]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e!

Rolly Mercia. Mbola velona foana ny taranak’i Jodasy e!

Jeannot Ramambazafy, mpanao gazety sy Rolly Mercia, minisitry ny Serasera notendren'i Andry Rajoelina, Filohan'ny Tetezamita, nanatanteraka iraka tany Parisy

« Iza moa izao no mba hilaza fa tsy mba niasa ity Rolly ity tamin’ny fampandaniana an’i Hery Rajaonarimampianina. Inona izao ny heloka mba nataoko an’izany Hery Rajaonarimampianina izany? Nefa dia resaka moa izany: io dia izao sy izao satria miaraka amin’i Andry Rajoelina. Izay izany ny heloka nataoko: niaraka tamin’i Andry Rajoelina. Izao fotsiny ihany ny heloka natao fa izao: na ny asa na tsy niasa ianareo nandritra ny telo taona naha-minisitra, na niasa be aza nanao ilay praopangandy, tsy ilaina eo fa mandehana mandeha any ».

Mbola tsy lasa devoly aho aloha hatreto. Fa izany vola izany amiko dia fitaovana fotsiny ihany fa tsy tanjona

« Ary tsy vitan’ny mandehana mandeha any fa fanaratsiana sy fanenjehana ohatran’ny tena indray izany no devoly. Ka dia manontany amin’izay aho satria volana vitsy vitsy izay no nitsanganan’ilay gouvernemanta sy dimy volana taorian’ny nitondran’ilay Hery Rajaonarimampianina ny firenena, iza izao no tena devoly? Mba manontany amin’izay aho. Izay no mahatonga hoe mba tonga amin’izay ny fotoana isehoana tsindraindray iresahana satria manana adidy ny tena, firenena tsy avela fotsiny entin’antokon’olona any anaty hady ohatra izany na inona toerana misy azy, na inona toerana misy azy, fa zon-tsika olom-pirenena tsotra ary zon’ny mpanao gazety ny manao « interpellation », manao « critiques » sy ny rehetra ka tsy hiambahamba isika manao izany ».

« Fa ho an’izay tsy nahalala, ao anatin’io fitondrana ao amin’ny «présidence» io mantsy misy gasy voatonga ka dia ampahalalàna azy fa tsy vao izao no nanaovana izany. Raha vao misy ny mibolila dia manitsy isika, ary manitsy amina fomba mivantana, tsy miambahamba, ary zavatra marina no resahina (…) ».

« Ilay « communication » ao anivon’ny « présidence » izany dia mikohoka mihitsy -voan’ny tiberkilaozy- mila fitsaboana any Fenoarivo fa reraka be (io moa dia resaka tamin’ny fikarakarana ny 26 Jona 2014 izay tsy nisy fanentana ho an’ny vahoaka mihitsy, toa ity « Sommet de la Francophonie » ity) ».

Ahoana ny mikasika ny fahanginan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha amin’izao fotoana izao?

Minisitra izy roalahy mifanatrika amiko, mpanao gazety mandra-maty. Ary minisitry ny Tetezamita izay ezahina aratsian'ireo Hvm -izay tsy nisy tamin'izany- satria sao very fihinana eo

« Izaho moa izany tondroina akaiky an’i Andry Rajoelina. Nisy fotoana vitsivitsy, tato ato, tsy tafahoana, tsy tafaresaka taminy, fa na izany na tsy izany aza, mazava ny toe-draharaha: raha vao hiteny eo ange Andriamatoa Andry Rajoelina, hiteny kely ohatr’izao fitenenan-tsika izao, dia ho tondroina indray fa dia hoe: mitady hanakorontana ny fitondram-panjakana. Kanefa izy ihany no nampanao safidy sy nampandany an’ity Rajaonarimampianina ity. Noho izany mbola be dia be ny olona manodidina azy, tomponandraikitra isan-tokony izay afaka tsara miresaka ny momban’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Fa tsy midika akory rehefa mangina izy (Andry Rajoelina) dia hoe tsy ny raharahiny ilay zavatra. Fa ny zava-drehetra misy fotoanany ary ny zava-drehetra koa amin’andanan-tohotra ».

Ka iza izao no miampanga an'i Andry Rajoelina?

Ajanoko eo io resaka nataon’ingahy Rolly Mercia io, ny 24 Jona 2014 tao aminy radio Free Fm io fa tonga dia hitsambikina aty amin’ny voalohan’ny volana Novambra 2016 ity isika. Ny alahady 30 Oktobra dia niverina eto an-tanindrazana i Andry Rajoelina, tsy nampilaza an’iza n’iza. Ny Talala 1 Novambra dia fantatra fa nisy zavatra nipoaka tao amin’ilay hotely A&C ao Ivato, izay Claudine Razaimamonjy ny tompony. Ny Alarobia 2 Novambra dia io ambony io no hita eo amin’ny pejy voalohan’ilay gazety «La Ligne de Mire» izay tantanan’i Rolly Mercia izay lasa niaraka indray tamin’ilay filoha nolazainy fa devoly. Vola amina miliara no natontona namoahana io gazety io ka mila «vokatra» aingana na dia tsy mandeha amin'ny laoniny aza ny resaka ary na dia mampandainga ny tenany ihany aza ny mpanoratra. Fa iza aloha ny miteny fa azoazon'i Voahangy Rajaonarimampianina io Rolly Mercia io? Ny tenany ihany angaha?...

Fanambaniana olona tsotra izao ireo lahatsoratra ireo: terena hifandray fotsiny izao ny fiverenan'i Andry Rajoelina sy ny zava-nitranga tao amin'ny A&C ao Ivato. Ary dia io fa i Rolly Mercia mihitsy ny manao sonia ireo lahatsoratra ireo na dia mora fantatra aza ny teny frantsay fampiasany izay «vocabulaire folklorique» be loatra

Tsotra dia tsotra ny tiana ambara eto: lalan-kitakisoa ny fomba fanaovan’ity Rolly Mercia ity gazety. Ny vola sy izay manana azy be indrindra no tompoiny. Tamin’ilay resany tao aminy radio Free Fm dia hoe raha vao hiteny eo ange Andriamatoa Andry Rajoelina dia ho lazaina fa mitady hanakorontana ny fitondram-panjakana. Io ambony io indray dia: Niverina i Andry Rajoelina hanakorontana ny «Sommet de la Francophonie».

1 Novambra 2016. Ny ambasadaora frantsay, Veronique Vouland-Aneini sy ny filohan'ny tetezamita teo aloha tao Ambatobe. Asa ny fanjakana frantsay koa izany no ao ambadik'izany "fanakorontanana ny Sommet de la Francophonie" izany? Fantatr'i Rolly ihany kay ny fetran'ny lainga sy ny fiantraikany? Asa iza no tena kanosa amin'izany...

Tsy fantany tokoa fa io 1 Novambra io dia nihaona tamin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha ny ambasadaora frantsay, Veronique Vouland-Aneini, tao Ambatobe. Ary ny gazety Midi Madagasikara ny namoaka fa nanambara mazava i Andry Rajoelina fa tsy hiditra «cafouillage». Asa aloha raha tsy nahazo vola io Rolly Mercia io fa dia iny tazana nihaodihaody teny Ambodivona misy ny orinasa Injet. Ary ny 3 Novambra dia namoaka indray ity manaraka ity izy.

Tsy mahagaga fa ny ataon-dry zalahy dia heveriny mihitsy fa ataon'ny sasany. Fa izy Rolly Mercia aloha izao no migoka ny anjarany («sa part») ao amin'io fitondrana Hvm io ka sady adino ny teo aloha no tsy miraharaha ny ho avy. Vola adala tompo koa moa ve... Tsy misy fofona. Fa ny analiziny no maimbo tay

Mila ny anjarako ny dikan’io sary teny io («Je veux Mapar, je veux ma part»). Ka hafatra tsotra no omeko ity fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina ity: aza dia mahatoky loatra an’i Rolly Mercia io ianareo, aza mizara tsiambaratelo aminy mihitsy fa rehefa tsy eo amin’io fitondrana io ianareo -ary tsy maintsy hitranga izany na tianareo na tsy tianareo satria toerana fandalovana io- dia izy ihany no hamoaka izany tsiambaratelo izany.

Mety izao ka. Sa ahoana r'ingahy Andrianjato Vonison? Samia hijinja izay nafafiny atsy ho atsy e...

Ny azy dia tsotra: tsy mila porofo izany izy ary mino isika fa tsy hiatrà aminy mihitsy ilay «Code de la Communication» Andrianjato satria mhevitra izy fa ao anaty fitondrana raha tsy hoe izy mihitsy no fitondrana.

Tsy mpamoron-dainga aho mikasika io «bientôt» io fa mino isika fa hitombo indray ny isan'ny sehatry ny filazana «vaovao» hamarina an-kady ity firenena tsy sasatra miarina ity

Ka matezà ny aina ry zareo fa mbola hisy «fahagagana» hafa ho avy.

Olona akaikinao foana no atao hoe mpamadika fa tsy hafa velively, ary resa-bola foana ny antony mazàna

Fa ny fiafaran’ny tantara? Vakio ny mikasika an’i Jodasy ao amin’ny Baiboly. Tsy hivoana mihitsy koa io. Mandrapahatonga izany anefa dia hahita zavatra ho soratana foana i Rolly Mercia. Raha tsy izany tsy hahazo vola, toa ny mersenera rehetra maneran-tany manana « mission » maloto. Ny maha samihafa an’i Rolly Mercia dia tsy ilay tompom-bola ankehitriny loatra no mibaiko azy fa nihevitra mihitsy izy fa no izy lasa minisitra dia mitovy filaharana amina mpanefoefo ka tsy tokony nobaikon-dry Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina intsony fa mitovy ry zalahy.

Tsy sakaizan’ny mpandresy velively i Rolly Mercia fa andevozin’ny vola sy ny fahefana entin’izany vola izany: sipa, toaka, fivoahana amin'ny alina... Na dia somary najanony aloha ireo, mitohy eny ihany... Mpamosavy mandeha alina misy mahita foana. Diniho tsara ireo olona tena tsy mahamenatra azy intsony ny miresaka azy isaky ny mihetsika izao, toa may nodoran'ny afo natsangany ihany: dia ireo «namana» teo aloha rehetra. Ny Senatora Lylison sy Augustin Andriamananoro moa efa nahazo ny «anjarany» farany teo. Ho avy izao ny an'i Hajo ary efa io ambony eo amin'ny sary mampiseho fitombenana io. Mamerina indray eto aho: taiza moa i Jodasy no nipetraka ary inona ny antony namadiany an’i Jesosy Kristy?

Mitovy laharana ve izany izy sy Andry Rajoelina ka tsy hanaiky ho gisitra? Izay angaha no ilazana ny fihetsik'i Rolly Mercia mamono tanteraka ity asa fanaovan-gazety masina ity

Ka raha misy tsiny omena an’i Andry Rajoelina dia ny nanendreny an’ity Rolly Mercia ity ho minisitra. I Rolly izay teo akaikiny efa tamin’izy nirotsaka ho kandida ben’ny tananàn’Antananarivo ary nandresy. Na izany aza, iza no nahalala? Tsy misy tandroka tokoa anie ny devoly nodradradradrain’i Rolly Mercia izay lasa sakaizany e! Fa mandra-pialan’i Hery Rajaonarimampianina -ilay « devoly » tompoiny amin’izao fotana izao- eo amin’ny fitondrana aloha dia hahita lazaina foana ingahy Rolly Mercia. Ny mamorona aza ataony. Soa fa ny soratra mitoera… ka hitsara ny nandainga, ny mpandainga ary ny handainga mandrapaha tapitra ny fofon’ny ainy.


Jeannot Ramambazafy mpisotro toaka gaigilahy? Ie fa jereo io vidéo ambony io efa 11 taona lasa izay… Ary manontania olona amin'izao fotoana izao. Kaonty amina banky, tsy manana aho; fiara tsy manana ary mila aho; trano efa tamin’ny andron’i Didier Ratsirala no nitsangana. Inona no «hamelezana» ahy: handefasana «commando»? Sssss. Ny olona gaigy no matahotra an-drafahafatesana: ho avy toa ny mpangalatara izy tsy hampilaza mialoha. Mijanona eo amin’ny fahazavana foana aho, ary ao anaty ny fahazavana no hialako eto amin’ity tany fandalovana ity, tsy hitondra alahelo sy hametraka lova ratsy ho an’ny taranako.

Farany: ao izao ny hilaza fa nomen'i Andry Rajoelina vola aho, no antony nanoratako ity lahatsoratra ity. Aza ny ataonareo no ahilika aty amiko. Na i Rolly Mercia aza miaika fa izany Jeannot Ramambazafy izany tsy azo vidiam-bola na oviana na oviana. Efa nanandrana mihitsy anie izy e! (ATO). Ary tsy hoe tsy fitiavako manokana an’i Rolly Mercia no nanoratako an’ity lahatsoratra -mitovy taona izahay ary mampalahelo ahy izy fa zavatra notadiaviny daholo io ataony io: iza no mba nitsetra azy fony izy toa taolan-katsaka miandry ny vola kely tao aminy Madagascar Tribune? Izaho fa adinony tanteraka izany- ity fa lesona ho an’ireo mpanao gazety vao misondrotra: fadio io fomba ratsy ataon'i Rolly Mercia io manimbazimba ny asan-tsika, fa tsy mitondra mankaiza velively sy na oviana na oviana. Rehefa tsy mahomby ianareo na koa tsy nanatontosa ny «mission» dia ho voadaka toa kiraro tsy ampiasaina intsony. Tadidio mandrakariva izany. Dia mahaiza daholo mionona. Fa raha i Rolly Mercia dia tsy hiova intsony. Tara loatra, ny taona mandroso. Mampalehelo ny taranany ary tsy ny azy irery ihany.

Jeannot Ramambazafy – 6 Novambra 2016

Mis à jour ( Lundi, 07 Novembre 2016 10:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety