]
Les quotidiens du 24 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Hery Rajaonarimampianina: Izy sy Andriamanitra no hifampitana izany…

Hery Rajaonarimampianina: Izy sy Andriamanitra no hifampitana izany…

FORMAT PDF ETO

Mitaratra amin’ireo sary rehetra eo ambony ireo ny ho Tantaran'ny nandalovan'Ingahy Hery Martial Rakotoarimanana Rajaonarimampianina teo amin'io fitondrana nindramina io, atsy ho atsy… Ho azy manokana ity lahatsoratra ity, amin'izao andron'ny Paska 2014 izao.

Nianiana ianao ary tsy kilalao an-jaza akory izany fomba izany. Ary teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka Malagasy ianao no nanambara izao manaraka izao:

ETO NY VIDEO TSY HO VOAFAFA MANDRAKIZAY

« Eto anatrehan'Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho fa hanantanteraka an-tsakany sy an-davany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha-Filohan'ny Firenena Malagasy ahy. Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon'olombelona. Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàmpanjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an'ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka »

Marina tokoa fa misy ny fisarahan’ny fiangonana sy ny fanjakana. Io ilay hoe “laïcité de l’Etat”. Kanefa ny olom-pirenena dia manana ny finoana tsirairay avy. Ary ny "tsy finoana" ("athéisme") aza dia finoana ihany koa.

Ny mamadika pejin'ny tantara akory tsy midika hoe mamadika ny teny nomena

Ka izao ry zandry (Na tianao na tsy tianao, zandriko aman-taona ianao, ary izany hoe filoha “hajaina” izany efa tamin’ny andron’ny amiraly fa tsy hoe voatery miteny izany, raha tsy izany tsy manaja mpitondra iray): Andro Paska ny andro androany nanoratako izao. Mba natory tsara ve ianao io niatrika an’Andriamanaitra amina fotoam-pivavahana nakotroka? Raha ny fahafantarako ireny tranga rehetra taminy ianao kandida ireny mantsy, dia miaiky anao aho, mbola sahy manonona ny anaran’Andriamanitra sy manatrika fotoam-pivavahana. Satria fantany fa fihetsika feno fiatsarana ivelan-tsihy izany. Ary tsy Andriamanitra intsony koa no atahoran’ny ankamaroan’ny olombelona nanatrika tao fa ianao miseho manana ny fahefana rehetra eto Madagasikara.


Ary mahatoky koa aho fa ny toriteny natao androany alahadin’ny Paska 2014 dia nikasika indrindra ny momba anao manokana. Dia mahatoky tena tokoa ianao, amin’izao vanindrandro izao, fa azonao daholo ny voninahitra, harena, vatosoa sy volamena, ka ny lanitra sisa no ho takarina, satria “voahosotr’Andriamanitra”. Filoha voafidy ianao; filohan’ny mpitsara ianao ary mbola lehiben’ireo mpitandro ny filaminana rehetra misy eto Madagasikara koa. Ireo ny herinao eto anivon’ny vahoaka malagasy. Vahoakan’Andriamanitra anefa ireo sao adinonao koa, toa ny laka-nitàna sy ny fifanarahana nofiranao tsotra izao, satria lasa “Prezidà” ianao e ! Lehilahy lehibe nahavita tena samy irery izany ianao ka dia arahabaina e !

Adala daholo izany, aminao, ireo vahoaka ireo ?

Fa ny zavatra tsikaritry ny maro an’isa aloha, raha miala amin’iny fianianana nakotrokotroka iny, dia mpandainga ianao eo anatrehan’Andriamanitra izay misedra anao manomboka izao, fa tsy hoe nomeny ireo fahefana ireo velively. Aza mandiso sy mamita-tena mihitsy ianao! Ny vahoaka azonao fitahana fa Andriamanitra tsy azonao fitahina mandrakizay. N’inona n’inona ny antony.

Tantara hitohy tokoa io fandaingana eny anivon'ny Lapa io...

Mpandainga! Inona moa no hanenjehin’ireo mpiohoka eo anatrehanao ireo ahy? Maniratsira filoham-pirenena? Asaivo mamaky Baiboly izy ireo, satria izao no voalaza ao: Mifanohitra amin’ny marina ny hoe lainga. Filazana zavatra tsy marina amin’ny olona iray manan-jo hahafantatra ny marina izy io, amin’ny ankapobeny. Ny tanjona amin’izany, dia ny hamitaka an’ilay olona na hanisy ratsy azy na ny olon-kafa.


Avy amin’ny matoanteny hebreo hoe “ka·zav′” ny hoe milaza zavatra tsy marina (Ohabolana 14:5). Ny matoanteny hebreo hoe “sha·qar′” indray, dia midika hoe “mandainga” na “mivadika”. Avy amin’io teny io ny hoe “lainga” sy ny hoe “tsy azo itokiana” (Levitikosy 19:11; Salamo 33:17 sy; Isaia 57:4). Adika hoe “lainga” ny teny hebreo hoe “shaw′” indraindray, ary matetika izy io no manondro zava-poana, asa very maina, na zavatra tsy misy dikany (Salama 12:3; Deoteronomia 5:17; Salamo 60:11; 89:17; Zakaria 10:2). “Mandiso fanantenana” kosa no hevitra voalohan’ny matoanteny hebreo hoe “ka·chash” midika hoe mamitaka (Levitikosy 19:11; Hosea 9:2).

Tsy avela ho rano raraka fotsiny io voalazan'ny andininy faha-54 io. Misy fotoanany ny zava-drehetra eto ambon'ny tany (Ny Mpitoriteny)

Tsy mila iverenako eto ny fanitsakitahanao ny Lalampanorenana -niarahana, ary mbola hiarahana amin’ireo olona feno fankahalana efa voasesikao vola sy lainga tsara lahatra ary fampanantenana poak’aty-. Narirariranao daholo izao tontolo izao nandritra ny telo volana. Inona anefa ny vokany? Tsy fanendrena olona fa safidy manokana no nataonao, avy amina vondron’olona samihafa izay tena nanompa anao ary tsy mba nanotrona anao na iray segondra aza tamin’ireny fampielezan-kevitra ireny. Ao koa ireo nanara-dia anao amin’ny fahaizana mamadika noho ny voninahitra, harena, vatosoa sy andramena… Ny soratra sy vidéos mitoetra raha ilaina ireo.

Me Hanitra Razafimanantsoa sy Jean Max Rakotomamonjy. Toa mamo miantso polisy satria mitaky fatratra ny fandravana ny biraon'ny Antenimieram-pirenena, nefa dia nandray anjary soa aman-tsara tamin'ireo fifidianana rehetra natao ny 18 sy 19 Febroary 2014 tao Tsimbazaza. Ireto olona roa ireto aloha dia sady tsy misy trano-kenatra intsony no tsy matahotra an'Andriamanitra mihitsy

Atsy ho atsy izao -satria mihevi-tena ho andriamanitra kely latsaka an-tany ianao na koa hoe nahazo tso-drano avy any amin’Andriamanitra- dia ny mpanatanteraka (“Executif”) indray no ho terenao handrava ny mpanao lalàna (“Législatif”) voafidy ara-dalàna. Ny Antenimierampirenena izany resahiko izany. Aminy maha andriamanitra kely anao moa dia adino tanteraka ka tsy misy dikany izany hoe fisarahan'ny fahefana ("Séparation des pouvoirs"). Ary dia ho hamasin’ilay Fitsarana avo mahataka-danitra (HCC) efa ho lasa mpanomponao tanteraka, satria ianao ny sefon’ireo mpitsara ho mpikambana ao atsy ho atsy. Satria ianao tokoa ilay hoe “Président du Conseil de la magistrature”. Dia avy eo amin’izay ho avy ny ramatahora, amin’ny anaran’ny Malagasy 20 tapitrisa, satria ianao no « Chef suprême des forces armées ». Tsy zava-baovao teto Madagasikara -eny eran-tany koa aza-, izany fomba izany, ary ny Tantaran’ny zanak’olombelona no vavolombelon’izany. Adino tanteraka ve ny niafaran’ireo filoha efatra nialoha anao tamin’io toerana io ? Izay nanitsakitsaka ihany koa ny teny nomeny tamin'izy ireo nanao ilay finianana nitovy tamin’io 25 Janoary 2014 io ? Ny « herinao » dia tsy « vaovao » izany akory, fa tonta be toa ity tany fandalovana ity.

"Tsy manaraka izay voalazan'ny Lalampanorenena ny nanendrena io Praiminisitra io", hoy Maharante Jean de Dieu, vao tsy ela, alohan'ny nandadiladiany teny Iavoloha ka dia lasa minisitry ny Raharaham-panjakana ny lehilahy. Izy dia santionan'ireo tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany ihany. Akory atao... Adinony tanteraka ny nahatonga azy tafaverina an-tanindrazana (7 taona sesi-tany tany Andafy tany) sy naha voafidy solombavambahoaka azy (Mapar). Vakio re ny tantaran'i Jodasy ao amin'ny Baiboly e !

Milaza koa ianao fa olona matahotra an’Andriamanitra. Ny marina anefa, dia ianao mihitsy no mihevitra fa lasa andriamanitra kely ka mahazo manao izay tianao atao, "amin’ny anaran’ireo Malagasy 20 tapitrisa". Satria io indray ny teny filamatra aorian'ny revolisiona sy paradisa sosialista, ny "financements parallèles", ny "république humaniste écologiste" ary ny 4L mampiesona (MAP) isan-tokan-trano. Inona moa izany no azo ataon’ny valalabe tsy mandady harona ? Ao ny hiankohoka aminao, satria izany fomba izany no efa nizàrana azy ireo nandritra ny am-polo taona maro. Sao kosa mba mahazo pitin’ireo vola be hikararana...

Be koa anefa ireo hangina fa hitana ao am-pony ao fa “Andriamanitra tsy andrinao andrinay foana”. Atody ve hiady amam-bato? Aleho maty rahampitso toa izay maty androany… Tsy ireo akory no hanenjika anao fa ny eritreritrao. Ary rehefa potraka eo ianao -tsy maintsy ho avy izany fotoana izany- dia ho jeren’ireo fotsiny miaraka amin’ny latsa isan-karazany. Eny, na ireo manodidina anao aza tsy hahalala anao intsony satria tsy “vaovao” ny tantaran’i Petera.

Ka inona sisa, Andriamatoa filoha voafidim-bahoaka, Hery Rajaonarimampianina, fa dia ianao sy AndriamanitraTokana sy Iray sisa no hifampitana izany? Inona moa no atahorako manonona ny anaranao? Ianao aza manonona ny anaran’Andriamanitra nefa jereo ity nanohizanao ilay fianianana: "nizahozahovanao"...("JE suis le président élu par le peuple") ary tena "zava-dehibe loatra izany"...

Ahmad. Tompon-dakan'ny fanendrehana ny baolina kitra malagasy, tao anatin'ny folo taona, lasa minisitry ny Jono. Asa, iza tokoa no nanjono an'iza ?...

Aminy maha olombelona sy olom-pirenena aho dia tsotra ny teniko: aza adino fa diavolako ho lava ary ny kilalao mbola ho ela. Izao aloha dia aleho mihira ny hoe: “tsy resy tsy akory ny olo-mangina”. Fa tsy maintsy ho avy aminao ny fotoana hanohizana io tokon-kira io ka “vetivety ianao dia ho gina”. Tsy manozona anao aho akory fa misy farany ny zava-drehetra eto ambonin’ity tany fandalovana ity. Mpandainga ianao, arak’izay voalaza ao anaty Baiboly, ary mbola handainga foana. Zava-poana anefa izany na dia hitsara tena tahak’i Jodasy sy Petera ianao, fa manomboka manisa andro hijanonanao eo amin’io toerana tsy sahaza anao io ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa nofitahinao tao anatina telo volana monja. Indrindra ireo nifidy anao. Ianao no ho tadidin’ny Tantara fa ilay filoha tokony tsy ho filoha. Ary izay indrindra no mahatonga anao nanao, manao ary mbola hanao fihetsika feno fitaka.

MENARANA !

Koa matahotra an’Andriamanitra tokoa ve ianao? Tadidio ary fa i Satana no mpandainga voalohany teto ambonin’ny tany, namitaka an-dry Adama sy Eva, tamin’ny alàlan’ny menarana. Amin’izao fotoana izao dia maro be ireo menarana ireo ao an-dapa ao. Ka tandremo sao lahy dia ianao indray no ho kakeriny…

Ny ati-panahy dia ny fomba fijeren-tsika ny zava-mahitsy sy marina ara-moraly tsotra izao, na koa ny fiverenan’ny zavatra nataon-tsika ihany ("nul ne peut se prévaloir de sa propre turpitude" - aminy teny latina etsy ambany)

Iza no hamonjy anao amin’io ora farany io? Na ireo fatra mpiaro anao amin'izao fotana izao, noho ny fanantenana fa hisy tombontsoa homenao azy aza dia hitodi-damosina anao ary hanaratsy anao tanteraka. Satria ny tody tsy misy fa ny nataonao ihany no hifototra aminao. Amin'izao fotoana izao aloha, anao ny fahefana (na mandalo fotsiny ihany), fa an'Andriamanitra kosa ny voninahitra mandrakizay. Ary dia tsy manana mpanohitra ara-politika tokoa ianao hatreto... Fa ny lainga -na tsara lahatra aza-, zandry, tsy halevon'ny Marina na aoviana na oviana. Satria ny Fahamarinana avy any amin'Andriamanitra ka tsy mety ho faty mandrakizay doria ihany koa.


Farany dia farany: NEMO AUDITUR PROPRIAM TURPITUDINEM ALLEGANS. Amen !

Jeannot Ramambazafy, Alahady 20 Aprily 2014, andron’ny Paska

Mis à jour ( Jeudi, 24 Avril 2014 09:53 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety