]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Maharante Jean De Dieu. Raharaha ARTEC: Gaga, hono, izy, ka nikisaka naka saina...

Maharante Jean De Dieu. Raharaha ARTEC: Gaga, hono, izy, ka nikisaka naka saina...

Maharante Jean De Dieu, miadana tsara ao Parisy ao...

Manahirana mihitsy itony olona sendra nahazo fahefana (voafidy na voatendry) itony fa dia ho tranon-dainga hatramin'ny farany ve e? Ny azy moa efa vita tanteraka fa tsy manana fahefana intsony izy na singam-bolo iray aza, kanefa toa mbola miseho azy ho zavatra ihany. “Qui s'excuse s'accuse”, hoy ny Frantsay.

Amin'izao ianao mamaky ity lahatsoratra ity ary dia any Parisy, Frantsa, Ingahy Marahante Jean De Dieu no maka aina. Fa mety efa akaiky ho lany angaha ny “visa de séjour”-ny na fahazohan-dàlana ipetrahany any, ka mazava ny tetika. Hilaza fa maritiora izy ary hangataka fialofana ara-politika (“asile politique”) amin'ny fitondran'ny Filoha Emmanuel Macron. Toa tamin'ny taona 2002 fony izy governoran'ny faritany mazaka tenan'i Toliara, nandositra ny fahatezeram-bahoaka. Ho sarotra aminy aloha no mamerina izany satria niala teto an-tsitra-po izy vao lany filoham-pirenena i Andry Rajoelina, nialoha an-dry Henry Rabary-Njaka sy James Andrianalisoa izay nandositra tsotra izao.

Efa hahatratra ny enim-bolana mahery izany ingahy Maharante no any Frantsa. Tsy fantatra mazava ny antom-pivelomany any fa dia hoe “any amin'ny zanany any”. Dia iny fa nipoitra tampoka niseho nanazava ny fijerin'ny raharaha ARTEC (“Autorité de Régulation des Technologies de Communication”). Tsy inona izany fa fanodikodinam-bolam-panjakana mitentina hatramin'ny 5 miliara Ariary niala avy tamina fanadiadiana nataon’ny IGE (“Inspection Générale de l'Etat”) izay nametraka fitoriana. Io vola be io dia nolazaina fa hividianana fitaovana informatika. Kanefa tsy nisy na bilao iray aza novidiana ary ireo hoe mpivarotra (“prestataires”) dia toa nanjavona daholo na koa orinasa noforonina an-taratasy fotsiny ihany. Voakasik'izany koa Ingahy Andrianirina Briand Joseph izay notendren'i Maharante Tale jeneralin'io ARTEC io, fony izy minisitry ny Paositra, amina fomba tsy ara-dalàna.

Izao aloha no nosoratan'ingahy Maharante, hita ao amin'ny pejiny Facebook : “ Gaga aho satria tsy nandalo teo imasoko ny antontan-taratasy mikasika vola tsy toko sy forohana izany. Nivarahontsana ny tenako sy ny fanahiko, ka hany hery dia nikisaka aloha naka saina”. Tsaroana f'efa amam-bolana izy no niala teto Madagasikara. Dia avy eo moa nanara-dia ny antoko TIM. Fa raha hala-bato ny litania an'ity farany, ny an'i Maharante kosa hala-tsonia no ventesiny : “Tsotra ny famoaham-bola ao amin'ny FDTIC (- “Fonds pour le Développement des Technologies de l'Information et de la Communication” -) ao amin’ny ARTEC- satria sonian’ny minisitra sy Tale jeneralin’ny ARTEC dia mivoaka ny vola na ohatrinona na ohatrinona izany. Tsy misy pitsopitsony fangatahana TEF (“Titre d'Engagement Financier”). Nohararaotin’ny sasany nanaovana sain-dratsy ny soniako namoahana vola, tsy nampandre ahy. Mino aho fa 95%-ny atontan-taratasy famoaham-bola dia sonia halatra daholo na signature scannée no nahatonga io tarehimarika tsy roa aman-tany io”.

Mazava fa Filan-kevitry ny Minisitra no mamoaka ny anaran'izay ho Tale jeneralin'ny ARTEC

Fanadiovan-tena tsy misy tahaka io. Midika fa dondrona sy mpandainga daholo ireo olona ao anatin'ny rafitra teknika rehetra misy eto Madagasikara. Soa fa misy ny soratra ary, indrindra indrindra ny Lalàna. Eto dia ialan-tsiny fa amin'ny teny frantsay daholo moa ny lalàna misy etoan-toerana ka samia re mandika e! Izao ary no lazain'ny Loi N° 2005-023 du 17 octobre 2005 (refonte de la loi N°096-034 du 27 janvier 1997 portant réforme institutionnelle du secteur des télécommunications)

Article 26 : (…) Le conseil d’administration est composé de sept membres. Ces membres sont nommés par décret pris en conseil des ministres. Au moins quatre (4) membres du conseil d’administration sont choisis dans le secteur privé sans lien contractuel avec la fonction publique ou avec le secteur des télécommunications et TIC...

Article 27 : (…) Les membres du conseil d’administration élisent leur président parmi les membres issus du secteur privé et leur vice-président parmi les administrateurs. L’élection est constatée par décret pris en conseil des ministres.


Asa? Sonia sandoka izany io ambony io?

Raha fintinina dia avy ao amin'ny Filan-kevitry ny Minisitra (“Conseil des ministres”) no mivoaka ny “décret” manendry ara-pomba ofisialy ireo mandrafitra ny Filan-kevitry ny ARTEC, indrindra fa ny Tale jeneraliny. Tsy izany no nataon'i Maharante Jean De Dieu fa “Note de service” no nanendreny an'Ingahy Briand ho Tale jeneraly “noho ny amehana” (“en raison de l'urgence”. ). F'inona tokoa ilay “amehana”? Eto koa no hahitana fa sarotra ho an'izay tsy mahay ny teny frantsay. Satria ilay fehezan-teny hoe “nonobstant l'adoption d'un décret en conseil des ministres” dia midika fa “na dia tsy nisy aza ny décret avy amina Filan-kevitry ny Minisitra”. Izany hoe notereny nanaraka io “Note de service” io ny Filoha tamin'izany dia Hery Rajaonarimampianina. Toa izany ny fomba nitondran'ny Hvm nanditra ny dimy taona be izao... Tsy ny voafidy no nitondra ny firenena fa ny voatendry. Dia ho gaga ve isika raha nitsigindina any amin'ny laharana faha-5 eo amin'ny firenena mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara tao anatin'izay fe-potoana izay ?

Dia hilaza izany Ingahy Maharante izao fa sonia nangalarina koa io amin'ny “Note de service” io ? Manaraka : raha vakiana tsara ny “décret d'application” N° 2014-1650 an'io “Loi 2005 023 du 17 octobre 2005” io dia ny minisitra mpiahy ihany no mandidy sy manapaka ka afaka mamoaka vola ao amin'ny ARTEC fa ny Tale jeneraly dia kofehy manara-panjaitra ihany. Ary tsy maintsy mandalo ao aminy daholo rehefa antontan-taratasy mikasika ny vola miditra sy mivoaka. Ka dia sonia nangalarina daholo izany ny taratasy rehetra nosoniavin'Ingahy Maharante Jean De Dieu nanomboka tamin'izy voatendry minisitry ny Paositra ka hatramin'ny nisolona azy? Satria mino fotsiny ihany izy fa “95%-ny atontan-taratasy famoaham-bola dia sonia halatra daholo na signature scannée”.


Onitiana Realy sy Briand Andrianirina tamin'ny mariaziny

Miandry ny fiarovan-tenan'Ingahy Briand isika fa izy kosa ve dia hianjeran'ny rihatra rehetra eo ? Efa tratry ny IST (Didy tsy afahana mivoaka an'i Madagasikara) i Briand mivady izao. Fa i Maharante Jean De Dieu kosa any Andafy any izao no migalabona. Tokony fantany tsara izany ny fisian'ny hoe “graphologue”. Inona izany? Ao Parisy ingahy Maharante ka ho mora aminy no mahalala ny dikan'ireto manaraka ireto : “L'expert graphologue ou expert en fausses signatures est le professionnel chargé l'authentification de graphies et de signatures, ainsi que de prouver la falsification de signatures apposée sur toute sorte de supports”. Fa raha mahalala ny “expert graphologue” fa sandoka ny sonia iray afaka mamoaka koa izy fa tena izy ilay sonia na atao “scanner” aza, araka ny voalazan'ingahy minisitry ny Paositra teo aloha.

Hatreto izany aloha matoa mitady fanadiovan-tena toa io Ingahy Maharante dia tsy mizaka zom-pirenena frantsay toa an-dry Henry Rabary-Njaka sy James Andrianalisoa izay mihevitra fa tsy misy manara-maso...

Ny manahirana koa, hatreto, dia toa zary dokam-barotra ihany ny mampiatra ny hoe Tany tan-dalàna sy ady amin'ny kolikoly, indrindra fa amin'ireo olona milaza fa “Malagasy” kanefa misary gaigy any ivelany any milaza fa tia tanindrazana, nefa manao vidéos manomboka amina hiram-pirenena sy fotoam-pivavahana kanefa avy eo lainga, ompa sy ozona ny zavatra lazainy any anatin'ireny vidéos ireny. Maninona kay no tsy mody daholo e !? Dia eto no mifanatri-tava fa tsy any amin'ny 10.000 kilometatra any no miseho manome lesona ? Soa fa misy farany raha jiaby...

Jeannot Ramambazafy

 
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety