Madagasikara. Feno 200 taona ny Fadintseranana Malagasy

Jeudi, 30 Janvier 2020 07:07 Manifestation
Imprimer

Avia mankany avanana : ny Tale jeneraly Zafivanona Ernest Lainkana sy ny Minisitra Richard Andriamandranto

Mipetraka ho tantaran’i Madagasikara ity taona 2020 ity raha ny Fadintseranana no resahina, satria feno 200 taona amin’ity taona ity izany sampandraharaham-panjakana. Notanterahina tao amin’ny Carlton Anosy ny Talata 28 janoary 2020 ny fanamarihana sy fisokafan’izany fankalazana izany, izay natrehan’ny minisitry ny Vola sy ny Toekarena Richard Andriamandranto, ary ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny Fadintseranana notarihan’ny Tale jeneraliny Zafivanona Ernest Lainkana.

 

Ny 26 janoary no fanamarihana eran-tany ny Fadintseranana. Ho fiatrehana ny 200 taona manaraka dia misy tetik’ady efa voarafitra naroson’ireo eo anivon’ity Fadintseranana ity dia ny drafitra stratejika 2020-2023. Manana tanjona henjana sy lavitra ihany ny Fadintseranana : raha toa ka roa andro vao tafavoaka ny entana eo anivon’ny seranana dia voafaritra ao anatin’ity drafitra vaovao ity ny hatratrarana ny tanjona ho ora roa na telo dia tafavoaka izany.

 

Eo koa ny lafin’ny fifehezana ny mpiasa izay tsy voasarika amin’ny kolikoly ny entana mandalo fitsirihana (Scan) dia kendrena ho ora valo hamoahana ny entana. Navoitry ny Minisitra fa ny famatsiam-bola izay hoentina amin’ity tetik’asa ity dia hitombo avo arivo heny.

Tafiditra amin’ny rafitra vaovao ny famatsiana fitaovana ampiasain’ny mpiasa, ary eo koa ny hisian’ny Akademian' ny Fadintseranana.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Jeudi, 30 Janvier 2020 07:25 )