]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Jeneraly Florens Rakotomahanina. Ho an’ny Tanindrazana tokoa ve ?

Jeneraly Florens Rakotomahanina. Ho an’ny Tanindrazana tokoa ve ?

Eo afovoany : Rakotomahanina Florens, fony izy Kolonely ary lehiben’ny CFS («Commandement des Formations Spécialisées») ao Ivato. Izy izany no nampianatra ireo anao izao karazana fisamborana « vaovao » ara-dalàna izao, manomboka eto. Fa tsy mahay stratejia miaramila fa didy jadona no ampiariny. Inona no niakarana tany anatin’ny Oniversite fa tsy niandry taty ivelany ? Zandary ireo ary mino aho fa mivadibadika ao am-pasana ny Kolonely Ratsimandrava. f'iza no miteny koa fa miombo-kevitra amin'iny fisamborana feno habibiana iny ny "Bérets noirs" rehetra?...

Talata 1 Septambra 2015. Nilaza ny Jeneraly be Florens Rakotomahanina, tao aminy Tv Plus, fa nanohitra, hono, i Jean-Pierre. Araky ny tatitra voarainy, hono, dia nisy hazo teny an-tànany. Nanambara ihany koa izy fa fitandroana ny ain’ilay samborina ny fisamborana azy ainga dia aingana. Ary ara-dalàna ny fomba nisamborana an’i Jean-Pierre.

Tsotra ny fanontaniana eto. fitandroana ny ain’i Jean-Pierre izany no nidaroana azy? Ny notaritana azy toa fatin’alika ? Ny namelazana azy ireny herin’aratra ireny ? Ny nametrahana azy tao ambany seza toa ireny biby ireny ?


Taiza izao habibiana izao no nitranga? Tsy tao anatin'ny faritry ny Oniversite? Fa naninona an'ireto mpitandro filaminana mirongo basy ireo fefy hazo ireo? Angaha hanamboatra fa tsy ny hanimba ihany no ao an-doha?

Taiza moa i Jean-Pierre no nosamborina? Tsy tao anatin’ny faritry ny Oniversite ? Tsy fantatr’ingahy Jeneraly be angaha izany hoe « franchise universitaire » ? Izany hoe tsy azon’ny mpitandro filaminana hidirana mihitsy ny faritra raha tsy nahazoana alàlana ary antony tena tsy azo iodivirana. Tsy vitany ny niditra amboletra ireo mpitandro filaminana ireo fa mbola nosimbaina ihany koa ny fefy hazo.

Asa, tokony handefasana ilay « vidéo » (ETO) io Jeneraly io ary mba handinika raha ny zanany no atao toa io dia ahoana? Sa tsy niteraka izy? Avy any ambanivohitra io mpianatra taranja Malagasy io, taona voalohany ao amin’ny « Faculté des Lettres ». Izany hoe sahirana ara-pivelomana ihany ny ray alan-dreniny. Fa mba maniry hanohy fianarana. Fa izao dia hiakatra fitsarana ka ny antony niampangana azy dia « famoriana tsy nahazoana alàlana »; « manohitohina ny filaminam-bahoaka; « faniratsirana »; « tetika fanongam-panjakana ». Fa inona loatra no tena atahoran’ingahy Filoha voafidim-bahoaka no dia ankizy mpianatra avy any ambanivohitra any no eritreretiny fa mety hahavita hanongana azy e? Fa nanao ahoana ny fahazazany sy ny fahatanorany tao antsofinondry? Sa tsy nanampy azy ireo ray aman-dreniny fa tonga dia nalefa tany Andafy i Beloha?

Manao solomaso mainty : Rakotomahanina Florens, niakatra Jeneraly kintana roa, nahazo aina be ary vonona hiady amin’ny vahoaka fa tsy ho an’ny vahoaka, hiarovana ny mpitondra sendra mandalo amin’izao vaninandro izao. Dia avy eo ?...

Ianao kosa, ingahy Jeneraly be kintana roa dia tsotra ny teniko ho anao : tokony mba mamelabelatra kely ianao ao aminy Tv Plus ny tena dikan’ny hoe : « Ho an’ny Tanindrazana » sy « Fahavalom-pirenena » ary « Tandroka aron'ny vozona ». Vozon'iza marina no tandrovana amin'izao fotoana izao? Ary satria tokoa, hatreto, dia hampitovianao amin’ireo dahalo ny mpianatra eny Ankatso eny. Tsy vao izao no nisy grevy teny, fa mbola tsy fahita ity fisamboranana « vaovao » ara-dalàna ity… Teo alohan’i Hery Rajaonarimampianina nisy filoha voafidy teto ; ary aoriany mbola hisy ihany koa fa tsy misy izany filoham-pirenena maharitra eo mandrakizay.

Jean-Pierre sy Me Willy O là là izay niaraka nitolona taminay tamin'ny taona 1972 ary voasambotra teny Ankatso ny 12 May 1972 ka nalefan'i Tsiranana tany Nosy Lava. Naninona i Dadabe avy eo? May ny Lapan'ny Tanàna ary nomeny an'i Jeneraly Ramanantsoa ny fitondrana. Maty izy ny taona 1978 ary tsy tafaverina teo amin'ny fitondrana intsony izy sy ny antoko Psd izay lasa Hvm amin'izao fotoana izao...


Dia "normal" sy ara-dalàna tokoa io ry Jeneraly be an!?

Asa ianao r'ingahy Jeneraly Be raha be ambo-po toa ingahy Rivo Rakotovao -izay vao nahazo fahefana nindramina dia nanagadra ny mpanao gazety zanaka Jean Luc Rahaga sy Didier Ramanoelina- fa lazaiko aminao fa voninahitra lehibe ho ahy ny hosamborina satria, ohatra, maniratsira anao. Tsy ampahafirin’ireo zoky mpanao gazety nigadra satria nilaza ny zava-marina sy tena nisy ary nitranga teo amin'ny firenena. Tsy ny fiainanao manokana (« vie privée ») koa no resahina eto fa fiainam-pirenena. Ary tafiditra amin’izany izahay mpanao gazety vavolombelon’ny Tantara nisy, misy ary mbola hisy.


Tena ara-dalàna tokoa izany ny fampiasana ity fitaovana misy herin'aratra nefa i Jean-Pierre efa amin'ny tany? Io izany dia hahavita hanongana an'i Hery Rajaonarimampianina? Sssss. Fakanosana goavana izany ry be basy sy be boty a ! Dia tsy tahotra, tsy henatra fa sahy ny milaza fa "tany tan-dalàna i Madagasikara". Lalànan'ny be sandry?

Ka hatraiza ny fahefanao ary? Tsy fiantsiana akory izany fa raha ny taonako izao efa tokony ho « Général de Corps d’armée » aho. Ary tsy manaiky sy tsy hanaiky mihitsy ny ataonao toa olo-dia very saina tsy ampy fianarana sy solaitra ka fahanàna fanazavana ho ana zazakely dimy taona. Fa alehoko nanao mpanao gazety satria mampiatrà ny tena fitiavan-tanindrazana io asa io, raha toa ka tsy atakalo valopy tsy mahatonga hatrany amin’ny zafiafy aloha e.


Farany: natao hanompo sy hiaro anay vahoaka sy ny fananay ny antom-pisianareo fa tsy misy ny ankoatra izay. Raha tsy mazava aminao dia any amin’ny tribonaly mifankahita dia hita eo iza no ho afa-baraka. Fa mbola ao ve anefa ny tranon-kenatra ao aminao sa lasa « robot » maty eritreritra tsy mahalala sy matahotra an’izany Andriamanitra izany? Aza adino fa avy any amin’ny vaohaka daholo isika ary ny vahoaka ny maha-firenena ny firenena iray fa tsy ny mpitondra izay mandalo fotsiny ihany dia: Philibert Tsiranana (1960-1972); Didier Ratsiraka (1975-1993/1996-2001); Zafy Albert (1993-1996); Marc Ravalomanana (2002-2009); Hery Rajaonarimampianina (2014- ?).

Aey aza hafangaro mihitsy, aza fady, ny fotoana tetezamita nisy teto. Olona tsy voafidim-bahoaka no nitondra dia : Jeneral Gabriel Ramanantsoa (1972-1975), Kolonely Richard Ratsimandrava (1975), Jeneraly Gilles Andriamahazo (1975), Zafy Albert (1991-1993), Norbert Lala Ratsirahonana (1993), Andry Rajoelina (2009-2013).

Jeannot Ramambazafy – 1 Septambra 2015

Mis à jour ( Jeudi, 03 Septembre 2015 06:21 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety