]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Entreprendre TanaMasoandro. Fantaro ny ho ao anatiny

TanaMasoandro. Fantaro ny ho ao anatiny

Mamaky sy mihaino ny tomponandraikitra ao amin'ilay fotodrafitr'asa TanaMasoandro izay efa lasa raharaham-panjakana tanteraka ho an'ny tombontsoan'ny maro an'isa (ilay hoe “reconnu d'utilité public”). Ary isaorana ry zareo, eto, satria tsy nijanona teo amin'ny resaka miaraka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka fotsiny intsony ilay resaka afak'omaly, fa nahavatra mihitsy ry zareo nandefa ny mikasika ilay toerana sy ny izay rehetra ho ao anatiny.

Teny frantsay daholo aloha ireo taratasy sy planina voaray. Tsy asian-tsika olana izany fa nataoko adidy ny nandika ny tena tokony ho fantatry ny madinika sy ny be sy ny maro izay mangetaheta mangarahara. Raha mikasika ireo, indrindra fa ireo izay manana tanimbary na koa tany misy trano fonenana na/sy trano fiompiana, sns... dia mazava fa honerana izy ireo, tsy hiverenako eto fa anjaran'ny tomponandraikitra ny manao serasera govana mikasika izany.

Izao ary no ho hita ao amin'ny TanaMasoandro izay tanĂ na vaovao tafiditra amin'ny fanitarana ny renivhotr'i Madagasikara dia Antananarivo izany.

Tsapa amin'izao fotoana izao fa raha natao ho ana mponina miisa 300.000 ka hatramin'ny 500.000 ny tanĂ nan'Antananarivo dia miisa 3.250.000 izao ny olona ao ka ny antsasak'ireo dia ao amin'ny Kaominina ambonivohitr'Antananarivo na ny CUA. Araka ny fiazakazaky ny fitombon'ny mponina eto Madagasikara dia ho lasa 6 tapitrisa ny mponina hipetraka ao Antananarivo sy ny kaominina manodidina. Alaivo an-tsary kely ny fomba hianana amin'izany.

Amin'izao fotoana izao dia 27%-ny velaran-tany azo honina no afaka najariana satria lemaka mora tratry ny tondradrano no mameno ny 72%. Ao Antananarivo-Renivohitra daholo no mivangogo ny tena mampiodina ny fiainana eo amin'ny lafin'ny raharaham-panjakana, ara-ekonomika, ara-barotra, sns. Voalaza fa olona miisa 100.000 isan-taona no tonga ao Antananarivo Renivohitra kanefa tsy misy fotodrafitr'asa mipetraka mba honenan'ireo olona ireo any ka ireo hita maso, tsy ho tanisaiko eto, ny fananganana trano tsy ara-dalĂ na eo amina toerana tsy ara-dalĂ na ihany koa.

Fa ny voka-dratsiny dia ren-tsika amin'ny haino aman-jery sy voatatitra an-gazety: famoizana olona noho ny tany mihotsaka, noho ny tondra-drano, noho ny vaky trano sy famaizana satria trano hazo ny ankamaroan'ireo natsangana efa tsy manara-penitra rahateo. Fa maninona tokoa moa no eny amin'iny faritra iny no nosafidina hanganana ny TanaMasoandro? Tsotra be ny valiny fa mila fantatry ny madinika maro an'isa. Matetika dia avy amin'iny ilan'ny Betsimitatatra taloha no mikoriana sy mivarina ny ranon'orana. Faritra amin'iny lĂ lana mankany Arivonimamo sy Ambohitradrimo iny raha azonareo an-tsary.

TanaMasoandro dia ho toerana avo kokoa ary tsy maintsy hiampita tetezana goavana vao tonga ao raha avy aty Iarivo. Hisy fidirana hafa ihany fa tsy hoe toerana mihidy akory ilay tanĂ na vaovao. Mbola tsy any aloha isika. Fa eo amin'ny dingana voalohan'ny fanamboarana, izay tsy ho ela dia olona eo amin'ny 100.000 eo no tonga dia hahita asa mivanta. Firy marina no ho velaran-taniny rehefa tena vita? Lazaina fa 1.000 ha. Izany hoe im-polo mahery nohon'ny 67 ha efa lasa tery dia tery mihitsy. Hisy lĂ lana mirefy 3,Ho hita eo izany fa ireto aloha no voavinavina:

250 ha hatokana ho an'ny sehatry ny varotra sy ny servisy isan-karazany : trano fivarotana goavam-be, trano fandraisam-bahiny; trano fisakafoana, sns. Eo afovoan'izany dia hisy làlana malalaka avy any andrefa mankany atsinana omby fiara enina (06) milahatra sy làlana ho ana aotobisy roa (02) mifandahatra mandeha herinaratra, mirefy 3,6 km. Hisy 20 ha hatokana anaovana tsena isan-karazany miankina amin'izay zavatra amidy; ao koa ny 6 ha hatokana ho an'ny tsenan-javatra vita sinoa (“Chinatown”); 6 ha ihany koa hivarotana fiara “occasion” ary mbola 6 ha ho an'ny fivarotana fitaovana ara-informatika sy ny mikasika ny teknolojia vaovao rehetra.

200 ha hatokana ho an'ny trano fonenana ka ny 50 ha ho ireo trano avo lenta (“haut standing”) ary 150 ha kosa ho ao ny trano sahaza;

100 ha hatokana ho an'ireo orinasa indostrialy isan-karazany ka hisy trano fonenana azo hofain'ireo mpiasa aman'alina amin'ny vidiny mirary tsy handaniany fotoana be loatra eo amin'ny fivezivezena;

75 ha hatokana ho an'ny zava-boary sy ny zaridaina maitso mavana fitsangatsangana. Hisy toerana natokana hilalaovan'ny ankizy, hisy farihy tsara rindra sy toerana fipetrapetrahana;

50 ha ho toerana hamindrana ireo ministera rehetra misy ao Antananarivo Renivohitra sy ny biraon'ireo lehibena andrim-panjakana (Primatiora, Solombavam-bahoaka, Fitsarana avo isan'izany, sns.);

12 ha hatokana ho an'ny Fahasalama ankapobeny: hopitaly ho an'ny rehetra, klinika tsy miankina, toerana hanaovana analizy, sns;

13,5 ha hitsanganan'ny Akademian'ny Fanatanjahantena avo lenta. Mazava fa hisy kianja ho an'ny taranja rehetra na mitafo na ankalamanjana;

15 ha hatokana ho an'ny sehatra iraisam-pirenena ka hisy ny Lapan'ny Fampirantiana sy ny Foiben'ny Fivoriana iraisam-pirenena;

 

21 ha hatokana ho an'ny biraon'ireo masoivoho vahiny na koa ambasady;

18 ha hatokana ho an'ny Fanabeazana ankapobeny : lisea, kolejy, oniversite, sekoly mampiofana ho amina asa matihanina izan-karazana;

3,5 ha hatokana ho an'ny zava-kanto sy kolotsaina. Hisy izany ny trano fijerena sarimihetsika, seho an-dapihazo, dihy sy mozika, hoso-doko sy sary sokitra, Tranofiraketantsary sns.

 

Ny totalin'ireo dia 758 ha, hatreto. Fa hisy koa fiantsonan'ny fiara goavana izay tsy hahazo hivezivezy ao anatin'io tanĂ na vaovao io. Ao koa ny toerana natokana ho an'ny mpamonjy voina, ny resaka angovo isan-karazana sy ny rano ary ny resaka fandriam-pahamemana. Tsy adino ny tobin-dasantsy. Izany rehetra izany no hanome an'ilay 1.000 ha.

Araka ny vinavinan'asa dia alohan'ny faran'ity taona 2109 ity no hatomboka ny asa ka ny 1/4 no ho vitaina amin'ny dingana voalohany. Ny tena makadiry amin'izany dia ilay tetezana lehibe hanoloana ny fidirana; ny fanarenana ny tany hafahana manorina ireo rehetra voatanisa eo ambony ireo; ny arabe malalaka be fantatra amin'ny anarana hoe “avenue”.

Raha ny asa rehetra kosa dia vinavinaina ho tanteraka ao anatin'ny dimy (05) taona. Izany hoe any amin'ny 2024 any dia hiposaka ny TanaMasoandro. Mazava ho azy fa tsy orinasa iray na roa ihany no hiantoka ny fanamboarana fa dia maro tokoa ary mazava ihany koa fa hisy ny asa ho an'ny rehetra indrindra fa ho an'ny tanora izay tokony hiomana dieny izao. Tsipihina fa ny orinasa malagasy matihanina eo amin'ny tao-trano (BTP) sy ny fandrafetana no atao laharam-pahamehana ka hamolavola ireo tanora ho matihanina ihany koa.


Izay izany ny tsara ho fantatra. Raha ny resaka ara-bola dia mino isika fa hisy koa ny mangarahara ka ho lazaina amin'ny vahoaka malagasy hoe avy aiza sy ohatrinona. F'efa fantam-pantatra satria aza adino fa voasoratra ao anatin'ilay LFR na LalĂ na momban'ny famatsiam-bola nahitsy taona 2019, nankatoavin'ny solombavambahoaka sy ny Fitsarana avo momban'ny Lalampanorenana.

Raha ny eo amin'ny lafiny fandrindrana ara-bola ankapobeny kosa dia hatsangana ny SEM (“Société d'économie mixte”) azo adika amin'ny hoe orinasa mampiasa vola hisy ny Fanjakana malagasy be petra-bola indrindra (“actionnaire majoritaifre”) sy ireo mpiara-miombonantoka isan-karazany avy any amin'ny sehatry ny tsy miankina (Banky, trano fiantohana, sns).

Mino aho fa manomboka mazava aminareo amin'izay ny raharaha ary azo tarafina amin'ny maso tsy miangatra fa tena dingana mbola tsy nisy nanao hatramin'izay izany fanorenana tanàna vaovao iray manontolo izany fa tsy “Tanambao” hita eny amin'ny faritra rehetra eny nefa karazana fokontany peta-toko nahorina tsy nisy fandrindrana na dia kely aza. Farany: hisy boriboritany efatra (“Quatre arrondissements”) ny TanaMasoandro. Mahafinaritra ahy ny manoratra azy toa io. Alefako ao amin'ny OMAPI amin'ny anarako io an!... Misaotra naharitra namaky fa tsapako fa liana ianareo indrindra moa fa misy ireo sary na dia tsy miloko aza.

Ho an'ny “mpanohitra” tsy laitran'ny balan'ny fahendrena dia tsotra: mijanona aloha mitazana eny amin'ny pelozy fa tsy maintsy hitehaka ihany na dia manozona ny tsy hahavitan'io fotodrafitr'asan'i zandry kely io. Tsy fitiavana fandrosoana ary tsy fitiavana tanindrazana tsotra izao izany fomba fisainana izany. Fa ny Lapan'ny tanàna'Antananarivo sy Toamasina, ny Coliseum sy ny kianjan'ny Makis no banjino mafy dia ho “kaopy” ianareo amin'ny farany. Izaho kosa dia tsy naman'ny mihemotra velively. Zoko maha olom-pirenena malagasy ahy izany alohan'ny maha mpanao gazety ahy. Marina tsy izany va? Fa mety “mivaha” kely aho raha mitodika amin'ny minisitry ny Paositra. Ramose Christian Ramarolahy a : Mbola tsy izao akory no firesahana izany “connexion” sy “fibre optique izany” e! Marina fa “gouverner c'est prévoir” fa misy fotoanany kosa ny zava-drehetra. “Mobilité urbaine” (fivezivezana an-tanàn-dehibe) izao no misarika ny sainan'ny rehetra.

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Samedi, 05 Octobre 2019 05:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety