]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Naina Andriantsitohaina, Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Kabariny ofisialy voalohany

Naina Andriantsitohaina, Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Kabariny ofisialy voalohany

Antananarivo, Lapan'ny Tanàna, Alakamisy 16 Janoary 2020. Raha toa ka tsy navelan'ny Ben'ny Tanàna teo aloha, Lalao Ravalomanana, nisy mpanao gazety anatrika ny famindram-pahefany (“passation”) tamin'ny Ben'ny Tanàna vaovao voafidy, Naina Andriantsitohaina, ny marainan'io andro io, rakotra mpikirakira vaovao kosa ny fotoana nametrahana samboady ara-pomba ofisialy ny tolakandro.


Tsy manam-paharoa tokoa iny lanonana iny ka mendrika mitoetra ao anatin'ny Tantaran'ny Tanànan'Antanarivo, eny ao anatin'ny Tantaran'i Madagasikara mihitsy aza. Tsy misy hafa tsy ny soratra ihany anefa no fomba tsara indrindra mahatahiry ny zava-nisy ary hisy eo amin'ny fiainan'ny zanakolombelona -na dia eo tokoa aza ireo teknolojia vaovao-, ka dia io manaraka io ny kabary ofisialy voalohan'i Naina Andriantsitohaina, aminy maha Ben'ny Tanànan'Antananarivo vaovao azy. Satria raha mandalo ny teny, ny soratra mitoetra. Ary io kabary io koa no hafahantsika hirefy ny ezaka vita -na tsia- rehefa tapitra ny fe-potoana niasany.

Jeannot Ramambazafy


************************


“ Ramatoa Filohan'ny Antenimierampirenena,
Andriamatoa Minisitry ny Ati-tany,
Ianareo Minisitra namana,
Andriamatoa Préfet de Police,
Andriamatoa Governoram-paritra Analamanga,
ary ianareo Governora amin'ny Faritra hafa,
Ianareo Olo-manakaja sivily sy miaramila isan-tsokajiny,
Isika rehetra manatrika etoana,
Tompokolahy sy Tompokovavy.

Am-pitiavana sy am-pifaliana lehibe no iarahabako anareo tonga marobe manotrona izao fotoana izao. Andro lehibe ny andro androany ho an'ny mponin'Antananarivo izay nisafidy ny fanovana sy ny fandrosoana tamin'ny alàlan'ny fifidianana, izay nanome ny fahatokisana ahy hitarika izany. Koa rariny sy hitsiny raha izy ireo no isaorako voalohany. Na ireo nifidy, na ireo tsy nifidy, na ireo tsy mitovy hevitra. Naneho ny safidiny ny maro an'isa ary taonan'ny fiombonana sy ny fandrosoana izao. Fotoanan'ny firaisan-kina mba iarahan-tsika hanarina an'Antananarivo.

Manaraka izany, isaorako manokana ianareo namana mpiara-miasa izay nanohana hatramin'ny voalohany ka hatramin'izao. Teo foana na tamin'ny mora na tamin'ny sarotra ary fantatro fa mbola vonona hatrany ianareo hanohana satria izao vao tena manomboka ny asan-tsika.

Ianareo atoko politika maro isan-karazany, fikambanana : maro be ianareo no nanohana, nahay niray hina sy namela ny tombontsoa manokana mba hiarovana ny tombontsoa iombonana Antananarivo Tanànan-tsika.
Tsy aiko ny tsy hisaotra ny vadiko, ny zanako, ny reniko ary ny fianakaviako iray manontolo. Tena nanohana tanteraka izy ireo ary nampahery hatrany. Tsy mora izay vita izay ary mbola betsaka ny miandry antsika. Hery lehibe ho ahy ianareo.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Raha mijery isika dia miara-mahita fa betsaka ny asa miandry ary laharam-pahamehana avokoa izy rehetra. Mila miasa mafy isika, mila mahay mifandefitra sy mifanaja ka ny tombontsoan'Antananarivo irery ihany no atao laharampahamehana ao anatin'ny firaisan-kina.

Tsy manana fahavalo ny tenako, na olona, na antoko na firehan-kevitra. Ny fahavaloko dia ny fako sy ny loto; ny fahavaloko dia ny tondra-drano sy ny fihotsahan'ny tany; ny fahavaloko dia ny fahantrana; ny fahavaloko dia ny tanàna maizina sy ny tsy fandriampahalemana; ny fahavaloko dia ny embouteillages sy ny làlana simba.

Fa indrindra indrindra, ny fahavaloko dia ny tsy fanarahan-dàlana. Koa miantso antsika rehetra aho iaraka amiko hanova ny Tantara ka hamerina indray ny hasin'Antananarivo fahiny. Efa hitanareo avokoa ny vina sy ny veliranon'Iarivo. Tsy hiandry ela isika satria efa ela loatra izay niandrasana izay. Tonga dia hiasa avy hatrany. Noho izany, misy ireo fepetra vitsivitsy vonjimaika tsy maintsy ho raisina.

Fanta-tsika rehetra fa ny mpivarotra eny amoron-dàlana dia anisan'ny antony mampitohana ny fifamoivoizana sy mampitaraina ny mponina rehetra eto Antananarivo. Mila fotoana isika hanorenena tsena vaovao ho an'ny mpivarotra mba hazahoana vahaolana maharitra. Tsy ho vita ao anatin'ny iray andro izany ka tsy hisy ny fandroahana mpivarotra faobe. Kanefa, kanefa... Fanta-tsika koa fa misy ireo toerana izay tsy azo andeferana. Samy mahafantatra an'izy ireo sy mahalala izany isika ka mangataka, raha mangataka, fahatsapahantena avy any amintsika tsirairay tsy ampiasa an'izy ireo. Tsy manana safidy hafa isika.

Mikasika ireo mpivezivezy eto Antananarivo Renivohitra, na fiara manokana na taxibe na taxi na sarety na mpandehan-tongotra : manomboka izao dia manaja ny làlana isika; manomboka izao dia mifanaja isika rehetra. Ho ampikarina ny sazy amin'ny tsy fanarahan-dalàna. Fa isika rehetra mahalala fa raha endry sy manaja isika dia tsy hiatràn'izany sazy izany.


Amboarina aingana ireo làlana simba sy misy lavadavaka izay mampitombo ny embouteillages; aparitaka eran'ny tànana ireo polisy monisipaly sy mpiara-miasa eto amin'ny kaomina mba hiaro sy eo akaikin'ny mponina. Hametraka lamina vaovao isika ho an'ny fifamoivoizana. Mila faharetana avy amintsika rehetra izany. Toa izany ny fahadiovana. Ny Filoham-pirenena sy ny Fanjakana dia efa nandray ny andraikiny ka nanolotra camions bennes sy dabam-pako. Isaorana eram-po eran-tsaina izy ireo. Efa manomboka hita sahady ny vokatr'izany eny amin'ny làlana eto Antananarivo. Ho raisin-tsika ny andraikitra : alefa sy ampitomboina ny mpanadio tanàna amin'ny alàlan'ny HIMO ary ho ampiana ireo fitaovana, ary vonona tanteraka isika andray ny fitantànana ny SAMVA.

Fa mila ny fanampian'ny mponina tsirairay izany; mila hajain-tsika ny ora sy ny toerana fanariana fako. Fa ny tena zava-dehibe : mila mandray andraikitra isika amin'ny fanadiovana ny toerana misy antsika, manomboka eo an-tokantrano ka hatrany amin'ny trottoirs. Isika tsirairay dia samy tomponandraikitra amin'ny fanadiovana ny tanàna. Andao raisin-tsika an-tànana ny fanadiovana ny tanàna mba ho fifaliana sy ho reharehan'ny mipetraka eto Antananarivo.

Voakasikizany koa ny lakan-drano. Raha mbola manary fako ao anaty lakan-drano isika dia ho tsentina foana izy ireo; raha mbola manorina trano eo ambony lakan-drano isika dia ho tsentsina foana izy ireo. Hanao ezaka isika hanadio sy hanala ireo fako manentsina ireo lakan-drano ireo fa kosa tsy maintsy hanala ny trano tsy manara-dalàna isika, izay tena manentsika ny canal ka mahatonga ny vahoaka maro an'isa mijaly. Mila fepetra entitra isika mikasika ny fanotofana tany na remblai. Tsy manana vahaolana hafa isika.
Hafatra kely ho anareo mpandraharaha namana : mila anareo ny kaomina; mila anareo Antananarivo ankehitriny. Tonga izao ny fotoana amaliana ny soa rehetra azonareo eto Antananarivo. Tsy ho ela dia hihaona isika andinika miaraka ireo tetik'asa iarahan'ny Fanjakana, ny Kaomina ary ny orinasa mifanampy sy mitambatra ho fampandrosoana an'Antananarivo. Miantso anareo aho hifanome tànana sy hifanampy fa mampahatsiahy ihany koa ny fanarahan-dalàna.


Ho an'ireo mpiara-miasa rehetra ao amin'ny Kaomina : tonga izao ny fotoana amerenana ny Hasin'ny Kaomina sy ny an'ny mpiasa rehetra ao aminy. Isika rehetra no hanatanteraka izany. Miangavy anareo aho mba ho mendrika ny asa sy ny andraikitra sahaninareo; mba ho mendrika ny tanàna; mba ho fitaratra eto an-tanàna. Henoko fa misy olona sasan-tsasany mandray karama nefa tsy miasa akory eto amin'ny Kaomina. Aleho ny lasa ho an'ny lasa. Raha ao anatin'izany ianao dia miangavy anao aho hametra-pialana, tsy hisy hanenjika anao. Fa raha tsy vita izany, afaka folo andro dia ho saziana mafy.

Isika dia tokony ho fitaratra ho an'ny mponina; isika dia tokony ho modely eo amin'ny fitantànana. Fitantànana tsara sy madio amin'ny alalàn'ny fihetsika sy ny fitondran-tena. Ho entitra tanteraka aho amin'ireo mpiara-miasa rehetra eo amin'ny Kaomina. Indrindra indrindra ireo manakaiky ahy. Vao tamin'ny maraina teo nanao sonia taratasy fanekena ireo mpiara-miasa vaovao miaraka amiko. Fanekena eo amin'ny fitondran-tena sy ny foto-pisainana ifampifehezana. Araka ny efa nolazaiko hatramin'izay : MADIO ISIKA MIDITRA ETO, MADIO ISIKA MIVOAKA ETO.

Eto ampamaranana, misaotra manokana ny Filohan'ny Repoblika ny tenako, tamin'ny ezaka rehetra efa natomboka sy ireo velirano izay efa notanterahina. Efa Ben'ny Tananàn'Antananarivo izy ary fantatro ny fitiavany an'Antananarivo, Kapitalin'i Madagasikara. Hifanampy izahay, ary resy lahatra aho fa ho tanàna madio Antananarivo, ho tanàna milamina ary ho tanàna mazava.

Misaotra ihany koa ny Governemanta izay tarihin'ny Praiminisitra ary ianareo Minisitra marobe tonga manotrona sy manome voninahitra izao fotoana izao. Misaotra anareo solontenan'ny Andrim-panjakana, ny Governoran'ny Faritra Analamanga, ny Préfet, ny Chef de District, ny Polisy sy ny Miaramila.

Misaotra anareo Solombavambahoaka tamin'ny ezaka izay efa nataonareo, ary indrindra indrindra, ny amin'ny fiaraha-miasa ho avy ho fampanarosoana an'Antananarivo.

Tsy manana fotoana anaovana andrakandrana isika ary ny mponina dia maika ny ahita vokatra. Ny toky omeko ireo mpiara-miasa amiko eto amin'ny Kaomina dia tsy misy hafa tsy ny asa sy ny atsembohana.

Tsy ho mora ny asa miandry ary maro ny andrasan'ny mponina amin'ny Kaomina. Mila miasa mafy, entitra ary mahitsy tanteraka izahay. Satria tsy misy afa-tsy ny famerenana ny fanarahan-dalàna no afahana mampandroso ny tananan-tsika. Fa mila tsy mitanila ary indrindra indrindra mila mitsinjo ireo tena sahirana sy marefo.


Tompokolahy sy Tompokovavy,

Izao vao tena tonga ny fotoana anavotana an'Antananarivo, hitondrana fanovana, fandrosoana, fahazavana, fahadiovana ary filaminana. Andao hifanome tànana; andao isika hiara-hientana hiara-hiasa hanova ny fiainan-tsika, ny fisainan-tsika, ny tanànan-tsika. Isika rehetra no hifanome tànana hamerina ny hasin'Antananarivo sy ny mponiny.

Antananarivo iombonana, Antananarivo tananan-tsika”./.

Nandika an-tsoratra : Jeannot RAMAMBAZAFY
Nivoaka tao amin’ny « La Gazette de la Grande » Sabotsy 18 Janoary 2020

Mis à jour ( Samedi, 18 Janvier 2020 15:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety