Madagasikara Fahasalamana ho an’ny daholobe : any Betafo, Andohasana sy Vohipeno ny fotoana

Jeudi, 15 Octobre 2020 14:43 Manifestation
Imprimer

Ny volana mars 2020 no nanatanterahana ny hetsika Diaben’ny Fahasalamana, izay tao anatin’ny fanamarihana ny Andro ny Vehivavy ary niarahana tamin’ny minisitera ny Mponina.

Nahitana fahombiazana izany satria maro ireo olona liana ka namonjy toerana izay nijanonan’ny fiara hari-fomba misy ireo fitaovana ara-pahasalamana. nizaha ny toem-pahasalamany. Notohizana io hetsika Diaben’ny Fahasalamana ity ary nomena ny anarana hoe «Tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka» nanomboka ny 15 Oktobra 2010.

Izy ity dia iarahana amin’ny sampan-draharaha misahana ny sosialy eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika. Eo ihany koa ireo vondrona samihafa izay misahana ny fahasalamana toy : MARIE STOPES, PEUPLE JAPONAIS, SE CNLS, OMS, WISH TO ACTION, MADAGASCAR, IPPF/FISA, IECD IMRA, LIONS SIGHT FIRST MADAGASCAR, SALFA, MAHITA, TETIK’ASA MAHENO, INIBSA DENTAL, WORLD DIABETES FOUNDATION, AMADIA, OPERATION FISTULA, ASOS…

Fiara hari-fomba misy ireo fitaovana ara-pahasalamana miisa dimy no iara-dia amin’ity hetsika faharoa ity, izay hanatona bebe kokoa ny mponina. Faritra telo no handalovany dia :

- any amin’ny kaominina Betafo ao anatin’ny Faritra Vakinakaratra ny 16 Oktobra 2020 ;

- any amin’ny kaominina Alakamisy Ambohimaha fokontany Andohasana Ambalakely, ao anatin’ny Faritra Matsiatra Ambony, ny 19 Oktobra 2020 ;

- any amin’ny kaominina Vohipeno, ao anatin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, ny 21 Oktobra 2020.

Mandritra ny fandalovan’ny Diaben’ny Fahasalamana any amin’ireo faritra ireo dia afaka mizaha ny toe-pahasalamany ny mponina. toy ny fitiliana diabeta, ny maso sy sofina, ny fandrindram-piterahana, ny fitiliana katarakta, ny fanomezan-drà maimaimpoana, ny fitiliana tazomoka, ny torohevitra momba ny tsifanjariana ara-tsakafo, ny fanaovana échographie, ny fijerena ny tosi-drà, ny fanaovana vaksiny, ny fitiliana ny homamiadan’ny tranon-jaza, ny fanalana sy fitsaboana nify. Ankoatra ireo dia hisy ihany koa ny torohevitra mikasika ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy.


Andry Rakotonirainy

Sary UNFPA

Mis à jour ( Jeudi, 15 Octobre 2020 14:50 )