]
Les quotidiens du 29 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Anjanahary Makpela. Ny fandevenana an'i Ramatoa Edwige Andriamanantena -SARY ZATO-

Anjanahary Makpela. Ny fandevenana an'i Ramatoa Edwige Andriamanantena -SARY ZATO-

Na dia tsy afa-nanatrika aza ny tena no ny fahasalamana tsy milamina kely, dia tsy adino akory ny nanome voninahitra an'ity olom-pirenena malagasy feno ity, sy nametraka fahatsiarovana tsy voakosoky ny taona handalo ho an'ny fianakaviany sy ny taranany iray manontolo, amin'ny alĂ lan'ireto sary miisa zato manaraka ireto. Adidy ho an'ny velona ny manaja ny ray aman-dreny hatraminy amin'ny farany. Inona tokoa moa izany farany izany? Ny ety an-tany fandalovana ety no resahiko. Mino isika fa iray andro dia hihaona amin'ireo izay nialoha an-tsika any amin'ny tsy taka-maso any. Izay ny fanantenan'ny Kristianina. Raha tsy misy tokoa moa izany fanantenana izany dia inona no atao eto an-tany? Fa raha mbola velon'aina isika mianakavy dia misy zavatra lehibe noho io fanantenana io. Dia ny fitiavana izany. Ka dia mifankatiava dieny mbola velona fa rehefa maty tsy miverina intsony. Ary io fahafatesana io tsy azo sandaina na vidiam-bola fa tsy maintsy hitranga, iray andro, eo amin'ny zanakolombelona. Koa asakasak'ireo mpisompatra ny fiainan'ny Malagasy iray manontolo satria dia na Andriamanitra aza tsy atahoran-dry zareo intsony...

MandriĂ  am-piadanana, Ramatoa Edwige. Faly aho nanomezan'Andriamanitra ftoana nahafantarana anareo mivady sy nifampiresahiko taminareo teny Mandrosoa Ivato fony i Rado mbola nifoaka "Gauloises"... Vita izay ny asanao tety k'efa lavitry ny tebiteby isan'andro mahazo an'ny mpiray tanindrazanao ianao izao. Dia veloma mandrapihaona any amin'i Rado any.

Jeannot Ramambazafy - Sary: Haja Randria - 24 Febroary 2016


Mis Ă  jour ( Vendredi, 04 Mars 2016 07:09 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO