Fanirisoa Ernaivo. Notorian’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka ity Mpitsara may vava ity

Mercredi, 31 Octobre 2018 17:48 Communauté Malagasy
Imprimer

Arak’ilay fitenenana hoe : « ela notoratorahana ka nahavoa mason’angatra ». Miampy ny ahy izany ny fitoriana an’i Ramatoa Fanirisoa Ernaivo, Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara teo aloha na SMM. Satria tokoa dia nitory azy ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka taorian’ireo fanambarana tena mahamenatra sady mahatofoka nataony teo Mahamasina, ny 30 Oktobra 2018. Marodia maro no nahita ary, indrindra indrindra, nandre fa toa mandeha ho azy ohatry ny karatr’i Naivo ny rediredin’ity mpitsara mba nanana ny naha izy azy ihany teo aloha teo. Tena tompon’ny tenany tokoa ve izy iny ?...

Mbola tsy azo atao n’inona n’inona aloha izy satria « kandida filoham-pirenena ». Fa rehefa vita ny fifidianana, any isika mahita azy, hoy Jaojoby izay. Tsiahivina fa nitsangana ihany koa ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Filankevitra ambon’ny Mpitsara na CSM (« Conseil Supérieur de la Magistrature »). Hiala tsiny ? Hifona ? Mety ho tsara fa ho tara daholo izany. Ireo ary ny fanambaran’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny an’ny Ministeran’ny Fitsarana ary ny an’ny CSM. Tsia, tsy mampalahelo velively izy fa manafintohina. Rehefa nanozona tsy niambahamba ary nihantsy ny mpitandro filamina dia tsotra ny amin’ity mpitsara may vava loatra ity: « Malheur à celle par qui le scandale arrive ».

Jeannot Ramambazafy

***********************************************

***********************************************

Mis à jour ( Mercredi, 31 Octobre 2018 18:01 )