]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Andry Rajoelina teo anatrehin’ny GEM (Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara)

Andry Rajoelina teo anatrehin’ny GEM (Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara)

Iray andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena -handimby an’i Hery Rajaonarimampianina tsy lany match intsony-, ny Alarobia 19 Desambra 2018, dia nikarakara fifanatrehana amin’ireo kandida roa sisa tavela ny GEM (« Groupement des Entreprises de Madagascar » na Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara).


Tsiahiviko eto f’efa nataon’ny GEM io fifanatrehina io ny 19 Novambra 2013, talohan’ny fiodinana faharoa, niaraka tamin’ny Dokotera Jean-Louis Robinson sy ny « expert-comptable » Hery Rajaonarimampianina. Anisan’ny mpikarakara koa tamin’izany fotoana izany ny SIM, ny FIVMPAMA ary ny Tranoben’ny Tantsaha. Tamin’izany ihany, raha fintinina dia ireto avy ny vinan’ireo kandida roa niatrika ny fiodiana faharoa ireo, ny 20 Desambra 2013 :

« Izaho, tsy manam-pahaizana ao amin’ny lafin’ny ekonomia fa ny aho tonga dia asa azo tanterahina », hoy i Jean-Louis Robinson. « Mba tsy hisian’ny fitohanana eo amin’ny fifamoivoizanan’ny fiara dia hanamboatra « autoroute » manodidina an’Antananarivo aho, ao anatina iray taona ». « Périphérique » toa ny ao Paris angaha no tiany ho teneniny. Fa nilaza koa ity kandida ity fa hijery hevitra izy hisiana seranam-piaramanidina isaky ny distrika.

Ny kandida Rajaonarimampianina kosa, teo anatrehin’ny GEM, SIM, sns. dia nanambara fa raha izy no lany ho filohampirenena dia vetivety dia hiakatra ny tahan’ny fiarian-karena (« réaliser rapidement un « taux de croissance à deux chiffres »). Ho asiany làlana daholo, hono, ireo toerana mamokatra nefa sy afaka manondraka ny vokatra ao aminy (« On travaillera notamment dans les zones économiques d’évacuation des produits, sans oublier les grandes routes »). Fanta-tsika ny zava-nisy sy ny niafaran’ity filoha teo aloha. Tsy ivalamparana eto…


3 Desambra 2018, Carlton Anosy. Anjaran’ny kandida Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina indray ary no nanatrika ny GEM. Izaho moa tsy hifidy an’io voalohany intsony (aminy maha olompirenena malagasy ahy, efa nifidy azy aho tamin’ny 2001 sy 2006 fa manenina aho hatramin’izao satria tena nanjavona ara-baki-teny ny « Fahamarinana » sy ny « Fahamasinana »). Ka dia ny vinan’ny kandida n°3 Andry Rajoelina no nadikako teny malagasy eto.

Manome antoka fa ho voaaro ny fampiasam-bola ary haverina tanteraka ny tany tan-dalàna

Mba hiverenan’ny fitokisan’ny mpampiasa vola amin’ny fanjakana malagasy sy mba hisian’ny tontolo fandraharahana ao anatin’ny fandriampahalemana dia nanazava i Andry Rajoelina fa politika vaovao no ho entiny hiarovana ny olona sy ny fananany. Anisan’izany : ny rafitra fifanakalozana vaovao hafahana misoroka ny fakana an-keriny ; ny fametrahana polisy eny akaikin’ny vahoaka izay hanamafy ny fitandrovana ny fandriampahalemana an-tanàn-dehibe ; ny fanomezana fitaovana manara-penitra (na fitaovam-piadiana io na fiara) ho an’ny mpitandro ny filaminana. Momban’ny tsy fandriampahalemana any ambanivohitra sy any amin’ny faritra dia nilaza tsy niambahamba ny kandida n°13 fa ho foanana ny fanondranana omby hitsaharan’ny asan-dahalo izay mampihorohoro ny Malagasy mpiray tanindrazana any amin’ny toerana lavitr’andriana rehetra any. Mazava fa rehefa tsy misy mpandray intsony ny halatra dia mijanona ho azy. Tsapan’i Andry Rajoelina anefa fa tsy ho foana tanteraka sy vetivety izany asan-dahalo izany. Noho izany dia hampiasaina ny teknina avo lenta amin’ny alalan’ny « puces intelligentes » afahana mahalala amina fitaovana informatika ny misy marina ireo omby nangalarina ireo (« dispositif de géolocalisation »). Notsiahiviny fa tafakatra 70.000 ireo omby angalarin’ny dahalo isan-taona.

Kandida vonona hampiatrà ny fitondrana tsara tantàna (« bonne gouvernance »)

Nampiseho ny fahavononany hampiatrà fitondrana tsara tantàna ny kandida n°13 amin’ny alàlan’ny fangaraharana ary ny fampiasana fomba fitantanana vaovao maoderna sy mahomby eo anivon’ny Fanjakana. Ao anatin’izany ny fampandraisana andraikitra marina ireo olom-boafidim-bahoaka ; ny fametrahana rafim-pitsarana tena mahaleotena sy tsy mitanila ; ny fampiharana ny mangarahara eo anivon’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ; ny fandraisanan’ny olompirenena anjara amin’ny fanatsarana ny asam-panjakana. Eo amin’ny lafin’ny fitantanam-bolam-panjakana indray dia nazava ny kandida n°13 : tsy hisy ny fandaniam-poana ny volam-bahoaka. Ny ho lohalahana dia ny fandaniana eo amin’ny lafin’ny drafitr’asa sy ny laharam-pahamehana ara-sosialy.

Hoy i Andry Rajoelina : « Azo atao tsara ny manangona sy mitahiry 600 lavitrisa miliara ariary rehefa hahena ny fandaniam-poana sy rehefa tena hiady amin’ny fanodikodiana volam-panjakana ». Nampiseho ny vahavonony hiady amin’ny kolikoly koa izy, manomboka amin’ny fara-tampony ka hatramin’ny olom-boafidy sy ireo mpiasam-bahoaka tsirairay avy eo amin’ny fanatanterahana ny asany. « Ny fanjakana mahomby sy mampirindra dia fanjakana mametraka fitsipika mazava eo amin’ny fitondra-tena mendrika ho an’ny rehetra : asam-panjakana ankapobeny, fitsarana, ladoany, fandoavan-ketra, … ary mampanaja ny fitovian’ny rehetra tsy misy fitanilanana eo amin’ny fisondrotana isan-kazarany ». Momban’ny sehatry ny Fitsarana, dia vonona ny kandida n°13 ny hametraka ny « Inspection générale de la Justice », sampana halehotena izay hitandro ny fanajana ireo mpitsara ny làlana eo amin’ny fanatontosana ny asan’izy ireo ary koa hiadivana amin’ny kolikoly misy ao amin’ireo fifaninana samihafa hidirana ao amin’ny asam-panjakana (« Concours d’accès à la fonction publique »).


Fampivelarana an’i Madagasikara ao amin’ny Indostria : soritr’asa dimy fitariana

« Ireo zavatra tena ilain’i Madagasikara dia tsy maintsy vokarina, amboarina na ahodina eto Madagasikara ihany. Mba hatongavana amin’izany dia hampiana sy harahi-maso tsara ny fampiasam-bola ilaina amin’izany ho voazara tsy misy fitongilanana isaky ny faritra sy isaky ny sokajin’asa », hoy i Andry Rajoelina. Vonona ihany koa izy hihahy ny fametrahana drafitr’asa indostrialy maoderna ao anatina faritra maro eto Madagasikara, mpiampy praograma fampiasana herinatra mora kokoa nefa matanjaka. Nampahatsiahvin’i Andry Rajoelina fa vain-dohan-draharaha mihitsy ny fisian’ny herinatra manerana an’i Madagasikara. Nambarany mihitsy fa ao anatin’ny dimy taona dia hitombo ho 800 Mwatts ny famokarana herinaratra.

« Eo anatrehin’ny fahataran-tsika eo amin’ny lafin’ny fandrosoa, dia ilaina ny maka lesona any amina firenen-kafa hafahan-tsika mivaotra eo amin’ny lafiny ekonomika », hoy i Andry Rajoelina. Ny lesona avy any amin’ireo firenena vao nisandratra dia mampiseho fa ilaina dia ilaina ny hanana modely ekonomika miorina eo amina rafitra indostrialy mifanaraka amin’ny fanatontoloana, ny fifaninana ary ny arofanin’ny tsenam-baotra. Sehatra dimy mazava no hataon’i Andry Rajoelina laharam-pahamehana :

  • Agrobusiness na fandraharahana amin’ny alalan’ny fambolena
  • Mines na ny harena an-kibon-tany
  • Tourisme ny fizahan-tany
  • Economie bleue na ekonomia manga izay mifototra eo amin’ireo angovo misy eo amina firenena iray, na ny zaoridina aza
  • Artisanat na Asa tànana

Aminy dia ireto manaraka ireo no hahamora ny famokarana :

* Angovo tsy lafo loatra, fotodrafitr’asa mifanaraka amin’ny ilana azy, mpiasa nanaraka fiofanana manokana ara-tsokajin’asa

* Fampidinana ny zana-bola eo amin’ny fampindramam-bola amin’ny alàlan’ny fametrahana Bankin’ny Fampandrosoana sy momban’ny Fampiasam-bola voafaritra iray

* Fanamorana sy fiarovana ny sehatry ny fananan-tany

* Ny fanomezana fitokisana eo amin’ny fahamarinan-toeran’ny vola Ariary

Amin’ny naha mpandraraha azy dia vonona ny kandida n°3 ny hanampy sy hiahy ireo mpandraharaha. Vonona ko aizy ny miantso azy ireo ary koa ny sehatra tsy miankina ankapobeny rehefa haka fanapahan-kevitra goavana toa ny fandoavan-ketra, ohatra, na ny fidiran’ny firenena malagasy ao amin’ny OHADA (« Organisation pour l'harmonisation en Afrique du droit des affaires » na fikambana’ny fampitoviana ny lalàna momban’ny Asa aty Afrika)

Vonona hatrany i Andry Rajoelina amin’ny fifanakalozan-kevitra matetika amin’ireo mpandraharaha izay loharano miteraka asa maro izay ipoiran’ny fampandrosoana ho an’ny firenena.

Nandika tamin’ny teny malagasy malalaka ho mora azon’ny maro an’isa : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Jeudi, 06 Décembre 2018 13:01 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety