]
Les quotidiens du 20 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Madagasikara 2016. Ireo fototra niavihan’ny loza hitranga

Madagasikara 2016. Ireo fototra niavihan’ny loza hitranga


Roa ny fanontaniana apetraka eto amin'ny famaranana ity taona 2015 ity:

1. FA MANANTENA INONA TOKOA ITY FITONDRANA HVM/RAJAONARIMAMPIANINA ITY AMIN'IZATO FOMBA RATSY TSY NAMPANDROSO NY FIRENENA NANDRITRA NY 40 TAONA MAHERY, KANEFA MBOLA AVERINY IHANY?

2. INONA NY ANTENAIN'IREO VAHOAKA MALAGASY TSY MANDADY HARONA, TAMPI-DALAN-KALEHA LAVA IZAO, SATRIA DIA MBOLA MPITONDRA TSY TIA TANINDRAZANA SY TSY TIA AZY IREO INDRAY NY MANJAKA, MANJANAKA SY MANJAKAZAKA ETO AMIN'NY TANY NIAVIANY SY HILEVENANY?

Mitovy ny valiny: hivarina an-kady daholo. Ny maha-samihafa azy dia ireo voalohany mandalo dia manimba fa kosa tsy maintsy hanefa ireo rehetra nataony tamin'ireo faharoa izay mitoetra ka hitsara azy ireo vao hamerina anarina indray ny fiainany. Ao anatin'izany anefa, indrisy ry mpiray tanindrazana, hiemotra 40 taona ny firenena. Misy fetrany anefa ny zava-drehetra ka io ny Tantara efa mitsàra azy rehetra.

Efa tamin’ny Paska 2015 no nanoratako ity lahatsoratra ity, izay nampiako tamin’ireo tranga faramparany niseho. Kanefa moa tsy nisy fiovana mihitsy teo amin’ny fitantànana ny firenena ary ny Tantara moa, rehefa tsy mahalala azy, dia miverimberina foana. Indrindra ireo adalàna nataon’ireo mpitondra voafidy nifandimby. Tsy nivoana tamin’izany ingahy Hery Rajaonarimampianina izay namoaka vava mihitsy fa izy, hono, no mitondra amin'izao fotoana izao. Ny dikany dia tsy raharahiny izany "tantara" rehetra izany. Mamita-tena sy mamita-bahoaka ihany anefa izy atosik'ireo sakaizan'ny mpandresy tsy mena mivadika ary mbola hivadika aminy ihany koa aoriana ao...

Ho manga Hvm tanteraka tokoa izany i Madagasikara aorian'ny 29 Desambra 2015. Dia maninona ary hitondra mankaiza? Efa nolokoina Psd, Arema, Undd sy Tim koa anie ity tanindrazana iombonana ity e! Fa nandroso ve?

Fomba moa lay fiteny hoe « Bonne année », amin’izao ankatoky ny taom-baovao 2016 izao. Kanefa, toa ireo mpandinika sy ny vahoaka malagasy, izay maro an’isa tokoa, dia manahy mafy aho fa hiditra kirizy tsy misy toa izany indray ny firenena malagasy atsy ho atsy. Tsy mpaminany aho akory ary tsy maniry loza ho an’ny fireneko. Fa ny nataon’ireo mpitondra amin’izao fotoana izao -ka mbola tohiziny foana- ihany no hifototra aminy. Maro loatra ireo famadihana tanindrazana sy fanitsakitsahana ny Lalampanorenana ary fanaovana tsinonatsinona ny vahoaka malagasy, ka tsy ho zakan’ny sain’izy ireo intsony fa avy aminy ihany ny loza no hiseho: « Malheur à ceux par qui le scandale arrive ». Ka na 120% aza ny Senatora Hmv « voafidy », tsy hampiova ny fizotran’ny Tantara izay tsy ny voana mihitsy hatreto: niongana ihany ny Psd, ny Arema, ny Undd sy ny Tim ka « tafita » daholo vao rendrika tamina fotoana tsy nampoiziny. Na mailo tahaky ny inona ry zalahy Hvm ireo, tsy misy maha-fehy mihitsy ny fihetsiky ny vahoaka rehefa tampi-dalàn-kaleha izy. Ny fisehoany no samihafa ary tsy takatry ny saina.

Mahamasina 25 Janoary 2014. Adinony tanteraka fa io Lalampanorenana nanaovany fianianana io anie dia nekena tamina fitsapahan-kevimbahoaka natao 17 Septembra 2010! Toa izao ny vokany ho an'ireo fohy tadidy sy tery saina:

Mpifidy voasoratra : 7.151.223
Isan'ny mpifidy : 3.761.977
Vato fotsy sy tsy manan-kery : 179.423
Vato manan-kery : 3.582.554
ENY: 2.657.962 (74,19%)
TSIA : 924.592 (25,81%)
Taham-pavitriana: 52,61%

Ny 11 Desambra 2010 no nambara ara-pomba ofisialy fa nitsangana ny Repoblika faha-4

Tsy masinina akory izany vahoaka izany. Miaritra, mangina. Fa misy fetrany io faharetana io ary tsy resy velively akory ny olo-mangina, amina fotoana iray. 99 andro ho anareo fa iray andro ho azy. N’inona n’inona ny kabary tsara lahatra hataon’ingahy Hery Rajaonarimampianina, afaka andro vitsy -izay hamerimberina ny efa voapasoka fotsiny ihany miampy ny fireharehana fa tratra ny tanjon’ny «famarinan-toerana ara-politika satria tontosa ny fifidianana Senatora ka miteny ho azy ny vokatra». Efa tamin’ny taona 2014 no re izany hoe: «Manomboka izao dia hanao an’izao, hatao laharam-pahamehana ny izatsy, sns». Tehirizo tsara ity lahatsoratra ity ary samià ela velona hahita ny efa niainako ny taona 1972, 1991, 2002 sy 2009. Ny fisehony ihany no tsy hitovy fa ny fitondrana nidoboka ary mbola hidoboka mafy ho ren-tany ho ren-danitra. Na ho ela na ho aingana. Ary tsy hivoaka amin’ny varavaram-ben’ny Tantara mihitsy ry Rajaonarimampianina mianakavy. N’inona n’inona hiseho.Ny azo antoka aloha dia tsy ho tamàna ao Antsofinondry intsony mihitsy e! Ny fotoana nijanonany sy hijanonany sisa no ela. Na hanamafy tahaka ny inona ny sezany. Izany hoe hiditra amina jadona tanteraka. Indray mipi-maso dia izay!

Jeannot Ramambazafy – 26 Desambra 2015


Mitaratra amin’ireo sary rehetra eo ambony ireo ny Tantaran'ny nandalovan'Ingahy Hery Martial Rakotoarimanana Rajaonarimampianina teo amin'io fitondrana nindramina io… Ho azy manokana ity lahatsoratra ity, amin'izao taona 2015 hivalona izao.


Rehefa avy nomenanao ny lakilen'ny firenena, dia nianiana ianao ary tsy kilalao an-jaza akory izany fomba izany. Ary teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka Malagasy ianao no nanambara izao manaraka izao:

ETO NY VIDEO TSY HO VOAFAFA MANDRAKIZAY

« Eto anatrehan'Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka, mianiana aho fa hanantanteraka an-tsakany sy an-davany ary amim-pahamarinana ny andraikitra lehibe maha-Filohan'ny Firenena Malagasy ahy. Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon'olombelona. Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàmpanjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an'ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka »

Marina tokoa fa misy ny fisarahan’ny fiangonana sy ny fanjakana. Io ilay hoe “laïcité de l’Etat”. Kanefa ny olom-pirenena dia manana ny finoana tsirairay avy. Ary ny "tsy finoana" ("athéisme") aza dia finoana ihany koa.

Ny mamadika pejin'ny tantara akory tsy midika hoe mamadika ny teny nomena

Ka izao ry zandry (Na tianao na tsy tianao, zandriko aman-taona ianao, ary izany hoe filoha “hajaina” izany efa tamin’ny andron’ny amiraly fa tsy hoe voatery miteny izany, raha tsy izany tsy manaja mpitondra iray): Andro Paska no nanoratako izao lahatsoratra izao. Mba natory tsara ve ianao io niatrika an’Andriamanitra amina fotoam-pivavahana nakotroka? Raha ny fahafantarako ireny tranga rehetra taminy ianao kandida ireny mantsy, dia miaiky anao aho, mbola sahy manonona ny anaran’Andriamanitra sy manatrika fotoam-pivavahana. Satria fantany fa fihetsika feno fiatsarana ivelan-tsihy izany. Ary tsy Andriamanitra intsony koa no atahoran’ny ankamaroan’ny olombelona nanatrika tao fa ianao miseho manana ny fahefana rehetra eto Madagasikara.


Ary mahatoky koa aho fa ny toriteny natao androany alahadin’ny Paska 2014 dia nikasika indrindra ny momba anao manokana. Dia mahatoky tena tokoa ianao, amin’izao vanindrandro izao, fa azonao daholo ny voninahitra, harena, vatosoa sy volamena,  ny Hcc, ny Ceni, ny Bianco, ny Antenimieran-doholona, sns ka ny lanitra sisa no ho takarina, satria “voahosotr’Andriamanitra”. Filoha voafidy ianao; filohan’ny mpitsara ianao ary mbola lehiben’ireo mpitandro ny filaminana rehetra misy eto Madagasikara koa. Ireo ny herinao eto anivon’ny vahoaka malagasy. Vahoakan’Andriamanitra anefa ireo sao adinonao koa, toa ny laka-nitàna sy ny fifanarahana nofiranao tsotra izao, satria lasa “Prezidà” ianao e! Lehilahy lehibe nahavita tena samy irery izany ianao ka dia arahabaina e!

Adala daholo izany, aminao, ireo vahoaka ireo?

Fa ny zavatra tsikaritry ny maro an’isa aloha, raha miala amin’iny fianianana nakotrokotroka iny, dia mpandainga ianao eo anatrehan’Andriamanitra izay misedra anao manomboka izao, fa tsy hoe nomeny ireo fahefana ireo velively. Aza mandiso sy mamita-tena mihitsy ianao! Ny vahoaka azonao fitahana amina fiteny mahababo ny fo, fa Andriamanitra tsy azonao fitahina mandrakizay. N’inona n’inona ny antony.

Tantara hitohy tokoa io fandaingana eny anivon'ny Lapa io...

Mpandainga! Inona moa no hanenjehin’ireo mpiohoka eo anatrehanao ireo ahy? Maniratsira filoham-pirenena? Asaivo mamaky Baiboly izy ireo, satria izao no voalaza ao: Mifanohitra amin’ny marina ny hoe lainga. Filazana zavatra tsy marina amin’ny olona iray manan-jo hahafantatra ny marina izy io, amin’ny ankapobeny. Ny tanjona amin’izany, dia ny hamitaka an’ilay olona na hanisy ratsy azy na ny olon-kafa.


Avy amin’ny matoanteny hebreo hoe “ka·zav′” ny hoe milaza zavatra tsy marina (Ohabolana 14:5). Ny matoanteny hebreo hoe “sha·qar′” indray, dia midika hoe “mandainga” na “mivadika”. Avy amin’io teny io ny hoe “lainga” sy ny hoe “tsy azo itokiana” (Levitikosy 19:11; Salamo 33:17 sy; Isaia 57:4). Adika hoe “lainga” ny teny hebreo hoe “shaw′” indraindray, ary matetika izy io no manondro zava-poana, asa very maina, na zavatra tsy misy dikany (Salama 12:3; Deoteronomia 5:17; Salamo 60:11; 89:17; Zakaria 10:2). “Mandiso fanantenana” kosa no hevitra voalohan’ny matoanteny hebreo hoe “ka·chash” midika hoe mamitaka (Levitikosy 19:11; Hosea 9:2).

Tsy avela ho rano raraka fotsiny io voalazan'ny andininy faha-54 io. Misy fotoanany ny zava-drehetra eto ambon'ny tany (Ny Mpitoriteny). Roa ireo Praiminisitra nofidianao, fa tsy notendrenao satria tsy misy niala avy amina antoko politika na ny iray aza. Raha tsy hoe lasa antoko politika ny Rotary? Isaorana eto manokana ingahikely Jean-Eric Rakotoarisoa izay tsy ho afa-bela eo anatrehan'ny Tantara ihany koa

Tsy mila iverenako eto ny fanitsakitahanao ny Lalampanorenana -niarahana, ary mbola hiarahana amin’ireo olona feno fankahalana efa voasesikao vola sy lainga tsara lahatra ary fampanantenana poak’aty-. Narirariranao daholo izao tontolo izao nandritra ny telo volana. Inona anefa ny vokany? Tsy fanendrena olona fa safidy manokana no nataonao, avy amina vondron’olona samihafa izay tena nanompa (nanaratsy) anao ary tsy mba nanotrona anao na iray segondra aza tamin’ireny fampielezan-kevitra ireny. Ao koa ireo nanara-dia anao amin’ny fahaizana mamadika noho ny voninahitra, harena, vatosoa sy andramena… Ny soratra sy vidéos mitoetra raha ilaina ireo.

Me Hanitra Razafimanantsoa sy Jean Max Rakotomamonjy. Toa mamo niantso polisy satria nitaky fatratra ny fandravana ny biraon'ny Antenimieram-pirenena, nefa dia nandray anjary soa aman-tsara tamin'ireo fifidianana rehetra natao ny 18 sy 19 Febroary 2014 tao Tsimbazaza. Ireto olona roa ireto aloha dia sady tsy misy trano-kenatra intsony no tsy matahotra an'Andriamanitra mihitsy

Atsy ho atsy izao -satria mihevi-tena ho andriamanitra kely latsaka an-tany ianao na koa hoe nahazo tso-drano avy any amin’Andriamanitra- dia ny mpanatanteraka (“Executif”) indray no ho terenao handrava ny mpanao lalàna (“Législatif”) voafidy ara-dalàna. Ny Antenimierampirenena izany resahiko izany. Aminy maha andriamanitra kely anao moa dia adino tanteraka ka tsy misy dikany izany hoe fisarahan'ny fahefana ("Séparation des pouvoirs") izany. Ary dia ho hamasin’ilay Fitsarana avo mahataka-danitra (HCC) efa ho lasa mpanomponao tanteraka, satria ianao ny sefon’ireo mpitsara ho mpikambana ao atsy ho atsy. Satria ianao tokoa ilay hoe “Président du Conseil de la magistrature”. Dia avy eo amin’izay ho avy ny ramatahora, amin’ny anaran’ny Malagasy 20 tapitrisa, satria ianao no « Chef suprême des forces armées ». Tsy zava-baovao teto Madagasikara -eny eran-tany koa aza-, izany fomba izany, ary ny Tantaran’ny zanak’olombelona no vavolombelon’izany. Adino tanteraka ve ny niafaran’ireo filoha efatra nialoha anao tamin’io toerana io? Izay nanitsakitsaka ihany koa ny teny nomeny tamin'izy ireo nanao ilay finianana nitovy tamin’io 25 Janoary 2014 io ? Ny « herinao » dia tsy « vaovao » izany akory, fa tonta be toa ity tany fandalovana ity.

"Tsy manaraka izay voalazan'ny Lalampanorenena ny nanendrena io Praiminisitra io", hoy Maharante Jean de Dieu, vao tsy ela, alohan'ny nandadiladiany teny Iavoloha ka dia lasa minisitry ny Raharaham-panjakana ny lehilahy. Izy dia santionan'ireo tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany ihany. Sakaizan'ny mpandresy e. Akory atao... Adinony tanteraka ny nahatonga azy tafaverina an-tanindrazana (7 taona sesi-tany tany Andafy tany) sy naha voafidy solombavambahoaka azy (Mapar). Dia mbola nahasahy namorona izany Mapar 2 izany. Dia dondrona tokoa ireo vahoaa any Atsimo any an!... Vakio re ny tantaran'i Jodasy ao amin'ny Baiboly e!

Milaza koa ianao fa olona matahotra an’Andriamanitra. Ny marina anefa, dia ianao mihitsy no mihevitra fa lasa andriamanitra kely ka mahazo manao izay tianao atao, "amin’ny anaran’ireo Malagasy 20 tapitrisa". Satria io indray ny teny filamatra aorian'ny revolisiona sy ny paradisa sosialista, ny "financements parallèles", ny "république humaniste écologiste" ary ny 4L mampiesona (MAP) isan-tokan-trano. Inona moa izany no azo ataon’ny valalabe tsy mandady harona? Ao ny hiankohoka aminao, satria izany fomba izany no efa nizàrana azy ireo nandritra ny am-polo taona maro. Sao kosa mba mahazo pitin’ireo vola be hikararana...

Be koa anefa ireo hangina fa hitana ao am-pony ao fa “Andriamanitra tsy andrinao andrinay foana”. Atody ve hiady amam-bato? Aleho maty rahampitso toa izay maty androany… Tsy ireo akory no hanenjika anao fa ny eritreritrao. Ary rehefa potraka eo ianao -tsy maintsy ho avy izany fotoana izany- dia ho jeren’ireo fotsiny miaraka amin’ny latsa isan-karazany. Eny, na ireo manodidina anao aza tsy hahalala anao intsony satria tsy “vaovao” ny tantaran’i Petera.

Ka inona sisa, Andriamatoa filoha voafidim-bahoaka, Hery Rajaonarimampianina, fa dia ianao sy Andriamanitra Tokana sy Iray sisa no hifampitana izany? Inona moa no atahorako manonona ny anaranao? Ianao aza manonona ny anaran’Andriamanitra nefa jereo ity nanohizanao ilay fianianana: "nizahozahovanao"...("JE suis le président élu par le peuple") ary tena "zava-dehibe loatra izany"...

Ahmad. Tompon-dakan'ny fanendrehana ny baolina kitra malagasy, tao anatin'ny folo taona, lasa minisitry ny Jono. Asa, iza tokoa no nanjono an'iza ?...

Aminy maha olombelona sy olom-pirenena aho dia tsotra ny teniko: aza adino fa diavolako ho lava ary ny kilalao mbola ho ela. Izao aloha dia aleho mihira ny hoe: “tsy resy tsy akory ny olo-mangina”. Fa tsy maintsy ho avy aminao ny fotoana hanohizana io tokon-kira io ka “vetivety ianao dia ho gina”. Tsy manozona anao aho akory fa misy farany ny zava-drehetra eto ambonin’ity tany fandalovana ity. Mpandainga ianao, arak’izay voalaza ao anaty Baiboly, ary mbola handainga foana. Zava-poana anefa izany na dia hitsara tena tahak’i Jodasy sy Petera ianao, fa manomboka manisa andro hijanonanao eo amin’io toerana tsy sahaza anao io ny vahoaka Malagasy 23 tapitrisa mahery nofitahinao tao anatina roa taona. Indrindra ireo nifidy anao. Ianao no ho tadidin’ny Tantara fa ilay filoha tokony tsy ho filoha. Ary izay indrindra no mahatonga anao nanao, manao ary mbola hanao fihetsika feno fitaka hamenonao paosy fotsiny ihany.

MENARANA !

Koa matahotra an’Andriamanitra tokoa ve ianao? Tadidio ary fa i Satana no mpandainga voalohany teto ambonin’ny tany, namitaka an-dry Adama sy Eva, tamin’ny alàlan’ny menarana. Amin’izao fotoana izao dia maro be ireo menarana ireo ao an-dapa ao. Ka tandremo sao lahy dia ianao indray no ho kakeriny…

Ny ati-panahy dia ny fomba fijeren-tsika ny zava-mahitsy sy marina ara-moraly tsotra izao, na koa ny fiverenan’ny zavatra nataon-tsika ihany ("nul ne peut se prévaloir de sa propre turpitude" - aminy teny latina etsy ambany)

Iza no hamonjy anao amin’io ora farany io? Na ireo fatra mpiaro anao amin'izao fotana izao, noho ny fanantenana fa hisy tombontsoa homenao azy, aza dia hitodi-damosina anao ary hanaratsy anao tanteraka. Satria ny tody tsy misy fa ny nataonao ihany no hifototra aminao. Amin'izao fotoana izao aloha, anao ny fahefana (na mandalo fotsiny ihany), fa an'Andriamanitra kosa ny voninahitra mandrakizay. Ary dia tsy manana mpanohitra ara-politika tokoa ianao hatreto... Eny, na hatramin'ity taona 2015 hifarana ity. Fa ny lainga -na tsara lahatra aza-, zandry, tsy halevon'ny Marina na aoviana na oviana. Satria ny Fahamarinana avy any amin'Andriamanitra ka tsy mety ho faty mandrakizay doria ihany koa.


NEMO AUDITUR PROPRIAM TURPITUDINEM ALLEGANS. Amen !

**************************

TSIAHY TSY HO VAOFAFAN'NY TANTARA VELIVELY

He ity izy. Ahoana moa no tsy hifidy azy? Dimy taona be izao no naha minisitry ny Vola itokisana tao amin'iny tetezamita farany nisy teto Madagasikara iny! Tsy misy tandroka, tompoko, ny ratsy fanahy sy ny maizin-tsaina.

Tsy ny mpifidy akory ny diso tamin’ny 20 Desambra 2013 satria nanambara fanta-poko fanta-pirenena fa niala avy tao amin’ny tolona natao ny taona 2009 ilay kandida faha-3. Vao lany Filoham-pirenena anefa izy dia nanitsaka ny Lalampanorenana ary tena sahiny ny nitsipaka ireo Solombavambahoaka maro an’isa voafidy niaraka taminy, dia ireo nitondra ny fanevan’ny MAPAR (Miaraka Amin’ny Prezidà Andry Rajoelina). Tsy nisy mihitsy izany hoe antoko Hvm izany nilatsaka ho Solombavambahoaka tamin’io taona 2013 io.

Iza amin'ireto olona manao fehi-tenda manga Hvm ireto no sahy hijoro ka hilaza fa mba tolona ho an'ny tanindrazana tamin'ny fiainany? Tsy misy na iray aza! Tsy nisy voafidy teto ireo na iray aza fa nomena fahefana dia manondrana satria tsy fantany akory izany hoe sosialim-bahoaka izany. Soa f'efa tsy mibahana intsony io ankavia indrindra io. Fa tsy ho afa-bela akory amin'ny resaka nividianany raoplanina tsy nanavotra an'ny Air Madagascar akory...

Roa taona taty aoriana dia niverina tamin’ny andron’ny antoko Psd, 40 taona lasa mahery izay. Nampiasainy ny lalàna nanodinàna ny loko volomboasarin'ny Tolona ho manga Hvm-ny didy jadona sy fanamparam-pahefana.

Ireo olona rehetra ireo dia mpamadika: mpamadika ny Tanindrazana; mpamadika ny vahoaka; mpanosiosy ny Lalampanorenana; mpamadika ny teny nomena, mpanao zinona izany fianianana izany. Tsy ho afa-bela akory ireo miseho matanjaka fa azy, hono, ny "fahefana". Adinon'izy ireo fa ny vahoaka Andriamanjaka ("Le peuple souverain") no ao amin'ny Lalampanorenana. Fa misy fotoanany ny zava-drehetra satria Andriamanitra tsy andrin'izy ireo andrin'ny vahoaka mitoetra. Ny mahavariana dia ity: mba nahita sy nanaraka fianarana ambony daholo anie izy rehetra e! Ka ny fahefana no manova olona sa ny olona no lasa adàla rehefa mahazo fahefana mandalo fotsiny ihany? Isika vahoaka kosa aloha tokony tsy iala-balà: tomponandraikitra tanteraka koa. Matoa ireo manao izay saim-pantany dia satria isika mihitsy no mamela azy ireo manao izany. Dia olom-boavidy daholo ve, sanatria, ny avara-pianarana misy eto Madagasikara? Ny mpitaiza, ny olom-piangonana, ny mpahay lalàna, ny mpampianatra, ny mpanabe sns?

*******************

Averiko indray fa very tadidy tanteraka ny lehilahy, na eo amin’ny lafin’ny Tantara (adinony fa izy ny Filoha voalohany amin’ity repoblika faha-4 ity, izay teraka ny 11 Desambra 2010; na eo amin’ny lafin’ny fianianany -eo anetrehan’Andriamanitra sy izao tontolo izao, nianiana izy «fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàmpanjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an'ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka»; na eo amin’ny lafin’ny fitsinjovana ny fiandrianam-pirenena -lasan’ny vahiny daholo ny orinasa reharehan’ny Malagasy taloha tao anatina roa taona monja-; na eo amin’ny lafin’ny fitsinjovana ny vahoaka 23 tapitra izay milentika tanteraka ao anaty fahantrana amin’izao faran’ny taona 2015 izao: misondrotra daholo ny vidin-javatra rehetra. Variana mitsangatsangana any ivelany amin'ny volam-bahoaka nefa tsy misy vokany izany fivoahany any ivelany izany ho an’ny vahoaka. Mandeha tsy mampilaza toa mpangalatra, miverina tsy mampilaza ihany koa ary mandositra mpanao gazety.

Misy ozona io vola azo amina famadihana olona, famadihana tolona, eny famadihana tanindrazana. Manenjika ny eritreritra dia mamono tena. Ary ny atao hoe "fuite en avant" (tsy te-hahalala n'inona n'iona intsony fa manohy ny adalàna) dia karazana famonoan-tena iray

Inona ny antony mahatonga ny firenena malagasy mikatso na dia misy ihany ny mbola jamba tanteraka tsy mahita izany? Mazava fa tsy natao hitondra firenena izany «expert comptable» izany; mazava fa tao anaty roa taona dia tsy nanao afa-tsy izay hitadiavana «famarinan-toerana ara-politika», ka natao daholo izao fomba rehetra izao hahalasa ny antoko Hvm tsy fanta-mpiavina ho «matanjaka». Izany dia amin’ny fampiasana vola tsy toko tsy forohina tsy fanta-piavina ihany koa, ary fanararaotana ny maha-olona ireo Solombavambahoaka sasany malemy saina sy malemy fanahy. Efa tamin’ny andron’i Jodasy no nisy izany famadihana sandaina vola izany fa ny fiafaràna dia ratsy foana: nanantona ny tenany i Jodasy tsy nety nandray ilay vola 30 «deniers». Tsy hita ny fatiny mandrak’ity ny androany fa lanin’ny alika hatraminy taolana. Izay no tsy maintsy hiafaran’ny mpamadika tsy mahalala afa-tsy ny rendrarendra mandalo fotsiny ihany: very haja, very voninahitra, adinon’ny olom-belona tanteraka na ny fisiany aza.

Dia ho sahin'ingahy Hery Rajaonarimampianina, ny ilaza afaka andro vitsy fa "manomboka izao dia hikarakara vahoaka". f'inona no nandrasana hatramin'izay roa taona be izao? Ny delestazy aza mbola manao ny ataony. Ary nanao ny nataony tokoa ny andron'ny Krismasy omaly 25 Desambra. SSsss. Vahoaka voaozona tokoa angaha ka tsy leo sy tofoka amin'izany. Asa?

Jeannot Ramambazafy – 26 Desambra 2015

Mis à jour ( Mercredi, 30 Décembre 2015 08:42 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety