]
Les quotidiens du 15 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Jeannot Ramambazafy. Misy raha tokoa “La Terre”

Jeannot Ramambazafy. Misy raha tokoa “La Terre”

Ny Filohan'ny Holafitra ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM), Gérard Rakotonirina, sy ny namana Jeannot Ramambazafy

Nantsoan'ny sampana “cybercriminalité” an'ny Pôlisy ao Anosy, omaly 13 Febroary 2020, ny namana mpanao gazety Jeannot Ramambazafy. Tsy nahalala ny tena antony izy raha tsy tao. Ary dia misy raha tokoa “La Terre”... Marihina fa notronin'ny Filohan'ny Holafitra ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM), Gérard Rakotonirina, izy.

Io  “convocation” eo ambony io no navoakan'ny namana Jeannot Ramambazafy teo amin'ny rindriny Facebook saingy nesoriny ny ambony sy ambany. Fa eto dia voaporofo mazava fa tsy izy velively no nanamboatra io taratasy namboarina io fa ilay na ireo ao ambadiky ny pejy gazety Ny Marina ihany, izay tena miantsy ny mpitandro filaminana tsotra izao. ary tsy nahalala mihitsy izy fa anaran'olona tena misy io Ravonjiarison Cousin Germain io fa tsy noforonina

Raha namoaka ilay “convocation” namboarin'ilay na ireo ao ambadika ny pejy gazety “Ny Marina” ao amin'ny facebook ny namana Jeannot Ramambazafy dia izao ny antony : mora tokoa no manova taratasy na sary amin'ny alalan'ny “photoshop”. Ka fiantsoana na “convocation” an'i Ny Rado Rafalimanana no namboarin'ilay na ireo manimba tanteraka ny asa fanaovan-gazety amin'ny alalan'ny pejy voalohan'ny “gazety” nomeny anarana hoe “Ny Marina”, kanefa dia teny ratsy tsy fampiseho masoandro ary fanompana ny Filoham-pirenena sy ny Filohan'ny HCC amina voambolana tena mahatsiravina no hita eo.

Io “convocation” eo ambony io no namboarin'ilay na ireo ambadik'ilay pjey gazety Ny Marina ao amin'ny Facebook. Mitovy tsy misy valaka hafa tsy ilay anarana. Mety misy antony io fa tsy ho fanta-tsika raha tsy tratra ry zalahy mihevitra fa mbola hiriaria ela. Tadidin-tsika moa ilay nilaza fa nirodana ny tonelina Ambanidia sy ny hafa mpanely tsaho toa izany teo aloha?

Io “convocation” io dia misy ny datin'andro niantsoana an'i Ny Rado Rafalimanana sy ny adiresin'ity farany. Fa ny anarany kosa dia nosoloiny tamin'ny hoe Ravonjiarison Cousin Germain. Io taratasy namboarina io izany no navoakan'ny namana Jeannot Ramambazafy eo amin'ny rindriny Facebook. Ary tsy nahalala mihitsy izy fa tena anaran'olona tena misy any io anarana io ary anarana ana mpampianatra eny amin'ny ambaratonga ambony. Dia io izany no nitory azy raha nihevitra izy fa i Ny Rado no nanao izany.

Ny antony namoahany io taratasy namboarin'ilay ny ireo ambadika ny pejy gazety “Ny Marina” -fa tsy namboarina izy Jeannot Ramambazafy velively-, dia fampisehoany fa mora tokoa ny manova taratasy ofisialy ary nihevitra izy fa anarana fanaovana ohatra fotsiny ihany io fa tsy anarana olona tena misy. Fa nampiany ny adiresy tokana URL (Uniform Resource Locator na localisateur uniforme de ressourceamin'ny teny frantsay) an'ilay pejy Gazety “Ny Marina” kosa ilay lahatsoratra niaraka tamin'ny famoahana ilay fiantsona sandoka. Izany nataony dia ny ahafahan'io sampana “cybercriminalité” nampiantso azy io, mba hikaroka ny adiresy IP-n'ilay pejy gazety “Ny Marina”.

Ny adiresy IP (Internet Protocol) an'io http://mobile.facebook.com/gazetymarina/ io no tokony tadiavin'ny sampana "cybercriminalité" na ny an'ny Polisy na ny an'ny Zandary satria tena ilay asan-gazety mihitsy no ataon'ny sasany tsinontsinona

Ny adiresy IP (Internet Protocol) dia isa tokana (toa lava-tondro) ana solosaina iray izay miditra ao amin'ny aterineto (Internet). Tsy azo ovana izy io ary hita foana ilay solosaina nampiasaina n'aiza n'aiza misy anao eto an-tany. Rehefa tratra ilay na ireo nampiasa azy ireo dia ho fantatsika ary koa hiseho tena ry zareo no mpamoaka taratasy na sary ovana amin'ny alalan'ny “Photoshop” na “Paint”.

Ny tohin'ny raharaha dia izao : na tohizin'ny mpitory ny fitoriany dia miakatra tribonaly ny raharaha na manaiky ny fialan-tsinin'i Jeannot Ramambazafy ny Pr Ravonjiarison Cousin Germain ary esorina eo amin'ny rindrin'ny namana Jeannot ilay fiantsoana namboarina misy ny anaran'ingahy Ravonjiarison.

Ka dia ho hitantsika miandalàna ny fivoaran'ity raharaha ity. Fa isaorana eto aloha ny Filohan'ny OJM, Gérard Rakotonirina, tsy niamboho adidy, ary hisaorana mialoha ihany koa ny sampana “cybercriminalité” ao amin'ny Pôlisy hanao izay tratrany hanatratrarana ilay na ireo ambadika ny pejy gazety “Ny Marina” manala baraka tanteraka ny asa fanaovan-gazety Malagasy.

Tsimba, La Gazette de la Grande ile – 14.02.2020

Mis à jour ( Vendredi, 14 Février 2020 07:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety