Toliara. Vokatry ny covid-19 sy ny ady amin’ny herisetra nahitana ankizy vavy efatra niharan’ny fanolanana

Vendredi, 04 Septembre 2020 16:08 Manifestation
Imprimer

Tatitra amin'ny teny frantsay ETO

Ny 25 aprily ka hatramin’ny 27 mai 2020 dia nanatontosa fanadihadihana ny teo anivon’ny UNFPA, manoloana ny fihatrehana ny aretina corona. Ireo tanora 20 ka hatramin’ny 24 taona no tena maro namaly ity fanadihadihana ity ka 40% dia avy eto Analamanga ; manaraka azy ny faritra Atsimo Andrefana nahatratra 31%.


Niompana betsaka tamin’ny herisetra, ny fandrindram-piainam-pianakaviana, ny fahasalamana, ny fahafantarana ny covid-19 sy ny fomba fiarovana ny resaka. Raha fintinina dia saika lafin’ny maro mahasahana ny fiainan’ny tanora manoloana ny covid-19 no nanontaniana. Nisy ihany koa anefa ny soso-kevitra izay hitan’izy ireo mikasika ny fomba iadiana amin’ny herisetra sy ny mety olana tokony ho vahana mandritra ny fiatrehana izay aretina covid-19 izay.

Ireo tanora vehivavy no hita fa liana tamin’ny fanontaniana napetraka izay nahatratra 67%, raha toa ka 31% monja ny lehilahy. 68.5% tamin’ireo tanora kosa dia mbola tsy manambady avokoa. Na izany aza dia nisy ihany sokajy hafa izay liana, toy ny tanora vavy efa manan-janaka nahitana 8,7%.

Ireo manana asa atao kosa dia saika mpianatra ny 44.9%, ary mihoatra ny antsasak’ireo tanora nanontaniana, 56% izany, dia mpitantana fikambanana. Lava dia lava io fanadihadihana io, fa ho ezahina ny hanome azy tsikelikely ho anao mpamaky .

Ny tsara ho fantatra aloha dia matoa izao no vita dia noho ny fiara-miasa mavitrika teo anivon’ny FNUAP, ny UNICEF, ny Minisiteran’ny tanora, ny PNUD ary ireo fikambanana samihafa ka anisan’izany ny fikambanana Fitia.


52%-ny tanora nanontaniana dia saika nitatitra fa mahafantatra tsara ny momban’ny covid-19. Ny fomba nazahoan’izy ireo ny vaovao dia tamin’ny alalan’ny fahitalavitra, ny tambazotra serasera sy ny aterineto (Internet). 99,2 %-n’izy ireo no efa mahafantatra ny fomba fifindran’ny aretina ; ny 42%-n’ireo tanora kosa dia voafetra tamin’ny alalan’ny tambazotra serasera sy ireo fianakaviana akaiky no nafahana nanao asa fanentanana amin’ny ady amin’ny coronavirus.


Ny antony dia noho ny fepetra nisian’ny fihiboana ka tsy nahafahana nivoaka. Olana ho azy ireo indray ny tsy fahampian’ny fitaovana. Nanomboka nisian’ity aretina ity sy ny fepetra noraisina dia maro ireo tanora no tsy afaka nanao asa mahazatra ka voatery niova fomba fiasa mihitsy ny 58.3%. Ny tena olana goavana eo amin’ny tanora dia ny fahabangana ara-bola. Ny 7%-n izy ireo aza dia nilaza mihitsy fa vokatry ny covid-19 no tena antony.

Raha Toliara Tanàna sy ny faritra Atsimo Andrefana manokana no resahina, dia anisan’ny voasokajy ho faritra tena hitrangan’ny fanolanana sy herisetra isan-taona indrindra fa eo amin’ireo ankizy vavy any. Izay indrindra no nahatonga ny Ong Bel Avenir sy ireo vondrom-pikambanana any amin’iny faritra iny, miampy ny fiaraha-monina sivily ao Toliara, izay miisa 12, ho nanangana vondrona iray manokana atao hoe « Plateforme de Protection de l'Enfance » ho fiarovana ny ankizy ao amin’iny faritry Toliara iny.


Vatsian’ny UNICEF manokana moa ity vondrona ity sy ny asa ataony, ary eo ireo manampahaizana maro izay manampy tosika betsaka ny hetsika fiadiana amin’ny herisetra. Ahitana mpisolo vava, mpampianatra, olona miasa eo anivon’ny toeram-pitsaboana ary psykology izay mivondrona ao anatin’ny « Réseau International Eau de Coco ».

Izao dingana izao no natao dia mba ho fanampiana ireo ankizy tratry ny herisetra any Toliara. Marihiana fa nanomboka ny volana Mey no nisokafan’ny ivo-toerana fandraisana sy fikarakarana ireo tratry ny herisetra sy fanolanana. Efa nahatratra 160 ireo ankizy efa noraisina an-tànana manokana ny momba azy, ka ny efatra amin’ireo ankizy ireo dia niharan’ny fanolanana ary ny 21 kosa saika manao asa fivarotan-tena.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Vendredi, 04 Septembre 2020 17:26 )