Mialy Rajoelina. “Ny sekoly no sehatra voalohany indrindra hafahantsika misoroka sy miady amin’ny herisetra”

Lundi, 16 Novembre 2020 16:32 Photos
Imprimer

“Aoka izay ny fanolanana ny zaza tsy manan-tsiny”. Fehezan-teny navoitran’i Ramatoa Mialy Rajoelina, Filohan’ny Fikambanana Fitia (“Association Fitia”) sady Masoivohon’ny Unfpa amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (“Lutte contre les Violences basées sur le genre” na VBG), nandritra ny fidinany ifotony, ny 12 Novambra 2020, teny amin’ny EPP 67 Ha Avaratra ary ny teny amin’ny EPP sy ny CEG Anosibe, ho fanentanana ny ady amin’ny herisetra eo amin’ny ankizy. Izany fidinana ifotony izany dia tohin'ilay antso nataony ny alatsinainy 09 Novambra 2020 (ETO).

Ireto manaraka ireto no teny mafonja navoitrany tao amin’ireo lahateny nataony:

“Ry Ankizy Malagasy! Ianareo no andry hiankinan’ny Firenena . Tsy azontsika ekena rankizy ny herisetra ary miady amin’izany isika. Fantaro fa zonareo tanteraka no mitoroka rehefa misy manao herisetra aminareo. Tsy bedy velively ianareo raha mitoroka ary tsy diso velively ianareo raha manao izany. Koa aza misalasala na iza na iza manao herisetra, na fihetsika tsy mendrika aminareo, afaka mitoroka ianareo . Maro ireo olona vonona hihaino sy hanampy anareo”.

Ireo mpanabe no mamolavola ireny ankizy ireny. Raha te hanova zavatra isika dia fanombohana amin’izany ny eny anivon’ny sekoly, izay fototra voalohany ho amin’izany.

Maro loatra ny fihetsika mamohetra atao amin’ny ankizy tsy manan-tsiny. Saika ren’ny sofina sy hitan’ny maso manerana ny haino vaki-jery. Tsy avela fotsiny amin’izao anefa fa misy andraikitra tsy maintsy raisina hanasaziana ireo nahavita ny heloka ary tsy maintsy misoroka ihany koa anefa mba tsy ho tratry izany ireo zaza hafa.

Amin’ny maha renim-pianakaviana azy indray, izay mahafantatra tsara ny hasarobidin’izany atao hoe zanaka izany dia hoy i Ramatoa Mialy Rajoelina, nitodika tamin’ireo mpianatra : Tsy azontsika ekena sy leferina ny zava-misy ankehitriny, dia ny toe-tsaina mamohetra ataon’ny olona tsy mataho-tody aminareo zaza zanatsika izay tsy manan-tsiny. Fantaro fa ny fihatraikan’ny herisetra na ara-tsaina na ara-batana dia mamela takaitra mandrapahafaty. Noho izany dia tsy tokony hiraviravy tanàna isika fa tokony handray fanapahan-kevitra ihany koa isika, ary ety anivon’ny sekoly no sehatra voalohany sy lehibe indrindra hafahantsika misoroka sy miady amin’ny herisetra”.

Ka eo amin’izay lafin’ny fampianarana izay indrindra, ankoatra ny seho “marionnettes” namelona ny tantaran’i Soa sy Lita, mpianatra saika nisy nanolana teo am-piravana dia izao koa no nambaran’i Ramatoa Mialy Rajoelina: “Tonga eto izahay hanoro làlana anareo rankizy; tonga eto izahay hampianatra anareo ny fihetsika tokony hatao eo anatrehan’ny olona ratsy fanahy. Tonga eto izahay hampianatra anareo ny tokony hatao rehefa misy ny herisetra”.

Nanao antso avo ho an’ny ray aman-dreny rehetra ihany koa Ramatoa Mialy Rajoelina, tsy hisalasala fa hamaky bantsilana avy hatrany raha toa misy tranga herisetra mahazo ny ankizy. Tsy tokony ho hisy ny fatahorana mitoroka raha toa mitranga ny herisetra fanolànana mety mahazo ny ankizy.

Hanampy tosika ho fiarovana amin’izany rahateo ireo rantsa-mangaika mpiaro ny zaza, dia : ny Fikambanana Fitia, ny Minisiteran’ny Mponina, ny BFP (“Brigade Féminine de Proximité”) ao amin’ny Polisim-pirenena, ny Fitsarana sy ny Unfpa izay samy nanana solontena teny amin’ireo sekoly notsidihina, notronin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny vadin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo.

Tsy hijanona amin’ireo fidinana eny amin’ny sekoly ity ady makadiry ity fa ho hitantsika eo izay ho tohiny manerana an’i Madagasikara… Fa ireto aloha misy sary mampiseho ny tranga teny amin'ny 67  Ha sy Anosibe, io 12 Novambra 2020 io.

 

Jeannot Ramambazafy - Andry Rakotonirainy - Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Mardi, 17 Novembre 2020 04:43 )