Marc Ravalomanana. Tsy hadinon’ny vahoaka ny halatra nataony

Mercredi, 29 Août 2018 16:21 Communauté Malagasy
Imprimer

Raha vao miresaka an’ingahy Ravalomanana Marc amin’ny raharaham-pirenena dia tadidin’ny olona avy hatrany ny raharahan’ny 2001 izay nanaovany amboletra amin’ny hoe «1er tour de vita». Tsy izy irery ihany no tonga ao an-tsaina fa tao koa ingahy Norbert Lala Ratsirahonana izay namany akaiky nanao iny fanonganam-panjakana ankolaka iny ka notarihany ny kristianina hanongam-panjakana. Mbola tsaroana ihany koa ny fampiasany ny tenin’ny Baiboly hoe «minoa fotsiny ihany», izay nentiny namitahana ny vahoaka. Isan’ny ny tonga ato an-tsaina koa ny filazany tamin’izany fotoana izany hoe «atao manan-karena daholo ny Malagasy tsirairay, ka hanana fiarakodia 4L isan-tokan-trano».

Ireo voatanisa ireo no santionany amin’ny kobaka am-bava nataon’ingahy Ravalomanana Marc raha nilatsaka ho filoham-pirenena izy tamin’izany fotoana izany ka namitahany ny Malagasy.

Roboka tanteraka ny kristianina teo anatrehan’ny fahaizany misintona olona amin’ny alalan’ny kabary sy ny fihetsiketsehana isan-karazany ka nomba azy 100% ny Ffkm na ny fiombonamben’ny fiangonana kristianina Malagasy, fa indrindra ny Fjkm na ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Ny olona koa tamin’izany fotoana izany dia te-hiova amin’ny fitantanana ny firenena ny malagasy. Ingahy Ravalomanana Marc sy ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara) koa nahazo volabe avy tamin’ny Amerikanina ka nodakana fotsiny ny «T-shirt» sy ny lambahoany ary kasikety tamin’izany fotoana izany izay natao nitovy isa amin’ny Malagasy no natonta. Nampiteny ny moana tanteraka ny fizaram-bola tany amin’ny fiangonana sy ny fikambanana maro samy hafa ka nahatonga ny Malagasy nihevitra azy ho ny Mesia hitondra any amin’ny fiadanana. Tonga teto sy nireharehany mihitsy tamin’izay fotoana izay ny Amerikanina sy ry zareo tatsy Afrika Atsimo ary ny Rainiboto (Allemand) izay nikarakara ny fifidianany.

Tsy ampy dimy taona akory taorian’izany nefa dia tsapan’ny Malagasy fa kobaka am-bava sy lainga avokoa no nataon’ingahy Ravalomanana Marc tamin’ireny fotoana ireny, ary amboadia miakanjo hodi-janakondry izy. Notsipahany am-bavafo ny pastera Razafimahefa Edmond izay filohan’ny FJKM sy ny FFKM tamin’izany fotoana izany. Na isan’ny namany akaiky aza ity olona ity, dia naongany tamin’ny toerany ny taona 2004 ka nosoloiny an’i Lala Rasendrahasina. Ity Pastera ity no niray petsapetsa ratsy tamin’ingahy Ravalomanana Marc tamin’ny fanaovana fitaovana pôlitika ny fiangonana FJKM. Nataony fitaovana pôlitika ireo pastera rehetra manerana an’i Madagasikara ka lasa mpanompony avokoa sy mpikambana teo anivon’ny antoko TIM. Potika tanteraka tamin’izany ny hasin’ny fivavahana kristianina. Maro no tonga saina taty aoriana ka nisintaka moramora tamin’ingahy Ravalomanana Marc ny FFKM.

Tsy ireo ihany no nampiavaka an’ingahy Ravalomanana Marc tamin’izy nitondra fa ny fanaovany ampihi-mamba ny fandraharahana teto Madagasikara. Ny orinasany TIKO sy Magro no nifehy ny varotra rehetra hatrany amin’ny faran’izay kely indrindra toa ny arina sy ny sakay ary ny kitay menaka izay naondrany tany ivelany. Potika tanteraka ny orinasa Malagasy rehetra. Nataony ampihi-mamba tanteraka ny resaka fivarotana vary na ny naondrana na ny avy any ivelany. Nofoanany ny «raffinerie» ny solika tao Toamasina ka nampiakatra ny vidin’izany.

Tsy hadinon’ny Malagasy koa ny fanodinkodinana sy ny fangalaran’ingahy Marc Ravalomanana Marc ny vola tao amin’ireo banky foibe maro teto Madagasikara. Ny tao Manakara, Sambava ary Mahajanga. Mbola porofo ny fanodinkodinana ny vola tao amin’ny Banky foibe ao Antaninarenina ny nanamboarana ny làlana mivantana avy ao Ambohitsorohitra sy ity toerana ity. Niteraka resabe teto amin’ny firenena ireny tamin’ny fotoan’androny ka tsara ho tsiahivina amin’izao fotoana izao.

Nataon’ingahy Ravalomanana toa ny fananany manokana i Madagasikara tamin’izany fotoana izany ka hatramin’ny Jirama avy no nampiasany ka nahatonga ny ity orinasam-panjakana ity banky rompitra satria tsy nandoa jiro nandritra ny 10 taona mahery ny Magro, ny Tiko ary ny orinasa ao Andranomanelatra. Tsy nety nandoa hetram-panjakana koa ireo orinasa ireo ka izany no antony nanakatonana ny orinasa rehetra notantanin’i Marc Ravalomanana satria nangalatra sy nanararao-pahefana. Niafarany dia namidiny tamin’ny orinasa Daewoo Corporation izay orinasa Koreanina. Nanomboka teo koa ny fanondranana ny andramena an-tsokosoko.

Fanjakana tsy refesi-mandidy no nisy teto Madagasikara ny taona 2001-2009. Olona 2000 mahery no nogadrain’ingahy Ravalomanana Marc tamin’ireo mpomba an-dRatsiraka Didier. Natsangany mihitsy ny milisy nantsoina hoe «Zanadambo» hanao asa fampihorohoroana tamin’izany fotoana izany ary niady tamin’ny miaramila ara-dalàna.

Famonoan’olona faobe no nataon’ingahy Ravalomanana Marc sy ny miaramilany teo Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009 rehefa nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fanjakana jadona ny vahoaka. 40 teo ho eo no maty ary 100 mahery no nitondra takaitra.

Nirodana ny fanjakan’ingahy Ravalomanana Marc ny taona 2009.

Mbola mieritreritra ny hamitaka sy hangalatra ary handroba indray ingahy Ravalomanana Marc ankehitriny ka hilatsaka ho filoham-pirenena indray. Mitandrema ry Malagasy.

Jesy Rabelaolao – La Gazette de la Grande île, 29 Aogositra 2018


Mis à jour ( Mercredi, 29 Août 2018 16:52 )