]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo EKAR. Mbola tsy misokatra ny Fiangonana Katolika

Antananarivo EKAR. Mbola tsy misokatra ny Fiangonana Katolika

Hafatra avy amin'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, ho an’ny mpino katolika ao anatin’ny Diosezin'Antananarivo

Ry havana,
Homba antsika mianakavy mandrankariva anie ny Fiadanan'Izy Tompo. Faly mamerina amintsika ny fiarahabana tratry ny Fetin'ny Paka, fa teny amin'ny haino aman-jery isika no nifampirary an'izany. Ary samy mangetaheta ny hihaona any am-piangonana hiara-midera sy misaotra an'Andriamanitra indrindra tamin'ny fetin'ny PAKA teo isika; nefa tsy afa-nanoatra isika.

Na izany aza dia fantantsika fa misy antony lehibe ara-pahasalamana no nahatonga ny fanakatonana ny Fiangonana rehetra. Isaorana ny mpiray Fiangonana tao amin'ny FFKM sy ny hafa koa niara-nanaiky io fandaminana io.


Ary anisan'ny nanampy tamin'ny fiadiana tamin'ny fiparitahan'ny valan'aretina Corona Virus izany.
Isaorana manokana ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, tarihin'ny Son Eminence Kardinaly Désiré Tsarahazana manome toromarika mazava hatrany am-boalohany, nifanaraka tamin'ny fanambarana ny famehana ara-pahasalamana avy amin'ny fitondrana, ka nangataka ny hanakatonana ny Fiangonana Katolika.

Misy telo ny fanambarana nalefan'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, ka ny farany dia tamin'ny 23 aprily 2020 no nilazany fa noho ny fitohizan'ny famehana ara-pahasalamana dia tohizina izay efa nataontsika teo aloha,
izany hoe:


- Mankalaza ny Sorona Masina isan'andro ny Eveka sy ny Pretra ary alefa amin'ny fiataovan-tserasera araka izay fahafahana manao an'izany mba hiombonan'ny vahoaka izay mijanona any an-trano.
- Mikasika ny fahafahana mivavaka am-piangonana dia anjaran'ny Eveka isaky ny Diosezy ny manome toromarika amin'izay tokony atao.

Ka ho antsika Kristianina Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo dia:
1- Mbola tsy misokatra ny Fiangonana Katolika eto amin'ny Diosezy Antananarivo
2- Mitohy ny fankalazana ny Eokaristia ataon'ny Pretra ao am-piangonana
3- fa tsy atrehin'ny vahoakan'Andriamanitra
4- entanina ny Kristianina hanaraka ny Eokaristia Masina amin'ny alalan'ny haino aman-jery : Radio Don Bosco sy Fahitalavitra IBC sy Dream'in samy amin'ny 9 ora maraina ny alahady, ary koa ny TVM
5- Ankoatry ny fandaharana mivantana miainga ety amin'ny Katedraly Andohalo sy ao amin'ny Radio Don Bosco dia tsy misy Paroasy afaka mandefa fandaharana amin'ny haino aman-jery na aiza na aiza.
6- Ny any an-tokantrano samy hiomana tsara ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana: anatin'izany ny toerana, ny fitafy; toy ny manatrika ny fotoam-pivavahana any am-piangonana ihany. Tsy misy zavatra hafa atao fa mifantoka tsara amin'ny ny vavaka.
7- Hiditra amin'ny volana may isika, afaka andro vitsy, izay volan'i Masina Maria, ka entanina hanao Rozery sy hanao ny litanian'ny Virjiny Masina isanandro ny isan-tokantrano mandritra izany volana izany.

Fanamarihana
Manankery hatrany ity fanambarana ity mandram-pisin'ny fanambarana manaraka, araka ny fivoaran'ny toe-draharaha ara-pahasalamana eto amin'ny Firenena.

Sady mankahery anareo rehetra no mitsodrano anareo homban'ny Fahasoavan'Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina.

 

Antananarivo ny 25 avrily 2020
Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA
Arsevekan'Antananarivo

Mis Ă  jour ( Samedi, 25 Avril 2020 18:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety