]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Andry Rajoelina. «Mbola azo heverina ve ny fiarovana ny Malagasy sy ny fanànany?»

Andry Rajoelina. «Mbola azo heverina ve ny fiarovana ny Malagasy sy ny fanànany?»

ETO NY VIDÉO

Ampifaliana sy am-pitiavana no iarahabana anareo rehetra manatrika etoana.

Ao ianareo olom-boafidy rehetra izay tonga eto ; ianareo manamboninahitra isan-tsokajiny, sivily sy miaramila ;


Tompokolahy sy Tompokovavy,

Atolotro ny arahaba ho anareo rehetra manatrika etoana tsy ho avahana toy ny ketsa, fa atao bango tokana ka iray ihany tahaka ny volo koa arahaba Tompokolahy, finaritra Tompokovavy.

Ny voalohan-teny dia fisaorana sy fankaletelamana antsika rehetre tonga manatrika izao fotoana izao, na ny avy lavitra izany, na ny eto an-toerana. Nasesiky ny fitiavana tokoa ianareo, ary tsapako fa miandrandra mpitarika ; miandrandra filohampirenana afaka hiaro ny vahoaka malagasy. Tsapako mantsy ary tsy eken’ny saiko no hoe amin’izao andron’ny vanim-potoana iainan-tsika izao no mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy, na an-tànan-dehibe na any ambanivohitra. Manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy. Izany fijaliana izany dia anisan’ny mampikaikaika ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy ankehitriny. Miaina ao anatin’ny tahotra, ny asan-jiolahy, ny asan’ny mpampihorohoro, ny asan’ny mpaka an-keriny, ny asan-dahalo dia iainan’ny vahoaka malagasy isan’andro isan’andro, nefa tsy misy fampandrosoana afaka hirindra sy mipetraka eto Madagasikara raha tsy mandry fahalemana ny firenena.


Izay indrindra no antony anaovana ity « Conférence sur la Sécurité et Défense » ity, na ny « Dinika momban’ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana » ity, mba hitondrana vahaolana maharitra, mba handry fahalemana ny firenen-tsika.

Ho foanan-tsika ny asan-dahalo ; ho vatsin-tsika fitaovana manara-penitra sy maoderina ny mpitandro ny filaminana ary ho amafisin-tsika ny fiofanana, ho atevenana ny fampitaovana ireo mpitandro filaminana manerana an’i Madagasikara. Izany no antony nanasako ireo vahiny marobe avy any ivelany na « spécialistes » na « experts » isaky ny sokajy sahan’izy ireo tsirairay avy. Ny mpandraharaha ankehitriny dia matahotra ny ainy satria manjaka ny fakana an-keriny ary tsy mifidy intsony izany fa na tera-tany vahiny, na tera-tany malagasy dia efa misy maka an-keriny avokoa amin’izao fotoana iresaha-tsika izao.

Betsaka ny fanontaniana apetraky ny vahoaka malagasy ankehitriny noho izany, ny hoe : mbola azo herevina ve ny hampiverina ny fandriampahalemana ? Mbola azo heverina ve ny hisian’ny filaminana sy fampandrosoana maharitra ? Mbola azo heverina ve ny fiarovana ny Malagasy sy ny fanànany ? Mbola azo heverina ve ny hoe : raha misy manafika ny tanàna iray na ny tokan-trano iray dia ho tonga hiaro azy ireny ny mpitandron’ny filaminana ?


Izaho dia mametraka ny fanamby aminareo fa ny zavatra tsy vitan’ny mpitondra rehetra nifandimby hatrizay, ny tsy fahafahany niaro ny vahoaka sy ny fananàny, velirano ny ahy no ataoko fa izaho dia ho filohampirenena hiaro ny vahoaka malagasy, hiaro ny fananàn’ny vahoaka malagasy.

Fotoanan’ny asa izao fa tsy fotoanan’ny kabary intsony. Ny olona mampanantena fa tsy manatanteraka dia manao kabary ambony vavahady. Tsy niandry akory aho hoe filohampirenena vao andeha hiasa na hitondra vahaolana, fa na dia mbola kandida aza ny tenako na tamin’izaho mbola tsy kandida aza dia efa namorona ny « Initiative pour l’Émergence de Madagascar » satria tsapako fa mila filohampirenena tia tanindrazana i Madagasikara ; mila filohampirenena niomana i Madagasikara ; mila filohampirenena mànana vina ary indrindra mànana mpiara-miasa matihanina i Madagasikara.


Ny tanjona apetra-tsika dia ny hampandroso aingana an’i Madagasikara ao anatina fotoana fohy. Koa eo am-pelatànan-tsika ny ho avin’ny taranaka fara aman-dimby ary adidin-tsika no mitondra vahaolana mba afahana manova ny Tantaran’i Madagasikara. Maro ireo olona avy any ivelany, hoy aho, izay tonga eto fa amin’izay indrindra, isan’ny tonga nasaiko teto manokana mihitsy ny manam-pahaizana manokana ao anatina orinasa iray izay mikirakira ny « puces » izay hampiasaina amin’ireny omby ireny mba hanafoanana ny asan-dahalo sy ny omby very.

Izaho, dia velirano no atao amin’ny vahoaka malagasy : 70.000 eo ho eo ny omby very nandritra ny taona 2017. Ho hita-tsika ny tarehimarika fa ao anatin’ny roa taona dia hataon-tsika mihena 50% na farafahakeliny any amin’ny 35.000 any ny omby very eto Madagasikara ary hahena-tsika foana izany isan-taona. Raha ny zavatra nodinihina, raha ny vahaolana hoentina dia hoy aho mantsy anareo hoe : matokisa ianareo aho fa niomana aho, ary ny olona hafa izay milaza hoe hanavotra an’io Madagasikara tsy manana tetikasa izay hoentin’ny IEM na ny « Initiative pour l’Émergence de Madagascar ».


Mila olona mpitarika ny Malagasy, mpitarika izay mànana vina afaka mampitambatra ny vahoaka malagasy iray manontolo. Izaho dia ho filohampirenena, ho filohan’ny Malagasy iray manontolo, ny any Avatra ka hatrany Atsimo ; ny any Andrefana ka hatrany Atsinànana. Ho porofoin-tsika izany ary efa porofoin-tsika fa filohan’ny Malagasy tsy manavakavaka i Andry Rajoelina, Tompokolahy sy Tompokovavy. Izany indrindra no ataon-tsika.


Betsaka mantsy ny maneso. Fa ny raharaham-pirenena tsy afaka atao ao anaty fanesona hoe : asiana « puce » ny omby, dia afaka telefaonena ve hono ? Raharaham-pirenena izy ity ry zareo. Rehefa tsy manana vahaolana ianareo dia aleho mangina fa aleho anaovanay azy, aleho entin’ny tanora ny firenena dia ho hitananreo ny hampandrosoan-tsika ity firenena ity. Ny « puce » ao anatin’ny omby, tompoko, tsy afaka telefaonena fa olon-kafa no azonareo antsoina. Raha ohatra ianareo, ka rehefa tonga filohan’ny repoblika i Andry Rajoelina, antsoy izy fa izy ihany no afaka hanavotra anareo.

Raha resaka antso antso no atao dia mino aho ary rehako ny antso antson’ny vahoala malagasy ; henoko ny tomany sy ny tarainan’ny vahoaka malagasy, ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy hoe : Prezidà Rajoelina, vonjeo Madagasikara. Dia hoy aho mantsy an’izy ireo hoe : antsoy aho -tsy amin’ilay « puce »- fa inty aho anavotra anareo, anavotra ny Malagasy, Tompokolahy sy Tompokovavy.

TETO DIA NANTSOINY TSIRAIRAY MBA HITSANGANA IRETO MANARAKA AMIN’NY SARY IRETO


Ry zareo ireo izany no hiaraka hitafa sy hidinika amintsika eto ny vahaolana izay hatolo-tsika mba hisian’ny fandriampahalemana eto anivon’ny firenena.

Masina ny Tanindrazana!

Mankasitraka Tompokolahy sy Tompokovavy!


CCI Ivato, 29 Novambra 2018

Andry Rajoelina n°3

Nandika an-tsoratra ny kabary avy tamin’ilay vidéo : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Jeudi, 06 Décembre 2018 07:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety