Toeram-pitsaboana. Mila manatona any ny vehivavy na dia hiteraka aza

Vendredi, 04 Septembre 2020 15:24 Manifestation
Imprimer

Nahitana fihenana ny taha isan’ireo Reny mpiteraka eo anivon’ny toeram-pitsaboana Marie Stops, nandritra ny fisian’ny aretina Covid-19. Raha toa ka nahatratra 80 mpiteraka isam-bolana dia nihena hatrany amin’ny 50 izany. Nandritra ny fihiboana dia maro ireo orinasa no nijanona tsy niasa any ka nihena ihany koa ny vola miditra eo amin’ny fianakaviana iray. Vokatr’izany dia nisy ireo vehivavy nitondra vohoka no niteraka eny amin’ny toeram-pitsaboana akaiky azy. Ao koa anefa ireo nisafidy ny niteraka ao an-tranony. Antony dia mba mihena kokoa ny vola lany.


Araka ny fanazavana nomen’ny mpampivelona RANDRIAMIARANTSOA Hasina Fanambinana, dia tena ilaina ny fanatonana toeram-pitsaboana, indrindra fa ireo mitondra vohoka. Mandritra ny fitondrana vohoka mantsy no tena ilaina ny fizaham-pahasalamana sy ny fisafoana. Ao anatin’izay no hahafantarana na ho mety sarotra ny fiterahan’ilay vehivavy na tsia. Misy koa anefa ireo vehivavy manatona toeram-pisafoana, izay hita fa tena salama tsara hany ka mahatoky tena, rehefa tonga ny fotoana fiterahana dia tsy manantona toeram-pitsaboana intsony. Tsara ho fantatra anefa fa tsy voatery ara-dalàna daholo ny fahasalamanan’ny vehivavy, fa mety misy tsy ampoizina tampoka eo amin’ny fotoana fiterahana, izay mety hananosarotra. Dia izay no ilaina ireny toeram-pitsaboana matihanina ireny, Tsy ny Reny irery rahateo no tena arahi-maso eo amin’ny lafin’ny fahasalamany fa eo indrindra indrindra ny toeram-pahasalaman’ny zaza vao teraka.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Vendredi, 04 Septembre 2020 15:34 )