]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Andry Rajoelina : Madagascar appartient aux Malgaches !

Andry Rajoelina : Madagascar appartient aux Malgaches !

L’heure n’est plus aux interprétations pas plus qu'aux "analyses" pour faire plaisir à autrui. Mais elles ne vont pas tarder, si ce n’est déjà fait. Aussi, puisque les écrits restent et que les paroles s’envolent, voici les déclarations originales en Malgache du Président de la Haute Autorité de la Transition de Madagascar. C’était le mercredi 17 février 2010, lors d’un point de presse qui a duré un quart d'heure, au Palais d’Etat d’Ambohitsorohitra. Faites-vous traduire puisque Madagascar vous intéresse tant (ces richesses surtout). Particulièrement pour les zéros pointés du Parlement Européen qui n’ont même pas pris la peine de demander leur avis aux ambassadeurs accrédités dans la Grande île. Ils en sauront plus sur les magouilles des élections malgaches en un demi-siècle de démocratie de pacotille. Dans ces déclarations, tous les détails sur « comment se faire élire infailliblement » sont là. Mais il y a aussi tous les détails d’un changement véridique et sincère dans le processus électoral. Seuls les créatures qui ne peuvent pas voter, en premier lieu les membres de ce GTT international, vont tout interpréter de travers. Leur sport favori. Enfin, il faut de tout pour faire un monde. Mais je suis d’accord : Madagascar appartient aux Malgaches (qui y vivent et qui vont y mourir) avant toute autre considération.

Jeannot RAMAMBAZAFY

---------------------------------------------------------------------

Andry RAJOELINA, Palais d'Etat d'Iavoloha :

« Araky ny fanta-tsika rehetra dia misy delegasiona manokana, amin’izao fotoana izao mitondra ny hevitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, hanolotra ny fomba hamahana ny olana ara-politika, hamahana ny krizy politika eto Madagasikara, any Addis-Abeba. Efa fanta-tsika fa misy ny fivoriana izay atao rahampitso sy rahafak’ampitso mikasika ny olana misy eto Madagasikara. Ny zavatra apetraka eto ampanombohana aloha dia tiako ny mamerimberina fa resy lahatra ny rehetra, ny vondrona iraisam-pirenena ary indrindra ny olom-pirenena Malagasy, fa ny fifidianana ihany no any vahaolana tokana hamahana ny olana misy eto amin’ny firenena. Ary ny tanjona hapetra-tsika dia ny hanaovana izany fifidianana izany. Tsy fifidianana fotsiny anefa no atao, fa ireo olana tsy voavaha nandritra ny taona maro, nanditra ny efapolo taona, mikasika ny fifidianana teto amintsika dia vonona ny fitondrana Tetezamita ny handray ny fepetra rehetra izay mety ilaina, hanomanana fifidianana madio sy mangarahara manaraka ny sata demokratika, mba haneken’ny rehetra ny valim-pifidianana, na ny eto Madagasikara na ny fianakaviambe iraisampirenena.

Ny olana ankehitriny dia : ahoana no afahan-tsika manomanana sy manatanteraka io fifidianana io, mba haneken’ny be sy ny maro izay ho valim-pifidianana hipoitra eo. Efa nandre ombieny ombieny fa ny zavatra tsy vita tao anantin’ny taona maro dia ho apetran’ny Fitondrana Tetezamita ankehitriny. Toa ny fanakinana ny fifidianana aminy CENI (Commission électorale nationale indépendante). Satria teo aloha dia ny fitondrana ihany no nanomana ny fifidianana. Rehefa fitinina ny resaka hoe : fa maninona no misy foana ny olana eto amin’ny firenena -satria nandritra izay 40 taona, dia inefatra, indimy no nisy ny fitraotran’ny vahoaka Malagasy ary nandrodana ny fitondrana teto an-toerana-. Ny olana nampisy an’izany dia satria sarintsarim-pifidianana no nisy teto amintsika ary ny valim-pifidianana marina na ny fahamarinana avy ao anatin’ireny vata-pifidianana ireny dia voahodikodina avokoa. Ary ankehitriny ny zavatra hisy dia zavatra telo : Mikasika ireo lisitry ny mpifidy dia fanta-tsika fa betsaka ireo olona mpifidy izay hoe mpifidy « fantômes » na « fictifs » izay nosoratana fotsiny tao anatin’ireny lisi-pifidianana ireny. Iznay hoe, mbola tsy manomboka ny fifidianana dia ny mpitantana nifandimby teto amin’ity firenen-tsika ity dia efa nahazo vahana any amin’ny 15 na 20% any ho any. Satria dia tsy afaka nijery lisi-pifidianana ireo mpifaninana na ireo olo-pirenena tsotra.

Isika ankehitriny dia hiezaka hanafaona izany ary izay no nitenenako hoe : ho apetraka ny fomba rehetra mba hafahan’ny olona rehetra manamarina ny anarany na mijery ny lisi-pifidianana. -Nisy ihany koa ny « ordonnances » teo aloha. Rehefa mahazo « ordonnance » no olona mpikambana ao aminy antoko, ny antokon’ny mpitantana mazava ho azy, dia afaka mifidy indimy, inenina eny impolo aza ao anatin’ny andro anaovana ny fifidiana. Mba hisorohana izany dia nanapakevitra izahay fa tsy hisy intsony ny « ordonnance » izay omena amin’ny fifidianana izay ho atao eto amin’ny firenena. Ary afaka mijery ny lisi-pifidianana avokoa na ny mpifaninana na ny olo-tsotra. Manaraka izany : -mikasika ny “bulletin”. Raha mpifaninana ataorana ianao, teo aloha, dia zara raha amina birao na « bureau de vote » izay misy sary zato, ohatra, dia zara raha 50 ny ahatongavan’ny « bulletin »-nao satria dia ny mpitantana na ny fitondram-panjakana no mikarakara ny fifidianana. No izany dia efa ela no nitakian’ny mpanao politika teto amin’ny Nosy, teto amin’ny firenena-tsika ny anaovana ny « bulletin unique ». Vonona izahay ampiasa izany « bulletin unique » izany satria ny mangarahara no tiana apetraka sy ny tiana atao eto amin’ity firenena ity.

Satria maro ny birao ka rehefa mitondra ny « bulletin »-na mpifaninana ianao dia efa misy toerana voamarika amina toerana maro manerana ny Nosy, any amin’ny fokontany manerana an’I Madagasikara any ka dia omena vola dimy arivo na iray alina dia mitondra ny bulletin’ny mpitantana na mpitondra fanjakana. Izany hoe: vidina ny safidin’ny vahoaka. No izany dia foanana izany mba hisian’ny hery mifandanja ary dia nanapakevitra izahay, ary nanaiky fa ho apetraka ny « bulletin unique ». Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe: manoloana izany ezaka tiana apetraka manakany amin’izany fanovana izany : inona loatra re ny fankahalana ananan’ny sasany an’ity firenena Malagasy ity ? Izay miantso ny fanasaziana an’i Madagasikara. Satria aoka tsiahivin-tsika fa efa misy anie ny fanasaziana e. Atao miatra amin’ny mpitantana ankehitriny dia miantefa aminy Madagasikara izany sazy izany. Miantefa aminy vahoaka Malagasy izany sazy izany.

Eto dia aoka azava fa ny tenanay tsy matahotra mihitsy an’izay sazy mety hampiarina amin’ny tenanay. Fa aoka kosa ny vahoaka Malagasy na i Madagasikara tsy atao takalon’aina na hampijaliana no ny fankahalana olo-tokana misy na ny fitiavan-tena ampiarina. No izany dia manoloana ny zavatra ankehitriny, zavatra lehibe ary zavatra tsy afaka hiverenana intsony ny fanapahan-kevitra izay mety ho raisin’ny Fianakaviambe iraisampirenena na ny GIC rahampitso : eto indrindra izahay no miteny hoe: efa vonona izahay re ny Olompirenena Malagasy hiatrika ny fifidianana. Miandry izahay amin’ny fanapahan-kevitra izay ho raisin’ny Fianakaviambe iraisampirenena mikasika an’i Madagasasikara. Ny fahavononana sy ny finiavana dia eo aminay. Raha toa ka azo ekena ny fanapahan-kevitra na ny fanapahan’ny famoahana ny olana mianjady amin’ny firenena ankehitriny dia ho dinianay. Efa misy ny soso-kevitra nampitondraintsika, nampitondrainay an’ny Praiministra any Addis-Abeba ankehitriny, izay tsy mivoana amin’ny tanjona voalohany dia ny anaovana ny fifidianana izay hifidianana ny Antenimieran’ny Lalampanorenana na ny “Assemblée Constituante” izay hitondra ny volavola-kevitra izay aroso dia ny hoe: hanaovana io fifidianana io amin’ny volana mey. Raha toa ka eken’ny be sy ny maro -toa ny vahoaka Malagasy na ireo olom-pirenena rehetra izay manaiky hanaovana izany fifidianana izany, ary hetahetany ny hanaovana izany fifidianana izany- dia vonona izahay ny handinika antsipirihiny ny fomba rehetra mety hamahana ny olana eto amin’ny firenena raha toa ka mifanaiky ireo “mouvances” araka ny nametrahana sy ny nameran’ny GIC azy ny hanaovana fifidianana ny “Assemblée Constituante” amin’ny volana mey ho avy izao.

Midika izany fa tsotra : ary eto dia manamafy eo anatrehan’ny vahoaka Malagasy ny tenako fa vonona aho ny andray ny andraikitra ary efa nametraka fanamby isika ny hitondra ny fanovana eto amin’ny firenena. Ny fanovana voalohany dia ny fanaovana fifidianana madio sy mangarahara. Ary izay na inona na inona no Hiatra, na inona na inona no hidona dia tsy maintsy ho tanterahin-tsika ary ataontsika ny fifidianana amin’ny volana mey ho avy izao. Satria dia ny Malagasy ihany no tompon-teny farany. Ny olompirenena no misafidy ny làlana tokony alehany sy ny làlany tokony izorany satria Madagasikara dia an’ny Malagasy. Raha atao aminy teny vahiny dia “MADAGASCAR APPARTIENT AUX MALGACHES !”.

Nandray feo sy nanoratra : Jeannot RAMAMBAZAFY – 7 Febroary 2010

Mis Ă  jour ( Jeudi, 18 FĂ©vrier 2010 08:48 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety