Ampefiloha. Nahomby ny Sekolin’ny zanak’alika «Coton de Tuléar»

Lundi, 24 Septembre 2018 04:56 Manifestation
Imprimer

Antananarivo, Sabotsy 22 Septambra 2018. Tontosa soa aman-tsara koa ny « Ecole des chiots » (Sekolin’ny zanak’alika) natao teo amin’ny zaridainan’ny Lion’s Club eo Ampefiloha. Ny fikambanana « Coton de Tuléar Malagasy Club » (CTMC) sy ny « Malagasy Coton Preservation Club of USA » (MCPC) no nikarakara io hetsika io. Tsy adino ny orinasa AGRIVET izay manohana hatrany ny hetsika tahaka itony. Alika « Coton » miisa 20 eo ho eo no nentin’ireo tompony io sabotsy io niaraka tamin’ny vady aman-janany. Sady naka rivotra no nahazo fampianarana momba ny fitaizana ireo atao hoe « meilleurs amis de l’homme » (sakaizan’ny zanak’olombelona tsara indrindra) ireo.

Marihina fa ny Filoha sy ny Filoha lefitry ny MCPC mihitsy no tonga namelona io fampianarana ny fikarakarana ny alika « Coton de Tuléar » io. Dia ramatoa isany Debbie Newman (lava volo) sy Becky Olsen (fohy volo). Nisy ny mpandika teny satria taminy teny anglisy ireo torohevitra.

Tsiahivina fa nisy io Sekolin’ny zanak’alika io tany Antsirabe (20 Septambra) sy Tuléar (16 Septambra) mialohan’ity teto Antananarivo ity. Taorian’ny fampianarana sy fandraisana ny ADN ireo « Coton » voafantina, satria tsy metisy dia nisy ankitsapaka ka fitaovana momban’ny fikarakarana alika no loka, toa ny fiogo, vilia, borosom-bolo, fandiovana volon’alika, «écuelle pliable », sns. Aleho ny sary no hiteny mamdrapahavita ny vidéo izay hahaliana anao tokoa ry mpamaky. Eny na dia tsy mbola manana « Coton de Tuléar » aza ianao.

Jeannot Ramambazafy

***********************

Mis à jour ( Lundi, 24 Septembre 2018 05:35 )