]
Les quotidiens du 26 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Antananarivo, Kianjan’Alarobia 1 Mey 2016: tsy ho voafàfan'ny Tantara

Antananarivo, Kianjan’Alarobia 1 Mey 2016: tsy ho voafàfan'ny Tantara

 

********************

Voavidy daholo ireo olona ireo? Gadrao!

Tsy ny isan’ny olona no inona fa ny nafahana nandefa ireo hafatra milaza ny marina momba ny fomba fitondrana misy eto Madagasikara amin’izao vaninandro izao. Na niezaka aza ity fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina mpandainga sy mpangalatra ity, sy ny « mpanao gazety » tsy vory saina, namàfa ny fetin’ny Asa, izay iraisam-pirenena -no ny akanosany-, dia nisy ny Malagasy taranaka mpitolona nijoro ary vonona hijoro mandrakariva. Ho anareo izay mahay be rehefa samy mifanebaka sy mifanome tsiny ary mahita olo-kafa foana atao tompon’andraikitr’izao fahoriana mahazo ny firenena malgasy, izao dia tsotra: ny fitondrana rehetra nandalo, mandalo ary handalo fotsiny ihany.


Toa izao sisa ingahy Hery Rajaonarimampianina raha eo amin'ny lafin'ny solosaina no dinihina

Mora ny mandrava fa ny hanarina kosa dia e e e! Kofehy hanara-pandraitra eo foana ny vahoaka malagasy an-kapobeny satria mahita ary hahita fialàna bàla foana. Ka miafia eo fa ny taranakareo no hizaka ny vokatr’izao ataon-dry Hery sy Voahangy Mivady izao.


Olona toa io no nisafidian'ingahy Hery Rajaonarimampianina ho Praiminisitra. Hisy porofo toa ireo indray ve? Dia hanantena inona ny vahoaka malagasy? "Gouvernement de combat" ho an'iza ary amin'iza?

Rehefa vory daholo ny porofo, rehefa miteny daholo ny rehetra nefa mbola be resaka fotsiny ihany ianareo, dia ianareo mihitsy no tompondraikitra izao zava-misy izao. Ka avelao izy ireo hijanona eo mandrapahafatinareo. Fa raha izay henatra izany tsy fantany. Ary fantatr’ireo tanteraka izany kilema misy eo amin’ny toe-tsainan’ny olona kanosa sy mody tia tanindrazana.


Adalà izany ny mpanao gazety ao aminy "La Gazette"? Gadrao!

Iza indray no omen-tsiny? Lasa tandra vadi-koditra izany fomba amam-panao izany. Fa tsy ireo vazaha ireo mihitsy anie no handevina anareo rehafa tonga ny fotoana hialàna eto amin’ity tany fandalovana ity e! Handova inona ny taranakareo?

Adàla koa izany ireo Eveka ka tokony alefa any amin'ny 18 (Anjanamasina). ETO NY TARATASY MANONTOLO

Ny Tantara efa mitsara izao, fa matoa mitohy dia ianareo no be resaka fa tsy vonona hanova n’inona n’inona. Ny dikany: mety aminareo izao fitondrana izao ka manamarina ny teny hoe: "les chiens aboient, la caravane Hvm passe".

Mirediredy ny fanjakana amerikana? Asaivo mody io ambasadaoro io rehefa tsy azo gadraina eto!

Hiandry sy hanantena an’iza? Ianareo aza tsy miraika nefa mahita lazaina sy soratana foana. Hatreto izany dia izahay nitolona sy niezaka nitady tena fahafahana am-polo taonany maro izany no adàla indrindra.

Olom-bitsy an? Ny maraina no nalaina ireo sary ireo

Ny anay (mihaotra ny 60 taona) anie vita eny ihany fa ny anareo no mbola ho loza noho izao e! Handova tany karakaina sy toe-tsainan' olo-dresy mandrapahatafy izay ho lovain’ny tanaraka ihany koa mandritra ny zato taona. Tsy hisy resy na mpandresy izany eto fa ny vahoaka izay maha firenena na firenena sy tena tompon’ny fahefana dia hitsanga foana na dia mandady aza izy amin’izao fitondranana mamarina an-kady. Soa tsy ho eo foana ary soa fa misy Andriamanitra izay tsy atahoran'ireto tsy manjary sy tsy misy tranon-kenatra ireto. 99 andro ny azy ireo fa 01 andro an’ny Tompo. Ary ho avy toa ny mpangalatra io fotoana io: izany hoe tsy hampilaza toa ny fahafatesana ihany. Soa ihany. Fa mandrià am-piadanàna aloha ianao Ramatoa Demokrasia.

Mpanogam-panjakana daholo ireo "olom-bitsy" ireo izany? Sambory daholo dia gadrao!

Jeannot Ramambazafy – 04 Mey 2016

Sambory dia gadrao ihany koa

Mis à jour ( Jeudi, 05 Mai 2016 09:23 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety