Ambohimandroso. Nandalo tao ny "Caravane" Rodobe ho an'ny Fahasalamana sy ny Zon'ny Vehivavy

Lundi, 02 Mars 2020 05:57 Manifestation
Imprimer

Alahady 01 Marsa 2019. Niainga teo Andrenivohitra nizotra nianantsimo ny “Caravane” Rodobe ny ho an’ny Fahasalamana sy ny Zon’ny Vehivavy, izay iarahana amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny eo anivon’ny Fiadidian’ny Filoham-pirenena misahana ny Asa sosialy. Hetsika izay niompana amin’ny fizaham-pahasalamana ho an’ireo vehivavy sy ny renim-pianakaviana ary ireo mitondra vohoka, ary tafiditra amin’ny herinandro ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an’ny Vehivavy.


Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy izay mitondra ny lohahevitra : « Izaho sy ianao, isika rehetra miombon’andraikitra hisitrahan’ny vehivavy ny zony » ka iresahana ny momba ny Zon’ny Vehivavy sy ny Fahasalamana, mandritra ny herinandro (01 martsa ka hatramin’ny 08 martsa 2020).


Nosafidiana manokana ny lohahevitra mba hifandray amin’ny fanentanana sy ny fanabeazana ny tsirairay, satria manadanja ny fampiharana ny Zon’ny Vehivavy ary hiankinan’ny Fampandrosoana ny Firenena. Ny Zon’ny Vehivavy, raha tsiahivina, dia tsy hafa akory fa mitovy ny Zon’ny rehetra izay tokony hisitrahany, ka anisan’izany fananana Zo hianatra. Eran-tany anefa, ary indrindra indrindra eto Madagasikara, dia “mbola maro ny ezaka atao ho fanatratrarana izay fampiharana ny Zon’ny Vehivavy izay”, araka ny fanazavana ny hetsika nataon'ny Tale Jeneraly ny Fiahiana Ara-tsosialy sy ny Fampivoarana ny Vehivavy, Ramatoa Rova Rabetaliana (MPPSPF).


Ny kaominia Ambohimandroso, Distrika Antanifotsy, no nisantarana ny fizaham-pahasalamana sy ny fanentanana ny zon’ny vehivavy.


Ambohimandroso izay ahitana mponina 60.000 ary saika ny vehivavy sy ny ankizy no maro araka ny fanazavana nomen’ny Benin’ny Tanàna Ramatoa Razafindravao Volahanta. Mbola marefo ihany koa ny mponina raha ny lafin’ny fahasalamana no resahina. Zava-dehibe izao hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Mponina izao, satria tena ilaina eo amin’ny mponina ny fampafantarana izay Zon’ny Vehivay izay. Nisy rahateo ny fanentanana sy fihainoana ireo mponina niatrika ity lanonana ity.


Nojerena tsirairay ihany koa ny fahasalamanan’ireo mponina. Nisy rahateo ny “Clinique mobile” izay miara-dia tamin’ity Rodobe ho an’ny Fahasalamana sy ny Zon'ny Vehivavy ity. Tao ireo nozahana momba ny tosi-drà; ny fitsaboana eo amin’ny lafiny ankapobeny niarahana tamin’ny DASP; ny fanazavana ny fahasalamana ara-pananahana; ny fisafoana ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka; ny fizahana ny homamiadana ao amin’ny tranon-jaza, sns. Marihina fa nisy fanomezana fanafody maimaimpoana ho an’ireo izay nozahana.

Soratra sy sary : Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Lundi, 02 Mars 2020 06:41 )