]
Les quotidiens du 29 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. Teti-bolam-panjakana 2020. Hetra 20% ho an'ny katsaka sy ny faika

Madagasikara. Teti-bolam-panjakana 2020. Hetra 20% ho an'ny katsaka sy ny faika

Mandalo eny anivon’ny Antenimieran-doholona eny Anosy rehefa avy nolanian’ireo Solombavambahoaka ny volavolan-dalàna mahakasika ny teti-bolam-panjakana 2020. Manoloana izany nitondra fanazavana teo anatrehan’ireo Loholona ireo ny fikambanana mpiompy sy mpandraharaha momban'ny fiompiana eto Madagasikara ny Zoma 06 Desambra 2019.

Nitondrana fanazavana tamin’izany Andriamatoa Rabearivelo Andriamananarivo, Filohan'ny filankevim-pitantànana ny MPE (“Malagasy Professionnels de l'Elevage" ex "Maison des Petits éleveurs”), mahakasika ny fampiharana ny tataon-ketra TVA 20% amin’ny katsaka sy ny faika fatao sakafo ireo biby fiompy. Amin’izao fotoana dia ambany ny tahan’ny fanjifana ny vokatra ny fiompiana eto Madagasikara.

Atody miisa 19 isan-taona no lanin’ny olona iray, ny akoho fakàna nofo dia mahatratra 1 kg isan-taona. Izany dia avy amin'ny tsy fahampian’ny vokatra sy ny sandan’ny famokarana ambony ary ny fahefa-mividin’ny mponina izay ambany.

Ireo akora fampisa ny sakafo biby da 60-70% amin’ny fandaniana ankapobeny no lany. Ao anatiny maitso ahitra dia miakatra be ny vidin’ireo akora fampiasa ireo nohon’ny tsy fahampiana eny an-tsena. Ny katsaka no fototra amin’ny fanamboarana ny sakafon’ny biby izay mahatratra hatramin’ny 60-70% amin’ny fangaro ho an’ny fiompiana akoho, kisoa, trondro.

Miakatra 99% kosa izany raha famokarana ny aty matavy. Raha mihatra ny tataon-ketra 20% ho an’ny katsaka sy faika dia hiakatra 25-40% ny vidin’ny sakafom-biby eny an-tsena ary hiteraka fiakaran’ny sandam-pamokaran’ny fiompiana sy fatiantoka lehibe ho an’ny mpiompy. Nandroso soso-kevitra araka izany ireo mpiompy fa azo atao ny mametra ny hetra isaky ny biby ompiana ka hanamora ny fampanaran-dalàna sy fampanaraha-penitra.

Izany fepetra izany dia hanampy amin’ny fametrahana ny mangarahara sy fampihenana ny kolikoly amin’ny fitakianketra. Miantso ny tompon'andraikim-panjaka sy mpiantsehatra ireto mpiompy sy mpandraharaha ny fiompiana ireto mba hijery fomba hafa hampiakarana ny fampidiran-ketra.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Samedi, 07 DĂ©cembre 2019 08:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO