Madagasikara. Fitondrana Hvm mamono olona ary miady amam-paty

Mardi, 24 Avril 2018 04:41 Manifestation
Imprimer

Tena izay tsy nitomany omaly teo Analakely aloha dia sady fo vato no devoly latsaka an-tany. Izay ihany. Torak'izany koa ireo hikasa na efa nanoranora-poana sy niteniteny izay saim-pantany: tsy papanareo, tsy zanakareo, tsy havanareo koa moa no maty voatifitra ny sabotsy 21 Avrily 2018 mantsy ô ? Mandini-tena ary tsarovy ny ratsy natato rehefa handondom-baravarana ao aminareo Rafahafatesana.Tena tezitra aho fa kosa tsy hanota toa anareo satria matahotra an'Andriamanitra ny aty aminay.

Ka tsy ho asiako resa-be intsony fa avelao ny sary hiteny. Ho avy manaraka ihany ny vidéos.


Fa nazava ny fanambaran’i Fiandraza, Lehibem-paritra teo aloha avy any Ambovombe. Ingahy Hery Rajaonarimampianina no nanome baiko nampamono sy nampandratra ireo olona ireo. Ary miombon-kevitra amin’ny maro an’isa izy fa tokony mametra-pialàna i Hery satria na hitady fifampiresahana dia efa tara loatra satria tsy hisy olona handray ny tanàny mihosin-drà (lio). Henohy izy io ambony io.

Jeannot Ramambazafy sy Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Mardi, 24 Avril 2018 15:49 )