Marc Ravalomanana. Taratasy misokatra ho azy avy any amin'i Toavina R.

Dimanche, 06 Janvier 2019 08:42 Communauté Malagasy
Imprimer

« Raiamandreny ianao tompoko ka dia hajaiko.

Naneho ny safidiny izahay vahoaka Malagasy. Naniry ny ho filoha ianao ary ny vahoaka Malagasy koa naniry ny hanana filoha. Raha izao fizotran'ny valim-pifidianana izao dia tsy ho tanteraka ny fanirinao fa ho tanteraka kosa ny fanirian'ny Malagasy maro anisa izay nifidy, dia ny hanana filoha.

Tsy ho filoha ianao Andriamatoa Marc Ravalomanana. Tsy nifidy ny hamerina anao ho eo amin’ny fitondrana ny maro anisa. Mangataka anao hànana fo antra ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.

Tsy mendrika korontana ny Vahoaka Malagasy. Tsy mahazaka korontana ny toekarem-pirenena. Inoako fa mbola manana fitiava-tanindrazana ianao. Ary ny atao hoe fitiavana ny tanindrazana dia fitiavana ihany koa ny mpiray tanindrazana. Ny mpiray tanindrazana izay namerina ny « tamberim-pitiavana » tamin’ny alalan'ny safidy nataony.

Andriamatoa filoha,

Mandeha sy manaraka ny lojika ny rehetra. Nisafidy ny tanora ao anatin'ny heriny ny mpifidy ary napetrany haka aina amin’izay ianao. Hipetraka ny tantara ary ny fanapahan-kevitrao sy ny hetsika ataonao farany ho an'i Madagasikara no ho tsarovana amin’ny anaranao.

Fototry ny krizy rehetra nifanesy ny toe-draharaha tamin’ny 2002.

Tsy nandamina na inona na inona ny tamin’ny 2009 ary very 5 taona ny firenena tamin’ny 2013.

Afaka mandray fiatombohana vaovao ny firenena ankehitriny. Mila izay ainga vao izay ny fiariana, ary maniry hibanjina fampandrosoana ny vahoaka Malagasy leo fahantrana.

Raiamandreny! Tsy voatery ho filoha vao afaka hampandroso. Fantatrao izany satria efa nisehatra tamin’izany ianao.

Ankehitriny ireo mpanao politika mpanara-dia aminao dia manoro hevitra anao tsy hanaiky ny vokam-pifidianana ara-dalàna. Tsy ny tombotsoan'izireo Andriamatoa Marc Ravalomanana no antony nirotsahanao ho filoha fa inoako fa ny tombotsoanay vahoaka Malagasy tompon'ny safidy.

Tany tan-dalàna i Madagasikara ary ianareo olobe no antenaina hametraka izany.
Koa antso no ataoko aminao Raiamandreny. Raha tombotsoa sy harena, efa hananao izany. Raha ny fitiavan'ny Malagasy indray dia mivavaka aminao ireo pomba anao.
Miangavy anao aho : ataovy safidy ny " VARAVARANA MADIO ". Ary omena ny voninahitra mifanaraka amin’izany ianao.

Ianao no arahin'ireo pomba anao. Afaka mijoro ho mpitarika hendry sy tia filaminana ianao tompoko. Efa nanompo tanindrazana ianao. Nahavita ny anjaranao ianao ho an'ny Madagasikara.

Ekeo ny feon'ny vahoaka izay feon'Andriamanitra, ary averiko ihany : safidin'ny maro an'isa. Ny safidin'ny maro anisa no arovana fa tsy ny an'ny vitsy an'isa.

IRAY tsy azo zaraina ny Malagasy ary aoka tsy ho avy aminao milaza fa tia tanindrazana sy mino an'Andriamanitra no hiavian'ny fisarahambazana amin’ny samy Malagasy.

Raiamandreny, fifaninana no natao ary tsy maintsy misy ny mandresy ary misy ny resy. Nandresy ny mpifaninana taminao.

EKEO ny vokampifidianana Andriamatoa Marc Ravalomanana fa sady izay no ara-dalàna nefa ny rariny ihany koa.

Tsy nisafidy anao ny maro an'isa ary mbola tsy hanaraka anao amin’ny fandàvana ny ara-dalàna ihany koa io " maro an'isa io".

Ny soa sy ny tsara no irario ho an'ny taranaka malagasy.

Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby ary atsipiko kosa ny teny ho any am-ponao mahalala.

Masina ny Tanindrazana ».

23.12.2019

Mis à jour ( Dimanche, 06 Janvier 2019 10:43 )