampana mandray an-tanàna ny «cybercriminalité» ao amin’ny polisy misahana ny heloka bevava no atao fitaovana anenjehana an’ireo mpisikera ireo. Etsy an-kilany ny jiolahy mpamaky trano sy ny mpamono olona, ny mpangalatra omby, ny mpanondrana ny harem-pirenena any ivelany, ny mpanao kolikoly avo lenta ary ireo jiolahy sy jiovavy sy ireo dahalo ambony latabatra dia afaka miriaria sy manao ny asa ratsiny am-pilaminana.

Tsy mahagaga raha mirongatra izaitsizy ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika satria ampiasain’ny mpanome baiko amina raharaha tsy manjary ny mpitandro ny filaminana tokony ho naman’ny vahoaka. Mahakasika an’Andrianjanaka Andrianiaina Frédéric -fantatra koa amin’ny anarana hoe Stefano- manokana izay nosamborina omaly, fantatra izao fa hametrahana fanontaniana marobe momba ireo mpiara-mpiasa amin’ny Filoha Andry Rajoelina izy.

Azo antoka manoloana izao rehetra izao ary asa raha mba tsapan’ny fitondràna ihany fa tsy mahafaly ny vahoaka izao fihetsiny manao zinona ny fahoriana sy ny fahantra izao. Raha toa mantsy ka miaina anatin’ny filaminana sy fiadanana ny vahoaka, ary manao fitantanana dia mangina ho azy ny mpitsikera atahoran’ny fitondram-panjakàna ireo.

Re fa rahampitso sabotsy 9 Desambra 2017 no hiatrika tribonaly i Stefano. Asa hampidina ny vidim-bary sy hampiaina ny asan-jiolahy ny famonjana azy ankatoky ny fetin’ny Krisimasy sy taom-baovao? Ary tafiditra tantaraka ao anatin’ny atao hoe fiandrianam-pirenena («souveraineté nationale») koa ve ny fisamborana izay milaza ny marina ka akaikin’ny «mpanohitra»? Ka ho omby ve ny fonja eto Madagasikara raha mitohy? Tsia raha terena i Stefano hanambara fa mikasa hanogam-panjakana Andriamatoa Andry Rajoelina. Tsy izay ve ny tanjona e? Misy filaza izany fomba izany: «extorsion d’aveux sous la contrainte». Ho hita eo ihany ny ho tohiny.

Jeannot Ramambazafy

Antananarivo, 8 Desambra 2017

Mis Ă  jour ( Vendredi, 08 DĂ©cembre 2017 17:57 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Eric Randrasana. Dans quelle galère s’est-il fourré pour oser renier ses convictions?

 

Ratsivalaka Rahantasoa Liliane. Nandao ity tany fandalovana ity ny 8 Janoary 2018

 

France Gall est décédée ce 7 janvier 2018, elle avait 70 ans

 

Madagascar ZES. Le FMI émet officiellement des doutes sur la loi votée

 

Hery Rajaonarimampianina. Fiarahabana: Inona indray no lainga holazaina amin’ny vahoaka?

 

Madagascar. Bianco/Unesco: tous contre la corruption

 

Malagasy Kidnapping. Porte ouverte aux kidnappeurs Ă  la sauvette

 

Madagascar. Inaptocratie ou faits accomplis du régime Hvm, qu’il a vraiment accompli

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter