Filoha Andry Rajoelina, 29 mars 2020. Nanatontosa ny adidiny amin'ireo Mahery Fo teny amin'ny Mausolée

Dimanche, 29 Mars 2020 14:38 Photos
Imprimer

Noho ilay coronavirus mandripaka maneran-tany ka anisan'izany ny Nosy malalan-tsika Madagasikara ity, dia faran'izay tsotra tokoa ny fahatsiarovana ny andron'ny 29 marsa 1947 tamin'ity taona 2020.

Izany anefa tsy nanakana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nanatontosa ny adidiny amin'ireo Mahery Fon'ny Tanindrazana malagasy, tetsy amin'ny Mausolée avaratr'Ambohitsaina.

Ary izao ny nambaran'ny Filoha Andry Rajoelina tao amin'ny pejiny Facebook ofisialy, androany 29 marsa 2020 :

Lova napetrak’ireo mahery fo ho antsika ny fitiavan-tanindrazana. Tsaroantsika mandrakizay izy ireo sy ny ady natrehiny.

Ary ankehitriny dia anjarantsika indray izao ny maneho firaisankina sy fitiavan-tanindrazana manoloana ny ady ataontsika. Ho an’ny Tanindrazana!”.

Ity manaraka ity kosa no nosoratany tamin'ny teny frantsay ao amin'ny kaontiny Twitter :

Jeannot RAMAMBAZAFY

29 Marsa 2020

Mis à jour ( Dimanche, 29 Mars 2020 15:01 )