]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Portrait Toliara Hopitaly manara-penitra: Terak'i Andry Nirina Fenitra Gustave

Toliara Hopitaly manara-penitra: Terak'i Andry Nirina Fenitra Gustave

Toliara, 12 Jolay 2013. I Andry Nirina Fenitra Gustave, dia zaza voalohany teraka tao amin’ny Hopitaly marana-penitra ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina mivady ny 15 Jona 2013. Tsy asiana resabe fa jereo ny video etsy ambony. Fahatsiarovana tsy misy toa izany ho an’io zaza io sy ho an’ny fianakaviany, satria dia mamaim-poana daholo ny fitsaboana manodidina io fiterahana io. Ary na iza no hiteny, na iza no hanambara, dia tsy ho voakosoka ao anatin'ny Tantaram-pirenena malagasy izany toe-javatra tsy mba hita tao anatin'ny 53 taona niverenenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara. Sa iza amin-dry filoha teo aloha isany Didier Ratsiraka, Zafy Albert sy Marc Ravalomanana no nanangana foto-drafitr'asa tsy ho an'ny tenany manokana fa ho an'ny vahoaka malagasy ? Ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ao Anosy Antananarivo, dia ny taona 1970 no natsangan'ny fitondrana Philibert Tsiranana, ary vola avy amin'ireo mpamatsy vola avy any ivelany -vao tonga hambotry ny Malagasy amina fampindramam-bola misy zanany mihaom-pampana- no nanamboarana azy. Tokony ho fantatr'ireo tanora malagasy ankehitriny izany, fa tsy ho variana mijery na mamaky ny rediredy hiarovana ny tombontsoana olo-tokana. Sa mbola hisy ho sahy hilaza fa ny Magro, ny Tiko, ny Mana ao anatin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, sns, dia an'ny firenena malagasy, an'ny vahoaka malagasy ? Tanim-panjakana sy tanin'ny miaramila nosolokiana ary volam-panjakana nahodina daholo no nanorenan'i Marc Ravalomanana ireo ho azy sy ny fianakaviany.

Angamba tokoa ny Lapan'ny TanĂ nan'Antananarivo, ny "Temple du rugby" ao Andohatapenaka, ny "Coliseum de Madagascar" ao Antsojombe, ireo Hopitaly manara-penitra notokanana hatramin'izay dia voasoratra amin'ny anaran'ny Injet na amin'ny anaran-dry Rajoelina mianakavy ? Ka ny Fmi sy ny Banky iraisam-pirenena no namatsy vola ? Ka omeo porofo ary e ! Dia avoakako eto.

Raha tsy misy izany porofo izany dia aza mihezaka manaratsy fahatany sy miaro olona tsy nanasoa ny firenena velively, matoa noroahin'ny vahoaka izay nifidy azy (1972, 1991, 2002, 2009). Asa koa fa fanonganam-panjakana daholo ireo e... I Zafy Albert aza -izay saika maty teny akaikin'ny lapan'ny Iavoloha, ny 10 Aogositra 1991-, dia tsy mba nahatsiahy na iray segondra aza ireo maty nanodidina azy, fony izy Filoham-pirenena. Kanefa anie izy no nitarika ilay "Diaben'ny Fahafahana" tamin'io 10 aogositra io e ! Jereo ny VIDEO eto. Tsy mahagaga raha ratsy fiafara izy satria nitaky ny ràn'ireo maritiora notsinontsiniaviny. Izy ny Filoham-pirenena malagasy voalohany naato tamin'y asany ("empêché") amina fomba ara-dalàna. Izany hoe olona tsy nahavita azy ny dikany. Izay no tadidin'ny Tantara. Ka avelao izy hanohy ny redirediny. Efa masoandro mody koa anie izy e ! (86 taona izao ny Profesora Zafy rey olona ô).

Tsy afa-bela amin'ny Fitsaran'ny Tantara koa ianareo rehetra nanao ratsy sy ianareo fatra miaro azy ireo. Satria tsy ho voakosoka daholo akory ny "zava-bitanareo", afaka 10, 20 eny 50 taona aza. Ny mpitondra mandalo fa ny firenena -izany hoe ny vahoaka malagasy- mitoetra. Toa ny sainam-pirenena, ny hiram-pirenena ary ny fotodrafitr'asa natsangana.

Fa marina tokoa fa ny ratsy sy ny maizin-tsaina dia mahita sy hahita tenenina foana. Nankaiza sy mankaiza ary ho ankaiza daholo anefa ? Tsy ho hita popoka toa an'i Jodasy. Aorian'ny Filoha Andry Rajoelina, hisy Filoha afa, ary aorian'io Filoha afa dia hisy afa ihany koa, fa tsy nijanona teo amin'i Tsiranana, na i Ratsiraka na i Zafy na i Ravalomanana na i Rajoelina akory ny fiainan'ny firenena malagasy. Ary ny tany dia hiodina foana na eo na tsy eo intsony ireo mpitondra ireo. Na tsy eo intsony koa isika mbola velona amin'izao vaninandro izao. Sa misy olona tsy mety maty mihitsy eto an-tany ? Asa...

Jeannot Ramambazafy - 14 Jolay 2013

Mis Ă  jour ( Dimanche, 14 Juillet 2013 11:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO