]
Les quotidiens du 22 Oct 2017
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Madagasikara «cybercriminalité». Manome ny heviny ny Mpitsara Malagasy iraisam-pirenena

Madagasikara «cybercriminalité». Manome ny heviny ny Mpitsara Malagasy iraisam-pirenena

Ramatoa isany: Ramaroson Arlette (afovoany), Filoha lefitra iraisam-pirenena tany Arusha, momba ny Rwanda, Mpitsara iraisam-pirenena tany La Haye, momba ny fangataham-pitsarana ambony momba («Chambre d’appel»), nandritra ny 13 taona; Arivony E. Liliane (ankavanana), Mpitsara iraisam-pirenena tany amin’ny TPI («Tribunal pénal international») momba ny Rwanda sy tany Tanzanie; Filoha mpanorina ny CONADIH («Commission internationale du droit international humanitaire») eto Madagasikara, nanomboka ny taona 2003; Rasoazanany Vonimbolana (ankavia), Mpitsara iraisam-pirenena tao aminy TPI tany La Haye, momba ny Yougoslavie teo aloha; mbola Mpitsara eto Madagasikara.

Mikasika ny «Code de la Communication» dia izao no nambaran’i Ramatoa Ramaroson Arlette:


« Ny zavatra tianay ho marihina voalohany, aloha, dia izahay mpahay lalàna tsy manana antoko politika mihitsy, ary tsy hoe manohana an’iza n’iza izahay fa ny tohananay dia ny lalàna, ny lalàna iraisam-pirenena. Izay no tianay marihina voalohany fa sao dia hoe oay miaraka amin’ny antoko politika izao ny ANM («Association Nosy Malagasy») na antoko politika izao. Tsy any mihitsy ny olana. Fa raha ny hevitray aloha dia izao: «Loi sur la cybercriminalité» no natao anarany. Izany «cybercriminalité» izany dia fanenjehana «fraude» amin’ny alalàna solo-tsaina na hoe «crime» aminy alalàna solo-tsaina. Fa ny tena mampahagaga anay dia hoe ahoana moa ny «diffamation» no ampidirina amin’izany ? Tsy mety izany. Tsy miditra amin’ny «cybercriminalité» mihitsy izany.

Tsy milaza hoe mifanohitra amin’ny lalàna izany fa tsy hitako mihitsy ny hidiran’izany. «Cybercriminalité» izany anie «crime» e. Ohatra hoe manao «fraude» na mangalatra amin’ny alalàna solo-tsaina, «fraude bancaire» ohatra, izany no azo enjehina fa maninona no nomena anarana hoe «cybercriminalité»? La diffamation n’est pas un crime. Izay aloha. Faharoa, momba ny sazy izay homena, misy ny lalàna iraisam-pirenena milaza fa hoe: tokony misy fifandanjana («équilibre ») amin’ilay zava-bita ilay «infraction» (fandikan-dalàna) sy ilay sazy. Nefa ilay sazy miahompampana be (Ttf: amin’ilay lalàna «cybercriminalité» eto Madagasikara). Ka raha 100 millions de dommages et intérêts, ohatra, ny dikan’izany dia maty ilay mpanao gazety ary tsy tokony hanao fanaovan-gazety intsony e. Aiza izy no hahita izany vola izany?

Fara-faharatsiny izy esorina ao aminy OJM izy («radié de l’Ordre»). Tsy misy «proportionnalité». Hitanareo, ohatra ny ao amin’ny lalàna Charia (Ttf: lalàna silamo) izao: rehefa tratra mangalatra dia tapahina ny tànana. Isika, amin’ny maha-olon-dalàna antsika tsy tokony izany mihitsy fa misy fetrany, 2-5 taona, 5-10 taona ny sazy arakarak’ilay «crime». Fa tsy satria hoe nangalatra dia tapahina ny tànana. Ka izay koa ny voamarikay: tsy misy «équilibre» amin’ilay «infraction» vita sy ilay sazy. Ny zavatra eritreretinay koa dia, raha ohatra ka manao lalàna ry zareo dia tokony misy «concertation» (Ttf: fifampidinihina) matanjaka be mihitsy miaraka aminareo (Ttf: ny mpanao gazety). Tsy azo tampenam-bava mihitsy mantsy ny mpanao gazety eran’izao tontolo izao. Ary dia zavo-doza mihitsy izany hoe mamono mpanao gazety na hoe tsy manome rariny ny mpanao gazety satria tena manitsakitsaka ny demokrasia ary manampi-bava anareo izay manambara ny marina, ary indrindra manitsakitsaka ny zo manome vaovao sy ny zo fahazoana vaovao.

Ny vahoaka tokony hafantatra hoe inona ny zava-miseho eto amin’ny tany sy ny firenena. Tena lalona fototra mihitsy ny «droit d’informer» sy ny «droit d’être informé». Ny fahitanay ity lalàna mikasika ny serasera ity dia tsy mifanaraka loatra amin’ny lalampanorenana. Tsy fantatro ny amin’ny mpahay lalàna any ambonimbony any fa izay ny fahitanay azy. Raha ny zavatra azo atao aloha dia izao ataonareo izay dia azo raisina (Ttf: fanangonan-tsonia ny 03 Septambra 2016, teo anoloan'ny Tahala Rarihasina). Satria mampiseho ianareo fa «-mi-contester» ianareo, tsy manaiky io lalàna io. Ary raha tsy diso izahay, mbola manana telo herinandro ny Filoha, afaka miverina mifampiraharaha aminy ianareo milaza fa tsy mety io, dia mbola afaka manome ny hevitrareo ianareo. Azo atao koa izany… ».

Antananarivo, 03 Septambra 2016

Noraisin’i Jeannot Ramambazafy sy Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Lundi, 05 Septembre 2016 09:28 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pour lutter contre Lucifer, restons dans la Lumière

 

Zafy Albert. UE: il restera dans la mémoire du pays par sa grande empathie et son honnêteté

 

InSPNMad. C’est la rentrée pour cette Université internationale professionnalisante

 

Madagascar. Visite du Sg Elhadj As Sy (Croix-Rouge et Croissant-Rouge)

 

Madagascar. Le médicament Hvm est périmé mais Hery vaovao insiste à en devenir sophiste

 

Eckehart Olszowski, Directeur du Goethe-Zentrum/CGM. Son faire-part de décès

 

Eckehart Olszowski und Der achte Kontinent

 

Non développement. Qui sont ceux qui foutent la merde en Afrique?

 

Amnesty International. Libérez l’écologiste Raleva incarcéré à Mananjary!

 

Jeannot Ramambazafy: Compte Twitter