Ambohidratrimo. Feno 10 taona ny GATE UNIVERSITY

Vendredi, 21 Juin 2019 10:24 Communauté Malagasy
Imprimer

Notanterahina tamin'ny zoma 14 Jona 2019 ny ivon’ny fankalazana ny faha 10 taona nijoroan’ny sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana GATE UNIVERSITY Ambohidratrimo. Namoaka ny andiany faha enina misalotra ny anarana « RAITRA » ny sekoly izay ahitana mpianatra 137 mianadahy nandray ny marim-pahaizana : DTS, Licence ary Master. Isan’ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana mamaly ny filan’ny Firenena amin’ny alalan’ireo sampam-piofanana omeny ny GATE University. Isan’izany ny Agronomie (misahana ny momba ny fambolena sy fiompiana) sy ny Fizahantany. Ara-dalàna ary mahazo ny fankatoavan’ny fanjakana ny marim-pahaizana omen’ny sekoly ary efa maro amin’ireo mpianatra nandranto fianarana tao no mitazona andraikitra ambony eny anivon’ny asam-panjakana ankehitriny.


Nofidian’ireto andiany RAITRA ireto ho ray mpiahy azy Andriamatoa Eric Rajaonary, mpitantana ny orinasa Guanomad. Nanome toky ny hanohana hatrany azy 137 mianadahy ity Ray Mpiahy azy ireo ity ary vonona hatrany hizara izay traikefa hananany amin’ny fidiran’ireto tanora ireto amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana.


Tafiditra indrindra ao anatin’izany fankalazana faha 10 taona izany ihany koa, dia najoro fikambanana « FRIENDS OF GATE » hivondronan’ireo sakaizan’ny GATE University rehetra ahitana ireo mpianatra tranainy sy ireo izay mbola eo andalam-pianarana ary ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sekoly rehetra.