Antananarivo, 13 Mey 2016. Tsy adino ny mpianatra maty 44 taona lasa izay

Lundi, 16 Mai 2016 11:14 Photos
Imprimer

ATO NY VIDEOS REHETRA

13 Mey 1972. Raha 13 taona i Vahombëy tamin’izany, izaho kosa 18 taona. I Willy O là là zokiko kely fotsiny. Fa mbola velona daholo izahay. Ary tsy manadino satria teo anoloan’io Lapan’ny tanàna izahay mpianatra nangataka ny famotsorana ireo namana nosamborina ny alin’ny 12 Mey. Anisan’izany i Willy O là là. Ny setriny ? Tifitra variraraka nataon’ireo FRS. 44 taona izay no lasa. Matahotra fatratra izany hoe 13 Mey izany ry Rajaonarimampianina sy ny forongony. Any ny heriny dia nampiseho fa voabaikony daholo ny tompom-basy hatreto. Fa mba nitandrina ihany ka tsy ingahy Jeneraly Florens Rakotomahanina sy ny redirediny (« tsy hitsisy » hono izy e !) fa ny Kolonely Ravoavy. Ka dia isaorana eto izy satria tena nanome haja an'i Richard Ratsimandrava izay zandary ihay koa. Tsy nisy ny lacrymogènes, tsy nisy ny vovoka mahasempotra. Fa ianareo miaramila kosa: mba henoy ihany, tsindraindray ny hiran-dry Mahaleo ry miaramila izay mivoaka avy any amin’ny vahoaka fa tena hanahirana atsy ho atsy.

Jeannot Ramambazafy – Harilala Randrianarison – Haja Randria

Mis à jour ( Lundi, 16 Mai 2016 12:43 )