]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana !

Loka Anzisha 2016. Lasan’i Randriarimanana Tahina Heritiana ny 25.000 Dôlara amerikana !

Soa fa misy itony karazana loka itony maneran-tany satria, raha ny eto Madagasikara no andrasana dia ho antitra eny ihany ny tanora… Tsy nisy ary tsy mbola misy mihitsy ny politika maty paika hamporisihina ny tanora malagasy hisongadina avy amin'ny mpitondra fanjakana. Ny diplaoma CEPE aza tadiavina ho foanana amin’izao fotoana izao… Tsy manome hasina ireo any ambanivohitra mihitsy e! Io no mba any diplaomany satria mino isika fa tsy afaka manohy fianarana lavitra ny zanaka tantsaha. Fa singanina manokana kosa aloha ny « Trophée des Jeunes Entrepreneurs » karakarain’ny banky BNI.

Ny talenta dia tsy manam-petra fa ny kisendrasendra tsy mahatonga lavitra

Ny Loka Anzisha, izay noforonina tamin’ny volana Aogositra 2011, dia natokana ho an’ireo tanora eo anelanelan’ny 15-22 taona manerana ny kaontinanta afrikana. Ka tanora mamiratra eo amin’ny fahaiza-mamorona fitaovana na koa fotodrafir’asa ilain’ny mpiara-belona (« innovation ») sy manana saina handroso sy hampandroso hatrany (« Esprit d’entreprise »).

Ireo fikambanana manohana ny Loka Anzisha

Ny « Académie africaine de l’entreprenariat » (African Leadership Academy- ALA) ao Johannesburg, Afrika Atsimo ny vy nanana ity loka omena isan-taona ity. Ary tamin’ity taona 2016 ity, dia nanome voninahitra an’ny Malagasy tsy an-kanavaka i Randriarimanana Tahina Heritiana Fabien avy ao amin’ny orinasa Fiombonana. Satria tokoa mantsy, taminin’ireo tanora miisa 12 niatrika ny famaranana dia izy no nahazo ny loka 25,000 Dôlara amerikana.

Fa iza moa i Randriarimanana Tahina Heritiana Fabien ?


Efa ela aho no nahalala fa izany zanaka minisitra izany tsy ho minisitra velively ary ny zanak’ireo mpitondra dia tsy ho re intsony rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony ny havany… Satria mandray ny vonona eny fotsiny, tsy mahay mitsinjo ny ampitso mihitsy. I Randriarimanana Tahina Heritiana Fabien dia avy ao Faratsiho ao. Vao teraka izy, ny taona 1994, dia maty ny reniny. Ary tsy fantany mihitsy iza ny rainy.


Ny renibeny no nitaiza azy. Rehefa 16 taona izy dia tapakevitra fa hitsahatra amin’ny fandehanana any an-tsekoly ary iny izy lasa nivarotra « caca-pigeons » sy nanao asa an-tselika mba ivelomany. Asa tokoa aloha raha nahay nitahiry vola izy fa 6 taona taty aoriana dia natsangany ny orinasa atao hoe Fiombonana. Izany hoe lasa « patron »’-ny tenany izy. Amin’izao taona 2016 izao dia manana mpiasa 12 ny orinasany izay misahana ity atao hoe « agrobusiness ». Izany hoe mamokatra sy mivarotra vokatry ny tany sy biby fiompy aodina ka lasa zava-pihinana toa yaourt, tantely, fromage, sns.

Ireo tanora miisa 12 nizara ny vola 100,000 Dôlara. Hafa ihany ny fitsikin'ny tanora malagasy e! Eo ambany eo afovoany i Tahina

Tapakevitra i Tahina (aleho izay no iantsoan-tsika azy satria nanambina io fanampanarana io) fa isedra tena ka dia niditra ho mpifaninana tamin’ny ity Loka Anzisha 2016 ity. Tafakatra famaranana tokoa ary izy ary dia nibata ny fandresena ny alin’ny 25 Oktobra 2016 tao Johannesburg. Mitotaly 100,000 Dôlara ny vola nozarain’ireo niatrika ny famaranana fa 25,000 Dôlara ho azy samy irery.


Voninahitra ho an’ny tanora Malagasy rehetra izany ary voninahitra ho an’ny firenena malagasy ihany koa. Mino marina isika fa ny finiavan’i Tahina handroso hatrany no tena naharesy lahatra ireo mpitsara manana ny maha izy azy, dia:

Ambony: Kolawole Olajide, Co-founder of Funda and 2013 Anzisha Fellow; Michelle Atagana, Head of Communications and Public Affairs at Google South Africa

Afovoany: Gossy Ukanwoke, Higher Education Investor & Founder at Beni American University R&D Wendy Luhabe, Member of the Board at The Abraaj Group

Ambany: Willy Mukiny Yav, Co-founder and Director of Pygma Group.


Arahabaina ianao ry Tahina! Voaporofonao fa azo resena tokoa ny fahantrana ary tsy hoe mila diplaoma avo lenta na fiara lafo vidy mihinan-dasantsy vao azo lazaina hoe tafita. Fitaratra ho an’ny tanora izao ary mbola manaporofo fa ny asa any ambanivohitra no tena mampandroso sy hampandroso ny frenena. Saingy indrisy…

Jeannot Ramambazafy – 26 Oktobra 2016

Isaorana manokana etoana ny namana mpanao gazety Clarel Faniry Rasoanaivo

Mis à jour ( Mercredi, 26 Octobre 2016 22:00 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO