]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Andry Rajoelina - TGV 10 taona: ny lasa sy ny hoavy, 12 Febroary 2017

Andry Rajoelina - TGV 10 taona: ny lasa sy ny hoavy, 12 Febroary 2017

Lahateny nataon’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, ny alahady 12 febroary 2017, tao aminy Arena Ankorondrano, tamin’ny fankalazana ny faha-folo taonan’ny antoko TGV (Tanora malaGasy vonona) sy ny fifampiarahabana tatry ny taom-baovao 2017 niarahana tamin’ny vondrona Mapar.

Marihiko fa itony no karazana vidéo mirakitra ny Tantaram-pirenena tsy voavidy vola. Zavatra toa itony no tsy ampy eto amin'ny firenena malagasy, satria mbola maro ireo mpanao politika tsy mba mahalala izany hoe mangaraharaha izany ka rehefa tonga eo amin'ny fitondrana dia manao jadona no fantany.
Tsy mampandroso firenena iray velively izany toe-tsaina tia kinafinafina izany. Mila mahalala ny zava-nisy ny taranaka fara aman-dimby ary tokony avy amin'ireo mpitarika politika no loharanom-baovao. Amin'izay dia ho foana ny tsao isan-karazany mampisara-bazana.

Jeannot Ramambazafy - Nandika ny feo

**************


Ampifaliana tokoa ny anamarinan-tsika ny taom-baovao androany, dia ny taona 2017. Fanamariana fotsiny ary tsara ho fantatra ihany fa ny taona 2017 ity dia manamarika ihany koa ny faha-folo taonan’ny fikambanana izay lasa antokoTGV. Feno folo taona tokoa ny antoko satria tamin’ny taona 2007 no nananganana ny fikambanana na association TGV izay nilatsahako ben’ny tanàna teto amin’ny tananàn’Antananarivo, ary raha fifidianana filoham-pirenena marina tamin’izany dia premier tour dia vita, satria 63% ny nahalany ahy ho ben’ny tanàna teto Antananarivo.

Eto dia tiako fostiny ny manamarika, satria isika mandalina politika, dia ampitaiko anareo koa izany hoe: raha ohatra ny ben’ny tanàna, Ingahy Ravalomanana, nilatsaka tamin’ny taona 1999, dia lany izy tany amin’ny 55% tany. Ary ny isan’ny olona nifidy azy dia teo amin’ny 90.000 voix teo. Raha nilatsaka indray Ramatoa vadiny tamin’ny 2015, kely balitika ny taux de participation, teo aminy 20-25% teo, dia 94.000 voix no azony. Ny olona nandatsa-bato ho azy izany teto Antananarivo. Dia teo amin’ny 90.000 voix eo ihany izany. Ampahatsiahivin-tsika satria naman’ny anniversaire ihany izany.

Fa ny taux-ko tamin’ny 2007 tamin’izaho lany ben’ny tanàna teto amin’ny tanànan’Antananarivo dia 165.000 voix no nahalany aho teto. Ny tiako lazaina dia hoe: raha izany sahalan’isa izany no hataon-tsika amin’ny taona 2018, dia hoy ny fitenena hoe: mazava ny karatra, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Izaho tsy mba be resaka fa kosa tia miasa. Ianareo rehetra ireo dia solontena avy any amin’ny Faritra ary isaorako anareo satria fantatro fa manana ilay fitiavana ianareo, manana ilay fahavononana ary manana ilay fahazotoana izay, hitondra ny anjara biriky eo amin’ny fanarenena, fanorenana ny firenena vaovao. Raha nandeha ny fifidianana ben’ny tanàna, tamin’ny 2015 teo, dia isaorako ianareo satria maro ny ben’ny tanàna lany tany ambanivohitra tany. Angatahiko mba hitsangana ny solontenan’ny ben’ny tanàna tonga ato androany. Ianareo izay Maires mba mitsangana daholo, tompoko.

Ireo ry zareo. Mbola maro no tsy tonga avy any ambanivohitra rehetra any. Misaotra, afaka mipetraka ianaoreo ben’ny tanàna sady misy hafatra ho ataoko anareo koa rehefa avy eo. Fa izao: noho ny fotoana izao vaofetra tamin’ireny fifidianana ben’ny tanàna ireny, dia nanapak’hevitra mihitsy aho fa tanàn-dehibe no nandalovako, nanaovako fampielezan-kevitra. Inona ny vokany, hoy aho ? Nametraka Maires Mapar isika tany Diego; niezaka nandalo tany daholo ireo lehibena antoko, mba tsy hanononako anarana satria manahirana ahy ny manonona ny anaran-dry zareo, dia nahazo olona zary raha feno ny trano, zara raha nisy tonga nitsena.

Fa ny tenako kosa, taminy tonga tany Diego, tapaka ny lalàna, feno ny kianja. Vokany: lany ny Maire Mapar tao Diego. Ohatr’izay koa ny tany Mahajanga. Nandalo tao ny kandida rehetra; nandalo tao ny antoko rehetra fa tsy nisy nahavory olona ohatra ny fandalovan-tsika tao, fandalovako tao, tapaka ny lalàna teny Amborovy mandrapahatonga tany amin’ny toerana nanaovana fampielezan-kevitra. Adiny telo ny nanaovana azy, lany ny Maire-ntsika, mitsangana ianao Monsieur le Maire Mokhtar izay tonga eto ankehitriny.

Ny tany Toamasina dia niarahanareo nahalala ny zavatra nisy satria isika raha hanao fampielezan-kevitra eny amoron-dranomasina, teny amin’ny «bord» hoy ny fitenenana, dia tonga ny Emmoreg. Isika nametraka ny estrade sy ny sono. Tonga ny Emmoreg hoe: ravao io fa tsy eto ianareo no manao fampielezan-kevitra.

Nifampiantso tamin’ny tomponandraikitra rehetra aho hoe inona no atao? Satria nogafiny isika tsy navela nanao eo amin’io toerana io. Amin’ny efatra maraina, amina toerana farany izay lavitra, miala avy ao amin’ny bord, inona moa ny anaran’ilay toerana, Madame le Député? Lycée technique? Any amin’ny Lycée technique any ianareo no manao raha te-hanao fampielezan-kevitra. Niantso ny ekipa aho: izao, raha izany no izy, fotoana nifanomezana tamin’ny vahoakan’i Toamasina io, tsy maninona fa ilazao ny olona. Manomboka amin’ny enina maraina, fa nifindra ny toerana dia ho avy ny Prezidà Rajoelina. Inona no nitranga, hoy ianareo? Tonga aho, tapaka ny làlana, feno ny kianja, tsy omby ny kianja, lany Monsieur le Maire. Io Monsieur le Maire-n’i Tamatave, Elisée Ratsiraka.

Ny teto Antananarivo moa dia fantatsika ny zavatra nitranga, tsy nanolotra kandida ny Mapar noho ny antony maro samihafa. Fa tany Fianarantsoa, nanolotra kandida isika. Ary nisy olona teo, izaho tsy dia tiako ny manonona anaran’olona, fa nisy Madama mihevitr a ny tenany fa tompon’ity Madagasikara ity; mihevitra ny tenanybfa tompon’i Fianarantsoa, nanao izay nataony, nampiasa ny volany iray manontolo. Fa ny antsika kosa niorina tamin’ny fitiavana, nentina tamin’ny finoana ny zavatra rehetra. Nivaly ny fifidianana: lany i Madame Christine Razanamahasoa.

Fa nahodikodina ny vato, dia elanelam-bato vaolo, hono, ny elanelany ka tsy lany i Mme Christine Razanamahasoa. Eto ianareo vavolombelona: niteny izahay fa tsy anaiky; izahay tsy maintsy hiady. Tonga ny gendarmes nanao tenue civile, namaky ary naka ny fitaovana tao aminy Viva Fianarantsoa. Hoy ny namana: hiady ve, Monsieur le Président, sa tsy hiady, fa vonona ny vahoaka? Dia hoy aho: on veut gagner la guerre mais pas une bataille.

Ka mandefera ianao Madame, fa aleho alaina any ny Mairie fa mbola ho avy ny fotoanan-tsika handaharan-tsika sy handaminan-tsika ny tanàna amin’ireny olana rehetra ireny. Dia nijanona tamin’ny fahendrena isika. Inona no tiako ho lazaina amintsika matoa milaza izany zavatra rehetra izany ny tenako. Ny tanàn-dehibe no mitondra ny hery politikan’ny antoko politika anankiray. Nasehon-tsika fa voafehin-tsika ny tanàn-dehibe, ary maro ireo kandida-ntsika, be dia be hoy ny fitenenana, tamin’ireny communes rurales rehetra ireny, izay lany fa dia navadibadika ny vato dia natao tsy lany.

Raha niady isika tamin’ireny fotoana ireny, dia hoy aho hoe: naman’ny atody miady aman-bato ihany, sady naman’ny ho reraka ihany isika satria ny olona malemy dia mampiasa ny fahefana sy ny lalàna mba hafahany mitazona ny fahefana. Fa ny olona tena mafy kosa dia matoky ny fanohanan’ny vahoaka sy ny olona ao an-damosina. Ka izay no nahatonga ahy, tamin’ireny fotoana ireny, tsy namelako antsika niady. Tsy namelan-tsika handray ny vato, araka ny fitenenana teo, fa amin’ny 2018 kosa, a a a. Tsy hisy anaiky eo. Efa mazava ny karatra, mba tsy hitenenako zavatra betsaka amin’anareo, fa izao: Andry Rajoelina tsy matahotra izay olona ho kandida filoham-pirenena na iza na iza, ary vonona hifanatrika amin’izay hifanatrika aminy.

Efa nolazaiko fa isika tsy mba naman’ny resy fa kosa tsy maintsy mandresy. Reko ihany ny ahiahy sy tebitebinareo namana teo: dia ahoana izahay ireto, Monsieur le Président? Dia hoy aho hoe: misaotra an’ilay olona aho satria eto amintsika dia misy ny olona mahay manasaraka fa tsy mahay mampihavana; ny olona mahay mampiady, fa ny olona tsy mahay mampifandray ny rehetra; ny olona manimba sy mandrava fa ny olona tsy mba manorina sy mpanangana. Isika dia ilay voalohany foana, mitsinjo ny fihavanana, hanorina, hanangana firenena vaovao.

Fa izao: ny zavatra ho teneniko anareo dia ity: aza manana ahiahy ianareo fa izao: isaoraka ihany ny zava-drehetra iainan-tsika izao ho raisin-tsika lesona ho an’ny aoriana, satria izao: efa miavaka izao ny vary sy ny tsiparifary. Ary isika dia tsy hanaiky intsony rehefa isika izao no mbola hampidirana tsiparifary indray. Ho anareo rehetra izay tomponandraikitra, dia izao fotsiny noteneniko anareo: rehefa tonga ny fotoana alohan’ny zavatra tokony ataoko ary alohan’ny valim-pitia tokony hasedra ho anareo tsirairay avy, ary tsy maintsy hahazo ny andraikitra sahaza azy ny tomponandraikitra tsirairay avy, manerana ny Nosy, Tompokolahy sy Tompokovavy:

Tsy mitovy ny tamin’ny taona 2009 sy ny taona 2018 amin’ny lafiny maro. Zavatra iray fotsiny dia ity: hatramin’ny naha zaza aho dia efa fantatro fa tsy maintsy handray andraikitra eto amin’ny firenena: efa fantatro izany, fa izao: rehefa tonga eo amin’ny fitondrana isika, amin’ny taona 2018, na tsy fantatro na alohan’izay satria ianareo efa betsaka ny dondona, dia tamin’ny taona 2009, rehefa tafapetraka teo amin’ny fitondrana aho, dia betsaka marina ny olona tonga, dia samy be lazao, be resaka, tao mihitsy ary moa no niteny hoe: izaho Président iaraka aminao mandrapahafaty, na entinao any amin’ny afobe aza. Hoy aho: aza miteny hoe any amin’ny afobe fa izaho tsy hitondra anao any amin’ny afobe. Fa ireny olona ireny indrindra no tena anisan’ny tsy hita amin’izao fotoana izao.

Ka izay no isaorako anareo namana rehetra rehetra izay eo nanamafy sy hanamafy ireo rafitra rehetra rehetra any amin’ny faritra rehetra rehetra any. I Andry Rajoelina tamin’ny 2009 tsy Andry Rajoelina amin’ny taona 2018. Ny ahy dia miasa ary hasehon-tsika an’izao tontolo izao ny asa hoentin-tsika eo amin’ny fitondrana ity firenena ity. Raha ny tenako manokana dia tsy ny hoe falifaly na hoe voninahitra ny te ho filoham-pirenena ny maha may ahy. Lazaiko tsiambaratelo ianareo: izaho olo-tsotra izao no miaina kokoa noho izaho filoham-panjakana, satria adidy izany filoham-panjakana izany. Ka matoa aho hiverina amin’ny 2018 dia noho ny vahoaka malagasy; noho ny fahatsapako fa tia ahy ianareo; noho ny fahatsapako fa miandry ahy ny vahoaka malagasy; noho ny fahatsapako fa mila avotana ity firenena ity.

Betsaka ny asa efa nataoko ary izay no nitenenako fa, raha tamin’ny taona 2009, nihezaka isika ampandeha ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Na izany aza, betsaka ny zavatra vita, maro ny mbola tsy tanteraka. Tsy nahazo fanampiana avy any ivelany isika fa vitan-tsika ny nampisondrotra ny karaman’ny mpiasam-panjakana 10% isan-taona, isan-taona. Ankehitriny misy mampisondrontra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ekena, fa 7% isan-taona, isan-taona. Misy milaza hoe: mahita famatsiam-bola, fa izao ny zavatra lazaiko anareo: raha ny tetik’asa, izay ho lazaintsika hoe conventions, omaniko ao miaraka amin’ireo experts any ivelany sy eto an-toerana, fa hatrany atsimo, hatrany avaratra, manerana ny nosy, dia misy praograma hapetraka tena hampandroso an’i Madagasikara ao anatina fotoana fohy.

Mbola ho avy ny fotoana asehoako izany praograma izany. Izaho aloha izao tsy miteny fa miasa mangina. Izay ny zavatra tiako ataon-tsika: miasa mafy ary tsy afaka nanolotra izany praograma izany aho tamin’ny taona 2009, dia amin’ny taona 2018 lazaiko anareo fa raha samy praograma ny antsika no tsara indrindra, ny antsika no hanavotra ity firenena ity, ny antsika no hanavotra an’i Madagasikara. Ny amaranako azy dia izao: aza manaiky rabirabian’olona isika, aza manaiky rebireben’olona isika fa i Andry Rajoelina dia mijoro ary vonona miaraka aminareo hanavotra ity firenena ity.

Misaotra Tompokolahy, mankasitra Tompokovavy.

Andry Rajoelina

ARENA, 12 Febroary 2017

Mis Ă  jour ( Samedi, 18 FĂ©vrier 2017 07:46 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety