]
Les quotidiens du 20 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Maharante Jean de Dieu. Zanaky ny faritra Atsimo amin’ny ahoana e ?

Maharante Jean de Dieu. Zanaky ny faritra Atsimo amin’ny ahoana e ?

Io ankavanan'ny sary manao solomaso mainty io Andriamatoa Rakotonandrasana Jean de Dieu Maharante fantatra koa amin'ny anarana hoe "Bevata". Dia manompa na manambany azy koa ve izany ?

Tsy laitra mihitsy ity resaka politika maloto ataona olona sendra nahazo toerana eo amin’ny fitondram-panjakana ka dia ankizy (raha oharina amin'ny taonako) no ampiasana, ampitenenina any amina televiziona, misalotra ho mpisolo tena ana faritra iray manontolo, kanefa dia ny tenany sy ny tombontsoany ihany no arovany ao anatina fanambarana izay tsy nampandroso ny firenena malagasy hatreto.

Tsy vao izao no misy «zanaka faritra » no miaka-tsehatra rehefa voakitika ny tombontsoan’ny olona atao andriamanitra kely, ka arovana fatratra amina fiteny tena mamoehatra. Ny soratra moa mitoetra ka dia ao ny tantara no hitsara azy ireo.


Fa tao anatin’ny Tantara politika nanomboka tamin’ny fiverenan’ny fahaleovantenan'i Madagasikara dia mbola tsy nisy mihitsy izany hoe “zanak’Antananarivo” ka nanao toa ireo nokaramaina ampiditra adim-poko fotsiny izao amin'ny mpiray Tanindrazana. Ka ny fanontaniako apetrako an’ireo olona maro avy any Atsimo mahalala ahy dia tsotra: iza ireo bandy roalahy ireo? Faritra atsimo aiza marina no salorany hoe solontena? Satria izany faritra Atsimo izany mantsy, miala ao amin’ny Canal de Mozambique (Menabe) ka mipaka any amin’ny océan Indien (Anosy). Sa Atsimo inona marina no tian’izy roalahy ireo ambara?

Zanaka faritra sy Tangalamena ao Frantsa aiza no nandeha niteny tao amina televiziona frantsay ka niaro an'io Filoha "hajaina" voafidy ara-dalàna io, rehefa nivoaka ireo sary roa eo ambony ireo ?

Toa tsy ampy an’Ingahy Maharante izany voatery nitsoka nanao sesin-tany tao Ris-Orangis satria niaro fatratra an’ny Amiraly Didier Ratsiraka izay nanendry azy governoran’i Toliara. Fanta-tsika ny zava-doza nataony tamin’izany fotoana izany. Dia izao indray miaro an’ny filoha Rajaonarimampianina ary dia ny teo aloha ihany no haverina. Sa tiany tena avoakako mihitsy ny tena tantarany ka ho hitan-tsika eo iza no mavandy? Ny fehiny Andriamatoa Rakotonandrasana Jean de Dieu Maharante dia izao : “Il faut cesser de monter sur ses grands chevaux”. Ny fiainana anie tsy mijanona eto e ! Sa hanody indray ny natao tamin’ny taona 1991. Ka hatsaharo manomboka izao ny mamporisika ankizy miteniteny foana toa ireo roalahy ireo. Manambany azy ireo ary manambany anao izao fomba efa nilaozan’ny toetr’andro. Na asaivo mitsangana hiaro anao ry Latimer, Fiandraza, Monja Roindefo, Monja artista… sy ireo olona hita ao amin’ireo sary manaraka ireo. Sa tsy avy any Atsimo ny Antandroy ?


Satria nivory lanonana ny zanaky ny faritra Atsimo eto Antananarivo, ny 28 Mey 2015. Tsy nisy na iray aza anefa nanao toa ny nataon’izy roalahy etsy ambany. Ireo tonga tetsy Ampefiloha tamin’io andro io anefa no tena misolo tena ny faritra Atsimo iray manontolo. Ka resaka hoe “mavandy” ve dia mahatonga an’izy roalahy ireo midingin-drambo? Mandainga no dikan’izany amin’ny teny malagasy ofisialy. Tsy ompa velively izany. Fa ingahy Maharante, izay mahalala tsara ny zava-misy ao Frantsa, mikasika ireo mpanao politika mahazo tena mafy mihoatra no izany, eny na ny filoham-pirenena voafidy aza (jereo ny sary roa etsy ambony), dia tokony mandini-tena.

Patrick Raharimanana sy Paul Mpody (Tsindrio eto)

Tsiahivina fa i Patrick Raharimanana, Kandida filoham-pirenena tamin'ny taona 2013, Malagasy avy any Mahajanga no nahasahy nilaza fa olona mavandy i Bevata, tao amin'ny fandaharana "Don-dresaka" tao amin'ny Tv Plus, ny Alahady 31 Mey 2015. Nidingin-drambo izy roalahy manaraka ireto. Adinon-dry zalahy ireto mantsy ny fanambaniana tsotra izao izay nataon'ingahy "expert" matihanina, governora Arema teo aloha, tamin'ireo nifandrina taminy, ka anisany i Paul Mpody :

Iza marina ity bandy kely ity ?

“ Ny minisitra Maharante Jean de Dieu, tsy kisendrasendra akory no nahatonga azy amin’io toerana io. Ary tsy kisendrasendra no ipetrahany aminy maha depiote io. Fa zanak’i Toliara, ray aman-drenin’i Toliara. Noho izany, tafintoana izahay (Ttf: ianareo iza ?). Be dia be anie ny olona nametraka an’iny tany e. Ary ny soa toavina any mihitsy no mahatsiaro fa voahitsakitsaka ny ray aman-dreninay. Ka tsy ankasitrahanay sady toerinay ary manameloka izay olona nanao an’iny famalian-dresaka hafa hafa mendrika tsy fanajana ny ray aman-dreninay io. Fa mampitandrina azy izahay, tsy hiverina in-droa in-telo fa tsy handefitra aminy izahay fa dia ho avy aminy ny zanaky ny faritra Atsimo Andrefana sy ny Tangalamena avy any, satria ireo daholo no nametraka azy ho minisitra io tao. Ary izahay no nobaiko tany amin’ny fampielezan-kevitra hoe: ianao Andriamatoa Depiote, aza mipetraka amina maha Depiote anao, fa miakara avo kokoa ianao. Efa tany amin’ny propagnady dia efa nazava tamin’ny vahoaka. Izay zavatra izay noho inona ? Noho izy mpiaro ny vahoaka avy amin’ny faritra Atsimo. Ary, amafisiko eto fa an-tsasa-manilan’i Toliara anie dia olona natao i Maharante Jean de Dieu soa iaby e ! Ary rariny raha manery azy hoe : aza mipetraka amin’io Depiote io anao Andriamatoa Depiote fa miakara avo kokoa. Faniriana moa ity anay zakan’i Toliara fa izahay tsy mpandidy fa mangataka ».

Mampitandrina amin'ny ahoana marina ary ? Hamono olona ? Efa "menaces en public" anie izany eo anatrehan'ny lalàna e ! Ndeha anie anontanio i expert Bevata e ! Dia sahià koa ianao milaza fa ianareo no nanome vola sy T-Shirt MAPAR azy tamin'ny propagandy ? MAPAR izay nahalany azy Depiote fa tsy ianareo velively, amin'izao fotoana izao no hirediredy! Anontanio ingahy Maharante fa nihaona izahay sy izy mikasika io tao Toliara. Ka iza no mavandy avao ?

Dia iza koa ity faharoa ity ?

“Fanambarana: izahay zanaky ny faritra Atsimo, dia mahatsapa tokoa fa anisan’ireo firenena manaiky ny fampiaràna ny demokrasia i Madagasikara eo imason’izao tontolo izao, sns…”. Ary dia naveriny indray ilay resaka "Filoha hajaina" mikasika an'i Hery Rajaonarimampianina. F'angaha niverina tamin'ny andron'ny amiraly indray izany i Madagasikara ? Sssss. Henohy ny ambiny ao amin’ilay vidéo fa tsy mendrika hosoratana eto ny redireredy bevata nataon’ity tovolahy ity.

HAVORIA 2015

Toa manambara eto i Fiandraza fa tokony akarina ambony kokoa ny adihevitra fa tsy atao mirefarefa amin'ny tany hanala baraka ny faritra Atsimo iray manontolo

Jeannot Ramambazafy

Sary Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Lundi, 08 Juin 2015 17:57 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety