]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Antsirabe. Kabarin'ny Gouvernora VyVato Rakotovao tamin'ny fianianany

Antsirabe. Kabarin'ny Gouvernora VyVato Rakotovao tamin'ny fianianany

Mitsangana eo amin'ny sary avy amin'ny avia miankavanana : Elisée Ranarivelo, Talen'ny Kabinetra, Vyvato Rakotomaditra Rakotovao, Governoran'ny Faritra Vakinankaratra

Tamin'ny Filankevitry ny minisitra natao ny alarobia 12 Febroary 2020 no voatendry Governoran'ny Faritra Vakinankaratra Andriamatoa Vyvato Rakotomaditra Rakotovao. Ny Talata 03 Marsa 2020 kosa izy no nanao fianianana tao Antsirabe. Ity manaraka ity ny kabariny tao anatin'izany lanonana tsy nanam-paharoa izany.

Jeannot Ramambazafy – Sary : Harilala Randrianarison

***************************

Voalohan-teniko dia fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra Andriananahary nandahatra ny andro anio, hifanatrehantsika tava, ifanoloram-boninahitra mivantana. Ankasitrahana ny Avoindrindra nanokatra pejy vaovao ho an’ny Faritra Vakinankaratra, an’ilay Nahary ny tongotra amantanana anie ny Voninahitra fara-tampony.

Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine, filohan’ny Antenimieram-pirenena, reny mpiahy izao lanonana izao no sady raiamandreny miahy ireo mpiara-mitolona na fotoan-tsarotra io na fotoana zina

Ianareo ministra, mpikambana ao amin’ny Governemanta. Mpitondra fanjakana mahefa sy mahavita azy

Ianareo mambran’ny birao maharitra ny Antenimieram-pirenena

Ianareo Loholona mitazona ny hazomangan’ny fahendrena

Ianareo Solombavambahoaka,voafidim-bahoaka hiaro azy,hifidy lalana hampandrosoana ny malagasy ary hitondra ny feon’ny valalabemandry ho ren’ny fitondrana mpanantanteraka

Ianao Ramatoa Prefet, mpifehy ny raharaham-panjakana eto Vakinankaratra, solontenam-panjakana miara-dia sy miara-misalahy amin’ny governora hampandroso ny faritra

Ianareo Solontenam-panjakana ambony araka ny laharam-boninahiny tsirairay avy

Ianareo rehetraTalem-paritry ny Departemantam-panjakana eto amin’ny Faritra Vakinankaratra

Ianareo Lehiben’ny Distrika,mpiara-miasa amiko

Ianareo Ben’ny Tanana rahalahiko sy anabaviko, mianala isika ka izaho tokinareo ary ianareo tokiko.

Ianareo vahiny manan-kaja sivily sy miaramila manatrika etoana.

Indrindra ihany koa ianareo mponin’I Vakinankaratra tonga marobe manome voninahitra izao lanonana manetriketrika fanomezam-pahefana izao, raiamandreny antanana mitsilo raha alina, manaloka rehefa midanika ny andro

Isika rehetra,

Arahaba tsaratsara Tompokovavy, fa velom-panantenana ny tontolo, satria ianareo no toky sy ravaka, ary ianareo no loharanon’aina manabe sy mitaiza.

Arahaba migodongodona Tompokolahy, fa manatrika eto ianareo hery mpandrafitra sy mpanefy, ifatoran’ny tokim-pivelomana sy ireo drafitra enti-miroso amin’ny tsaratsara kokoa, ho an’ny ankohonana Malagasy manontolo.

Arahaba ry Mponin’I Vakinankaratra manontolo tratr’izao vaninandro izao, migadona tokoa ny fotoana nifanomezana tamin’ny tantara hiarahantsika misalotra ny fanevam-pirenena, mivikina ny fitiavan-tanindrazana ho herijika vaovao, entina misadika miaraka ireo andraikitra mankadiry faritan’ny Vina sy ny Velirano, sy ireo lokanady hitondra antsika amin’ny fiakaran’ny fari-piainana isam-baravarana. Velona ny anjomara ! , manaitra antsika hanovo toe-tsaina feno fikirizana sy fivelaran-tsaina, mba ifantohantsika mihoatra ny asa fivelomana, mankany amin’ny tena asa fiharian-karena satria vonton-doharanon-karena ity faritra honenantsika ity.

Manarak’izany dia mamela ahy ianareo haneho fisaorana feno sy mitafotafo an’Atoa Filoha hajaina Andry RAJOELINA, sy ny fitondram-panjakana manontolo izay tarihiny nametraka fitokisana tamiko, ka nanendry ny tenako ho Governoran’ny Faritra Vakinankaratra.


Am-panetren-tena lehibe no hanomezako toky fa:

“ Hitondra hazavana aho Andriamatoa Filoha”.

Ry Namana mponin’I Vakinankaratra : “ Fantatro, fantatrao fa tery ny lalana mankany amin’ny fandrosoana. Fantatro ary fantatrao fa tsy efan’irery ny fandresena, koa na ho Vy na ho Vato , VAKINANKARATRA MIRAY HINA KOA TSY MAINTSY MANDROSO, TSY MAINTSY MANDROSO”.

Tsy hivalampatra amin’ny antontan’isa aho aloha satria dinika fitia mifamarafara ny antsika anio, fa ny azoko ambara kosa dia niangaran-Janahary I Vakinankaratra, satria :

  • faritra midadasika indrindra eto Imerina, ary loharanon-tsakafo.

  • Mifanolo-bodirindrina ara-jeografika amin’ireo faritra fito mahavokatra,

  • manankarena vato nasondrotry ny tany amin’ireo avaram-pianarana nipongantra avy tato anatiny,

  • sompitra talenta ary tanin-ketsan’ny kanto sy ny soatoavina ka tsy ho lany aingam-panahy,

  • honenan’ny tantsaha tena mpamokatra sady manana mponina tanora herim-pamokarana mahasandratra ny tany,

  • faritra mbola mahatahiry ny kolon-tsain’ny sompitra, fomba fiaina fototra mahomby hisondrotana amin’ny fiharian-karena matianina,

  • miavaka amin’ny toe-trandro sy toe-tany majika mahavanom-bokatra fivelomana,

  • ary manan-karem-pahasoavana manokana amin’ny rano mahavelona sy manasitrana.

Manan-jina Vakinankaratra ary mafy sy lalina ny vitrana ifamatoran’ny mponina amin’ny taniny,

Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ny fototra hananganatsika ny fampandrosoana dia ny fifampitokisan’ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka. Ireo fifidianana nifanesy tao anatin’ny herintaona dia mamaritra mazava fa nisafidy ny fanovana ho any amin’ny tsaratsara kokoa ny maro an’isa. Ny Velirano nifanaovan’ny Filoham-pirenena sy ny vahoaka malagasy no andry iankinan’ny fiainam-bahoaka. Velirano natao ampitiavana, tsy antery na vozonana fa safidy demokratika eken’ny be sy ny maro. Tianay etoana no manambara fa ny governoran’ny faritra Vakinankaratra dia tsy naman’ireo izay mihemotra fa handroso sy hampandroso ny tetikasa nofaritan’ny Filohampirenena hanavotana ny firenena. Izay namako dia aoka sahy hijoro, vonon-kiasa, ary hanompo tanindrazana mba hiadanan’ny ambanilanitra.

Ny asa rehetra dia manaraka ny Velirano miisa 13 nofaritan’ny Filoha Andry Rajoelna, Andry TGV ho antsika namany, ary efa lalana manakery rehefa nankatoavin’ny Antenimiera ho lasa programan’asa ankapoben’ny governemanta na PGE. Efa vita izao ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM, ka raha vahoaka sy mpiasam-bahoaka tsy hamokatra amin’izany dia aleo izy hiady vomanga fa ny raharaham-pirenena tsy azo atao andraso andraso.

Ny Vina sy ny Lokanady horafetina, dia hanoritra ireo laharam-pahamehana hamahana ireo sakana amin’ny fivelaran’ny fiharian-karena sy ny fitondrana tosika amin’ny famokarana. Manarak’izany dia ny fitsirihana ireo tetik’asa mahomby maty paika kanefa tsy nosandaina ezaka noho ny antony samihafa. Tsy maintsy hojerena manokana koa ny vahaolana ara-tsosialy ho an’ireo tena marefo sy ireo mananon-tena ary ireo ankizy tokony hianatra. Hapetraka ihany koa ireo paikady miaraka amin’ny sehatra tsy miankina hampiroboroboana ny asa fandraharahana manara-dalana mba hitomboan’ny fiforonan’asa, ny fampidirana ny fomba famokarana mekanika, ny fanatsarana ny fitantanana ny lafin-tany mba hampiasana ireo tany mahavokatra tsy mbola voavoly hisondrotan’ny vokatra anatiny, ary indrindra ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mahakasika ny tanora sy ny tontolony dia hirosoana ny ezaka fampiroboroboana ny teknolojia vaovao, ny kanto, ny fanatanjahantena, ny fianaran-kasa, ireo asa an-tselika manampy azy hiantoka ny filany sy fianarana ambony tovoziny, ny fananganana orinasa madinika, ny fizahan-tany, ary ny fikajiana ny vakoka sy ny tontolo iainana.

Hosoritana mazava ireo paikady fa ny fiaraha-mientantsika no hamongorantsika ny kolikoly, ny toe-tsaina lomorina ary ny tsy fandriampahalemana efa nampiraviravy tanana sy nampivakivaky ny fiaraha-monina, ka hametrahantsika tarigetra mifanaraka amin’ny vanim-potoana .

Niangaran’ny fitondram-panjakana Vakinankaratra, kianja manara-penitra telo, université eto Antsirabe, sekoly manara-penitra foibe fampianarana arak’asa maro, tetik’asa Fihariana, tsena mora sns… teto no nahitan’Andriamatoa Filoha Masoandro, eto isika rehetra hamaly fitia azy. Ry vahoakan’i Vakinankaratra , tsy safidy ny fivoarana fa fahatapahan-kevitra, tsy afa-miandry ary efa dodona amin’ny tena fandrosoana isika”.

Isika rehetra: “ Mino fa tsy manantena, miaina fa tsy misalasala”.

Ry mponin’I Vakinankaratra,

Izany fanamby apetrantsika izany dia tena mitaky fivoaran’ny toe-tsaina ho entina miara-misondrotra.

Tsy hanao didy kofehy lehibe aho fa hanovo ny teny miera ary hanisy vidiny ireo kiana tsy mandrava izay efa .

Veloma hatreto koa ny “zarazarao hanjakana”, Tompokolahy sy Tompokovavy. Natambatr’ Imasoandro isika ka tsy hosarahin’olombelona.

Izaho ho tokinareo ary ianareo tokiko.

Ny Biraon’ny Faritra iadidiako dia birao fitarainana, midanadana ny varavarana satria adidy masina ny mihaino sy mifanohana. Ambohimpihaonan’isika liampivoarana.

Ny Biraon’ny faritra iadidiako dia vata lehibe ho an’ny tolon-tsaina sy tolon-kevitra ho entina miara-miantsoroka ny fampandrosoana ary ho tranoben’ny dinika ambany tafon-trano ho an’ny adihevitra hanamasahana ireo paikady fanatanterahana ireo tetik’asa.

Ny Biraon’ny Faritra iadidiko dia ho milina lehibe fanodinana ireo tetik’asa mba hivaingana.

Ny Biraon’ny Faritra tantaniko dia fanilo manazava, ka ny tananareo manan-kasina no hampiredareda izany , hihoatra ny fahaizana isika mba ho tonga talenta ny fandrosoantsika.

Ry Mponin’I Vakinankaratra,

Hidina ifotony aho hitety ny faritra manontolo hijery ny zava-misy marina eny anivon’ny Tanana tsirairay. Satria izay tia vangivangy ikoriam-bahaolana.

Handrindra tetiandro aho ifanakalozan-kevitra aminareo hery mpamokatra eto amin’ny faritra, satria ho tsinjovina ireo mbola marefo ara-pivelomana, dia tsy maintsy ho vatsian-tosika kosa ireo maherifo efa mampiroborobo ny toe-karena. “Il faut motiver les performants”.


Hifandray tsy tapaka aminareo mpiasam-panjakana aho satria isika ireto no mpampivelona fandrosoana.

Hiroso avy hatrany amin’ny fanoritana ny Vinam-pampandrosoana ny faritra isika ho dinihina miaraka amin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombonantoka Malagasy sy iraisam-pirenena. Izany dia hisarihantsika ny fampiasam-bola, ny famoronana asa, ny traikefa ary ny haitao vaovao mba hanjohy an’I Vakinankaratra ny moderna tapoham-pahasoavana.

Izay no misy, izay no ela Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ny veliranontsika dia lalan-tsarotra ary misy fandrika, ka ny fanoloran-tena hifikirantsika amin’ny tanjontsika anio sy amin’ny ho avy no fanoitra mahery vaika indrindra handrosoantsika.

“ Tsy manam-pahavalo afatsy ny mosary sy ny fahantrana aho, ary miantso ho namana ireo liam-pivoarana rehetra hampandroso ny Faritra”.

Nomena adidy ity zanakareo ka mangata-tso-drano,

Notolorana andraikitra ity namanareo ka mangataka tolo-tanana,

Manam-pinoana ity havanareo koa mba trotroy amim-bavaka,

Andriamanitra Andriananahary anie hitahy ny lalana hodiavintsika.


Ry Mponin’I Vakinankaratra,

Areheto ny hambompom-pirenena, mifohaza hanazava fa miantso ny Tany.

Sahy isika, vonona isika ary velon-kandresy.

Fa ny Fitiavana no lehibe indrindra

Dia samy ho tratry ny 26 Jona 2020 hankalazantsika amin’ny fomba manetriketrika ny faha-60 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena isika mianakavy. Misaotra Tompokolahy , mankasitraka Tompokovavy naharitra nihaino anay hatramin’ny farany.

Ho ela velona anie Madagasikara,

Ho ela fanapahana ny Filoha Andry Rajoelina

Samy ho tahian’Andriamanitra isika rehetra.

Vyvato Rakotomaditra Rakotovao

Governoran'ny Faritra Vakinankaratra

Antsirabe, 03 Marsa 2020



Mis Ă  jour ( Dimanche, 08 Mars 2020 10:57 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety