Ikongo. Ny votoatin’ny «Festival Soriba» andiany voalohany

Dimanche, 23 Septembre 2018 08:07 Manifestation
Imprimer

Eto Madagasikara dia ny fifangaroan’ny foko Betsileo sy Antemoro no nanome ny foko Antanala, na koa hoe mponina anaty ala. Mbola ahitana ireny ala ireny ao Ikongo, ao anatin’ny “forêt primaire (ala niandohana), ahitana ireo biby sy zava-maniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara toy ny Lémuriens”.

Ikongo dia manana renirano lehibe atao hoe Sandrananta izay manondraka sy mandonaka faritra maro. Misy koa ireo riandranon’ny “chutes d’eau” ao Volohosy, Andriabe ary Maromandia. Mbola voatazona tsara, hatreto, ny fomba amam-panaony sy kolontsaina mampiavaka ity faritra ity. Ny mponina any moa dia tia sy mahay mandray vahiny.

Saingy na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola voasoratra ao anatin’ny pejin’ny fizahantany ny distrikan’Ikongo, nohon’ny resaka làlana RN14 miala eo Ifanadiana, mirefy 92 km. Eo ihany koa ny tsy fampahafantarana ireny harena ireny. Tapakevitra ny fikambanana A.M.A.A.A.A (Antenimieran’ny Mpanjakana Andriambavilanitra sy ny Andriana ary ny Anakandria), ny ministeran’ny Fizahantany, ireo rantsa-mangaika ao amin’ny faritra sy ny mponina, fa hisokatra ao amin’ny distrikan’Ikongo izay fizahantany izay.


Razafitsiandraofa Jean Brunelle

Nambaran’ny minisitry ny Fizahantany Razafitsiandraofa Jean Brunelle tao anatin’ny fanokafana ny “Festival Soriba” andiany voalohany fa hovelarina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Tsy hijanona fotsiny amin’ireo toerana efa malaza amin’izany fizahantany izany, fa hitarina any amin’ny faritra rehetra, izay samy manana ny harena mampiavaka azy eo amin’izay fizahantany izay.

Ho sahanina avokoa ireo endrika fizahantany misy: ny tourisme culturel (Fizahantany ara-kolontsaina); ny tourisme communautaire (Fizahantany iombonana amin’ny vahoaka); ny “tourisme villageois” (Fizahantany mampisongadina ny any ambanivohitra; ny tourisme écologique (Fizahantany ara-zavaboary)

Ho an’ny distrikan’Ikongo manokana, dia napetraka ny vato fehizoron’ny sampandraharahan’ny Fizahantany. Afaka telo volana dia hitsangana ny trano. Efa misy ihany koa ny fanofanana ireo mpiseradia (“guides”) handray ireny mpizahantany ireny.

Nisy ny dinika niarahan’ireo tompon’andraikitra, mpitondra sy ireo mponina any an-toerana, hampandrosoana izay fizahantany izay tao amin’ny foibe ara-kolotsaina ao an-toerana. Nisy ihany koa ny hetsika maro toy ny diabe nitetezana ireo faritra malaza sy manantantara, teo ihany koa ny fambolen-kazo ka zana-kazo miisa 600 no novolena tao.

Ireo hetsika ara-kolotsaina sy aram-panatanjahantena toy ny “tolona”, fanatanjahantena hatramin’ny fahagola izay mampiavaka an’Ikongo, ary nisy ny fanolorana loka ireo mpilalao mendrika, toy ny fitaovana ara-pambolena maro. Ireny rehetra ireny dia tafiditra ao anatin’ny hetsika Festival Soriba” andiany voalohany, nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Vohay varangara hidiran-kazavagna”. Nanomboka ny 14 septambra ka hatramin’ny 16 septambra 2018 tao amin’ny Kianjaben’Ikongo ary nahitana tranoeva maro. Amin’ny ankapobeny dia nitondra aina sy fanantenana vaovao ho an’Ikongo iny hetsika iny.

Jeannot Ramambazafy – Sary Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Dimanche, 23 Septembre 2018 10:31 )